Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manatselaka: (tselaka) mt.p. (mana tse làha) : Mampirehitra tampoka; mampitselatra. Ahitsio
Manatselatra: (tselatro) mt.p.: Mitovy amin'ny Manatselaka. Ahitsio
Manatsemboka: (tsemboka) mt. p.: Manao izay hahatsemboka na hahatonga etona. Ahitsio
Manatsetaka: (tsètaka) mt.p.: Mametaka tsars, manatsatoka tarira eo afovoany. Ahitsio
Manatsetsaka: (tsetsaka) mt.p.: Mandrehitra, mampirehitra, man atsolo afo. Ahitsio
Manatsiaka: (tsiaka) mt.p.: Mandriatra. Ahitsio
Manatsidradra: Manatsidradraka (tsidradra) mt.p. (manatsidradrà, manatsidradraha): Manainga ho avo: Manatsidradraka ny tongony amantanany ity zaza it? rehefa matory. Ahitsio
Manatsika: (hatsika) mt.p. (manatsiha): Miantso amin'ny fihetsiky ny loha na tanana: Nanatsika tanana an-janany Baba. ¶ M.h.: Manofa. ~ Mamahana, mamaika basy. Ahitsio
Manatsika: (tsika) mt.p. (manatsiha): Manatantavana. 1 Mampanorika (rano) tsikelikely avy ao anaty zavatra mba hanalana ny faikany. ? Manamaina. Ahitsio
Manatsikala: Manatsikalana (tsikalana) mt.p. (manatsikalàna) : Manisy tsikalana. Ahitsio
Manatsikana: (hatsikana) mt. p.: Mamazivazy, manaraby, mihomehy (olona), mamitaka. Ahitsio
Manatsikanina: (tsikanina) mt p.: Mitono, manatsatsika. Ahitsio
Manatsikebona: (tsikebona) mt. p.: Manetsiketsika ny fotaka na ny loto ao anaty rano. Ahitsio
Manatsikefakefaka: (tsikefakefaka) mt.p.: Manendaka amin'ny laniny iray; manofahofa amin'ny laniny iray. Ahitsio
Manatsikera: (tsikera) mt.p. (manatsikerà): Tsy mamela hifatratra na hifitsaka: Manatsikera landihazo hatao sesi-kidoro. Ahitsio
Manatsikoinkoina: (tsikoinkoina) mip.: Mampimoimoy, mampitaraindraina. Ahitsio
Manatsikozakoza: (tsikozakoza) mt.p.: Manao zavatra amim-pitsiredare dàna. Ahitsio
Manatsilany: (tsilàny) mt. p. (manatsilanésa) : Mampandry (olona) ka ny lamosiny no atao ambany. ~ Mametraka (zavatra) ka ny vavany no atao ambony. Ahitsio
Manatsimbadika: (tsimbadika) mt. p.: Manohoka: Manatsimbadika ny vilany. 1 Mampikodia. Ahitsio
Manatsimpohafoha: (tsimpohofoha) mt.p.: Manangona hitsitokotoko (tany ). • Mainpitsangantsangana (volt)). Ahitsio