Manasabodika | : | (sabodika) mt. p. (manasabodeha): Mampifangaro na mampifandiso ny teny na ny zavatra atao, manasari taka, m ano din ko din a amin'ny teny na fanaovanjavatra mba hampifamadika amin'izay tena izy sy mari-na.
Ahitsio |
Manasabotrika | : | (sabotrika) mt. p. (manasabotre ha) : Mambomba, mandrotsirotsy.
Ahitsio |
Manasadika | : | (sadika) mt.p. (manasadikà): Manao (zavatra) mihodidina ny valahana toy ny salaka.
Ahitsio |
Manasafelika | : | (safelika) mt.p. (manasafeleha): Manolana, manao izay hihodidinan'ny zavatra iray fa tsy handehanany mahitsy mivantana.
Ahitsio |
Manasafofoka | : | (fofoka) mt.p. (manasafofoha): Manjera.
Ahitsio |
Manasafontina | : | (safontina) mt. p. (manasafontena): Mampisafotofoto, mampisavorovoro, mampisaritaka.
Ahitsio |
Manasafotofoto | : | (fotofoto) mt. p. (manasafotofotoa): Manakorontana sy mampifangaroharo: Iza no nanasafotofoto ity kofehy ity toy izao? ¶ M.h.: Mampisafotofoto, manafotofoto, mampisavorovoro, manasavorovoro, mamorovoro, manasaritaka, manakorokoro, m ampikoron ta-na, manakorontana, mampifangaro.
Ahitsio |
Manasafy | : | (safy) mt.p. (manasafia): Manampy, mameno (lamba) amin'ny akanjo atao sosony.
Ahitsio |
Manasaha | : | (asaha) mt.p.: Ma-n omp a.
Ahitsio |
Manasahonaka | : | (honaka) mt.p.: Mamonto.
Ahitsio |
Manasaika | : | (saika) Mt P. (manasaiha): Manasoka (zavatra) ao anaty rano mba hakana rano.
Ahitsio |
Manasaka | : | (sasaka) mt.p.: Mizara roa mitovy tsara: Tsy haiko ny manasaka ity uoatavo ity. ~ Eo am-povoany tsara: Manasaka tsara ny tanàna ny tsena.
Ahitsio |
Manasalobona | : | (salobona) mt. p.: Manarona olona na zavatra amin'ny lamba.
Ahitsio |
Manasalotra | : | (salotra) mt.p.: Manantona (zavatra, lamba) eny am-bozona.
Ahitsio |
Manasaly | : | Manasalisaly (saly) mt.p. (manasalisolia, manasalia): Mametraka zavatra (hena...) vetivety eo ambony a-fo mba hahazoana mihinana azy; manamaina hena na hazandrano amin'ny setroka.
Ahitsio |
Manasamaka | : | (samaka) mt.P. (manasamaha): Mamaky, manataka, mampiveraka hisaraka roa.
Ahitsio |
Manasamboady | : | (samboady) mt.p. (manasamboadia): Mametraka samboady eo ambony soroka.
Ahitsio |
Manasamboaravoara | : | (samboaravoara) mt.p.: Mampitroatra, mampitambolimbolina. ~ lao.: Mahatezitra, mahatonga ho romotry ny hatezerana.
Ahitsio |
Manasamboritra | : | (samboritra) mt.p. (manasam borita) : Manodidina lamba ny valahana mafy.
Ahitsio |
Manasampina | : | (sampina) mt. p. (manasampina): Manipy ny tendron'ny lamba iray ho eo ambony soroka.
Ahitsio |