Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrondra: (rondra) mt. P. (mandrondrà): Milaza na manao hadalana. Ahitsio
Mandrongatra: (rongatra) mt. s.: Mitroatra mivoaka ny vala: Nandrongatra ny omby fa uonjeo. Ahitsio
Mandrongo: (rongo) mt. P. (mandrongoa): Manisy vakana na kofehy amin'ny sisindamba, na eo amin'ny lohany roa. Ahitsio
Mandronjana: (ronjana) mt. s.: Mamizana, mampitolefika (enti-milaza zava-manasatra entina). Ahitsio
Mandronjina: (ronjina) mt. p. (mandronjena): Manosika: Saika handronjina an'Imboasalama tany an-kady AndrianjafY• Ahitsio
Mandronono: (ronono) mt, s.: Miteraka tsiranorano: Mandronono fotsy io hazo io rehefa kapaina. Ahitsio
Mandrontona: (rontona) mt. p. (mandrontôna): Maka haingana. Ahitsio
Mandrontsana: (rontsana) mt. p. (mandrontsàna): Mamely moramora. 1 Mikitika valiha. Ahitsio
Mandrontsina: Mitovy amin'ny Mandrontsona. Ahitsio
Mandrontsona: (rontsona) mt, p. (mandrontsàna): Mikapoka (karavasy, tahamaina); mitendry, mikitika (valiha). Ahitsio
Mandrora: (rora) mt. s. na mt. p. (mandrorà): Manipy rora. ? h.o.: Manebaka, manao tsinontsinona, manazimba, mamotsifotsy. - F.-p.: Mandrora gira: entimilaza olona leony tsy te hihinana sakafo matsiro. /Mandrora tsy maimbo: ilazana ireo olona manoso-dratsy ny hafa amin'ny haratsiana tsy nataony akory, manendrikendrika ho nahavita zavatra maharikoriko. I Mandrora tay maina: enti-milaza tenda toy ny makiana ka raha mitelin-drora dia tsaroana ho marary. * Ohab.: Mandrora mitsilany ka mahauoa tena: ohabolana ananarana ireo kely fisainana izay tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataony mety hifotitra amin'ny tenany ihany. Ahitsio
Mandroraka: (roraka) mt. P. (mandroraha): Mampiketraka, mampigedragedra, mampitambotsotra. Ahitsio
Mandroria: Mitouy amin'ny Mandroroa. Ahitsio
Mandroritra: (roritra) mt. P. (mandrorita): Manintona, mitarika, misarika: Mandroritra olona amin'ny sandriny. 1 Manenjana: Mandroritra anja-koditra / Manalava, manitatra: Fanaon-dRangahy io izany mandroritra resaka izany. • Mamivitra: Fomban'ny mpampianatra ny mandroritra ny sofin'ny mp ianany. ¶ M.h,: Mandrirotra, manintona, manenjana, mitarika, manao sinto-mahery. Ahitsio
Mandroro: (roro) mt. p.: Mahandro anana toy ny tsaramaso misy rony fotsifotsy. Ahitsio
Mandroroa: (roa) mt. s.: Entimilaza ny maso toy ny mahita roa izay rehetra jereny. Ahitsio
Mandrorona: (rorona) mt. s. (mandrordna):Mietry laharana; mitambotsotra: Olona manam-pahaizana toy ireny ka nandrorona mampalahelo. 1 (lehilahy) Misakaiza amin' ny vehivavy ambany firazanana noho izy. 1 Mihena (hery, sains): Efa mandrorona ny sain'io antidahy io. 1 Mihilana, mirona miankandrefana fa efa ho hariva: Efa mandrorona ny masoandro. Ahitsio
Mandrosarosa: (rosarosa) mt. s. (mandrosarosà): Mandrandram-bolo atao mikirazorazo manodidina ny loha. Ahitsio
Mandroso: (roso) mt. p. (mandrosoa): Manolotra zavatra ho an'olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an'ny vahiny. 1 mt, s.: Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-barauarana eo fotsiny. 1 Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao. 1 Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny. 1 Lasa aloha fa tsy amin'ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika. • Lasa nihoatra nankany amin'ny...; mitsopaka, manao angady be lela: Mandroso iauitra dia tauitra anatin'ny ranomasina ny morontsiraka amin'it9 toerana 1ty. / Mandroso be loatra amin'ny taniko izany asanao izany. / Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso uoninahitra intsony ilay manamboninahitra - F.-p.: Mandroso sakafo: mitondra sakafo eo anoloan' ny olona efa eo amin'ny toerana fihinanana. / Tany mandroso: ilazana nY firme-na efa tsara toe-karena, manam-pahaizana amam-pahalalana raha jerena ny ankapoben'ny mponina ary manana olo-mahay maro. J Tsara mandroso, tsara miuerina: firariana ny dian'ireo handeha lavitra ho lavorary, na eo amin'ny fandrosoana ho any na ny fiverenana hody. * Ohab.: Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may: araka ny lokanady na-tao tao Sahafa, dia nodorana velona izay miamboho ady na mihemotra, ka dia naleo nandroso ho fatin'ny fahava-]o toy izay miverin-ko dora-na, satria maty afa-boninahitra ny dorana velona noho izy kanosa. ) Mandroso, maty raibe; mihemotra, maty renibe: enti-milaza ny loza tsy azo ialana, fa mamely eo aoriana sy eo aloha. Ahitsio
Mandrota: (rota) mt. s.: Mandrovitra, manimba. Ahitsio