Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandredona: (redona) mt. p. (mandreddna): Miteny na mihira indray miaraka: Mandredona hira. Ahitsio
Mandrefarefa: (refa) mt. p. (mandrefarefĂ ): Mampitaritarika ny akanjony amin'ny tany. 1 h.o.: Manela asa. Ahitsio
Mandrefotra: (refotra) mt. p. (mandrefota): Mampitefoka, manatefoka; mampipoaka, manapoaka. Ahitsio
Mandrefy: (refy) mt. p. (mandrefesa): Mijery misy refy firy ny halavan'ny zavatra iray. ~ Mamantatra ny halavan'ny zavatra iray. - F.-p.: Mandrefy aloka: manao hadisoana rehefa mandrefy, na mandiso refy. / Mandrefy andro: teny fampiasa amin'ny sikidy rehefa mizarazara ny andro iray amin'ny anaram-bolana roa ambin'ny foin. / Mandrefy hazo mitsangana: enti-milaza fanaovana asa sarotra na tsy azo atao mihitsy. / Mandrefy lalana: teny enti-maneso ireo olona mamo mivembena eny amin'ny arabe. Ahitsio
Mandrehitra: na Mampirehitra (rehitra) mt. p. (mandreheta, mampireheta): Mamelona: Mandrehitra na mampirehitra afo. ~ h.o.: Mampirehitra ny ady ny tsy fifanarahana - Ahitsio
Mandrehoka: (rehoka) mt. p. (mandrehofa): Mandefa, mamoaka rehoka: Mandrehoka lava io antidahy io. /Mandrehoka ra. Ahitsio
Mandrembona: (rembon?) mt. p. (mandrembdna): Malahelo tampoka, nefa miserana; manina; manembona. Ahitsio
Mandrendrika: (rendrika) mt, p. (mandrendreha): Mandatsaka ao anaty rano mba tsp ho afa-mipoitra intsony: Nisy nandrendrika ny lakana aisy azy. ? Manempo, mampitsonika, manidina: Mandrendrika volamena no raharahany. 1 Mampitovy tantana: Tsy nandrendrika tsara ny tany nanaouany trano izy. 1 Mampioko, mampikomy: 01ona tsy tia tanindrazana ireny mandrendrika ny vahoaka hirotaka ireny. 1 Mandroboka, mandentika: Ny sakaizany ihany no nandrendrika azy anatin'ny faharatsiana. Ahitsio
Mandrendrindrendrina: (rendrindrendrina) mt, s.: Entimilaza ny maso manjavonjavona noho ny havesaran'ny loha na avy nijery zavatra mahajemby. Ahitsio
Mandrendrirendry: (rendrirendry) p.t.: Manjemby, mahajambena Ahitsio
Mandrenoka: (renoka) p. t.: Mahavariana, maharenoka, maharevo, Ahitsio
Mandrenty: (renty) mt. p. (mandrente): Manaingo, mandravaka. Ahitsio
Mandreny: Jer. Mandre. Ahitsio
Mandrepirepy: (repirepy) mt.p. (mandrepirepe): Mampivembena. 1 p. t.: (maso) Pahimpahina. Ahitsio
Mandrepoka: (repoka) mt. p. (mandrepoha): Mikepoka, manapiaka. Ahitsio
Mandreraka: (reraka) mt. p. (mandreraha): Mamizana mafy, izaitsizy: Mandreraka ny dia lauitra • Mahosa, mampahosa, mankalemy: Ny aretina no nandreraka azy. 1 Ahitsio
Mandresaresa: (resaresa) mt. p. (mandresaresĂ ): Mampitarozaka, manalava, manela: Mandresaresc raharaha. Ahitsio
Mandresy: (resy) mt. p. (mandrese): Mihoatra, mahafaty: Nandresy ny fahavalo ny miaramila. Ahitsio
Mandretaka: (retaka) mt. P. (mandretaha): Mampikoa, mampirodana. Ahitsio
Mandretsika: Mandretsidretsika (retsika) mt.s,: Mamolivoly: Mandretsidretsika izany ny ranjoko. Ahitsio