Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manefikefika: (hefikefika) mt, p. (manefikefeha): Manozongozona, manetsiketsika. Ahitsio
Manefitra: (efitra) mt. p. (manefera): Manisy efitrefitra: Niheuitra ny hanefitra ny tranony izy fa efa lehibe, ho-no, ny ankizy. Ahitsio
Manefohefo: (hefohefo) p.t.: Malazan'ny harena. Ahitsio
Manefy: (tefy) mt. p. (mana-fa): Miasa vy na metaly hafa ho zavatra: Manefy uifotsy ve ianao, tompoko? • Manamboatra, mamolavola Samy miady mafy hanefy ny lohan'ny tanora ny antokom-politika. Ahitsio
Manehaka: (tehaka) mt. s.: Mitovy amin'ny Mitehaka, fa tsy fampiasa firy, Ahitsio
Manehakehaka: (hehakehaka) p.t.: Mananosarotra izaitsizy raha miaina, raha maka fofon' aina; misanehakehaka. Ahitsio
Manehatra: (sehatra) mt, p. (manehara): Mitsena: Aza maneha-doza Ahitsio
Manehitra: (hehitra) mt. s.: Manaikitra. 1 Marary (enti-milaza nify maharary). / Mivalana mipiriritra. Ahitsio
Maneho: (seho) mt. P. (manehoa): Mamboraka mba ho hi-ta, mampiseho (raha zavatra ara-tsaina na ara-panahy no lazaina): Maneho fahendrena izany fihetsika izany. / Tonga izahay, tompoko, haneho fiaraha-miory aminareo. Ahitsio
Manehoeho: (sehoseho) mt. s.: Maneno mafy ka re lavitra; mirehondrehona: Nanehoeho teny an-dohasaha ny feon' ny anjely ny alin'ny nahaterahan'ny Mpamonjy, 1 h.o.: Mahoraka sy re laza amin'ny harena sy ny voninahitra na ny fahaizana: Manehoeho eran-tany ny lazan'io mpitondra fan/ahana io. Ahitsio
Maneja: (heja) p. t.: Mahatsara bika. Ahitsio
Manejokejo: (kejo) mt. p. (manejokejoa): Mitarika olona amin'ny alalan'ny fanambatambazana, fanangolena: Mahay manejokejo aoka izany iny olona iny. ¶ M.h.: Manangoly, manolikoly, manoilkojy, manejokejo, Ahitsio
Manela: (ela) mt. p.: Mahatonga ho tratra aoriana, mitans: Aza manela ny mpandeha amin'ny ueloma lava loatra 1 Manalava: Manela raharaha izany. 1 Mampihemo-dava, manemotra: Maneta ny adinay foana io mpitsara io. Ahitsio
Manelaka: na Manaselaka (eiaka) mt. p. (manelaketaha): Manendaka isan'elakelany, manasilaka. Ahitsio
Manelanelana: (elanelana) mt, p. (manelanelàna): Mitoetra, mijoro eo ampovoany: Trano iray ihany no manelanelana ny tranonay. 1 Mijoro eo afovoan'ny roa tonta ka afaka hitsara ny adiny satria tsy miray amin'itsy na iroa: Nanelanelana azy ireo aho tamin'ny ady nataony. Ahitsio
Manelatra: (helatra) mt, s.: Mandefa tselatra; mamirapiratra. ¶ M.h.: Manelatrelatra, manjelanjelatra, mangirangirana, mamirapiratra, mitselatra, mahajemby, mahajambena, manjelatra, mihalontralona, manjopelaka, manjopiaka, mamono maso, tomaratra, tomaratara, mangoratsaka, mipendrampendrana, mitarataratra, mangiaka. Ahitsio
Manelatselaka: (selatselaka) mt. s.: Manendaka na manala isana helakelaka. Ahitsio
Manelika: (helika) mt. p.: Manainga avy eo ambany hall-ka. Ahitsio
Manelingelina: (helingelina) mt. p. (manelingelena): Mahasosotra, manorisory amin'ny fivezivezena manerantserana ny tena, misalovandovana: Manelingelina ahy ireo zaza ireo. 1 Mampihahakaha-kevitra; mahatonga ny sains tsy hitombina: Manelingelina ahy izany feon-dakolosy izany. Ahitsio
Manelisely: Manaselisely, Maneloselo (selisely) mt. P. (manelisele, manaselisele, maneloseloa): Mampandalo na mametraka zavatra eo anoloan'olona mba hanelingelenana azy. Ahitsio