Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manasabodika: (sabodika) mt. p. (manasabodeha): Mampifangaro na mampifandiso ny teny na ny zavatra atao, manasari taka, m ano din ko din a amin'ny teny na fanaovanjavatra mba hampifamadika amin'izay tena izy sy mari-na. Ahitsio
Manasabotrika: (sabotrika) mt. p. (manasabotre ha) : Mambomba, mandrotsirotsy. Ahitsio
Manasadika: (sadika) mt.p. (manasadikà): Manao (zavatra) mihodidina ny valahana toy ny salaka. Ahitsio
Manasafelika: (safelika) mt.p. (manasafeleha): Manolana, manao izay hihodidinan'ny zavatra iray fa tsy handehanany mahitsy mivantana. Ahitsio
Manasafofoka: (fofoka) mt.p. (manasafofoha): Manjera. Ahitsio
Manasafontina: (safontina) mt. p. (manasafontena): Mampisafotofoto, mampisavorovoro, mampisaritaka. Ahitsio
Manasafotofoto: (fotofoto) mt. p. (manasafotofotoa): Manakorontana sy mampifangaroharo: Iza no nanasafotofoto ity kofehy ity toy izao? ¶ M.h.: Mampisafotofoto, manafotofoto, mampisavorovoro, manasavorovoro, mamorovoro, manasaritaka, manakorokoro, m ampikoron ta-na, manakorontana, mampifangaro. Ahitsio
Manasafy: (safy) mt.p. (manasafia): Manampy, mameno (lamba) amin'ny akanjo atao sosony. Ahitsio
Manasaha: (asaha) mt.p.: Ma-n omp a. Ahitsio
Manasahonaka: (honaka) mt.p.: Mamonto. Ahitsio
Manasaika: (saika) Mt P. (manasaiha): Manasoka (zavatra) ao anaty rano mba hakana rano. Ahitsio
Manasaka: (sasaka) mt.p.: Mizara roa mitovy tsara: Tsy haiko ny manasaka ity uoatavo ity. ~ Eo am-povoany tsara: Manasaka tsara ny tanàna ny tsena. Ahitsio
Manasalobona: (salobona) mt. p.: Manarona olona na zavatra amin'ny lamba. Ahitsio
Manasalotra: (salotra) mt.p.: Manantona (zavatra, lamba) eny am-bozona. Ahitsio
Manasaly: Manasalisaly (saly) mt.p. (manasalisolia, manasalia): Mametraka zavatra (hena...) vetivety eo ambony a-fo mba hahazoana mihinana azy; manamaina hena na hazandrano amin'ny setroka. Ahitsio
Manasamaka: (samaka) mt.P. (manasamaha): Mamaky, manataka, mampiveraka hisaraka roa. Ahitsio
Manasamboady: (samboady) mt.p. (manasamboadia): Mametraka samboady eo ambony soroka. Ahitsio
Manasamboaravoara: (samboaravoara) mt.p.: Mampitroatra, mampitambolimbolina. ~ lao.: Mahatezitra, mahatonga ho romotry ny hatezerana. Ahitsio
Manasamboritra: (samboritra) mt.p. (manasam borita) : Manodidina lamba ny valahana mafy. Ahitsio
Manasampina:(sampina) mt. p. (manasampina): Manipy ny tendron'ny lamba iray ho eo ambony soroka. Ahitsio