Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manaporetika: (poretika) mt p. (manaporeteha): Mampifangaro, mampisafotofoto; manaparitaka. Ahitsio
Manaporetsika: (poretsika) mt. p. (manaporetseha): Mahabe fotaka. Ahitsio
Manaporiatra: (poriatra) mt. p. (manaporiata): Mampandositra, mampandeha haingana, mamoritra zavatra malemy na rano ao anaty tanana. Ahitsio
Manaporitika: (poritika) mt. p. (manaporitiha): Mande-fa zavatra hipitika hatraiza hatraiza. Ahitsio
Manaporitsaka: (poritsaka) mt. p. (manaporitsaha): Marne-la zavatra hikorotsaka, hianjera toy ny tsy voatazona. Ahitsio
Manaporofo: (porofo) mt.p. (manaporofoa): Manamarina. Ahitsio
Manapororoatra: (pororoatra) mt.p. (manapororoata): Mahatonga feno mihoa-pefy; mamp andeha maro miara-be, Ahitsio
Manaporotsaka: (porotsaka) mt p. (manaporotsaha): Mampitambotsotra; mandrotsaka (vola). Ahitsio
Manapotsiatra: (potsiatra) mt p. (manapotsiara): Mamoaka rano mifantsitsitra. Ahitsio
Manapý: (py) mt, p, (manapiza): Manakimpikimpy maso; manao baiko amin'ny maso. Ahitsio
Manara: (nara) p.t.: Mangatsiaka, mahatsiaro mangatsiaka: Lasa namindro izy fa manara, hono. * F.-p.: Manaran-defona: mahatsiaro kekerin'ny hatsiaka izay toy ny lefona mitsatotsatoka amin'ny tena. / Trano manara: trano kely natao teny ambonin'ny fasan'Andriana sasantsasany fahizay (ny anaovana ireny trano ireny hoe manara dia noho izy hafa amin'ny trano rehetra fa tsy mba nanaovana afo). Ahitsio
Manaraby: (haraby) mt.p. (manarabia): Maneso; mamazivazy, Ahitsio
Manaraina: (maraina) mt.s.: Tonga maraina: Rahampitso indray monaraina! ? Mivoaka ny trano na mandeha miasa vao maraina: Miasa manaraina izany izy. Ahitsio
Manaraka: (araka) mt. p. (manaraha): Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely. ? Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin ' Andriamanitra ? Mandeha amin'ny lavan'ny, sisin'ny, moron'ny: Mandehana manaraka ny valamparia, ? Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy. * Momba ny..., miandany amin'ny,..: Manaraka ny fampianaran'i Bouddha. ? Avy aoriana, mandimby: Manarako ny lohataona ny fahauaratra. ? Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy. ? Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao, ? Miady mba hahazo, mitaky amin'ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho. * F.-p.: Manara-bava: sady mihira no mitendry zavamaneno. / Manara-bavy: 1) mitoetra any amin'ny ray amandrenin'ny vavy; 2) mety ho entin'ny vavy amin'ny sangany. / Manara-bolana: entimilaza olona fatra-piovaova amin'ny heviny na ny toetrany. Ahitsio
Manarama: Jar. Manakarama. Ahitsio
Manaramody: (mody) a.: Fanafody manaraka ilay asiany ary mamono azy amin'ny farany. Ahitsio
Manarana: (harana) mt.p. (manaràna): Manao izay tiana, manao fiainana tsy fehezin' ny hafa fa ny sitrapony ihany: Manarana er? amin'ny zava-pisotro Rakoto. ? Mamela ny hafa hanao ny sitrapony; malemy na mora loatra; rainazy: Ny fanjokana tsy anaranako havana, hoy Andrianampoinimerina. * F.-p.: Manaram-batana: manaraka ny filan-dratsin'ny nofo. / Manarempo: manao danin'ny kibo. / Manarana aina: mitsitsy aina. / Manaran-daina: manaraka ny hakamoana. /Manaran-jaza: manaraka haitraitran'ny zaza. ¶ M.h.: Malemy loatra, moramorainy, mampihanta, rainazy, tsy mahavely vava am-boa. Ahitsio
Manarana: a.: Anaram-borona. * Razana koa ny tsirin'ny ro-fia izay anaovana satroka. Ahitsio
Manaranaka: (taranaka) mt.p. sy mt.s,: Mandimby ny toetran'ny...: Manaranaka ny renibeny it? zaxa itg, ? Miampita any amin'ny taranaka: Manaranaka ny aretina sasany. Ahitsio
Manarangarana: (harangarana) mt.p. (manarangaràna): Mijery olona, nefa tsy te ho hi-ta hoe mijery, ka amin'ny hirika na loaka kely ao ambadika no mitily: Tsy fanao ny manarangarana amin'ny hidim-barouarana. Ahitsio