Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manelo: (elo) mt. p. (maneloa): Manaloka amin'ny elo (ankehitriny, ny hoe "mampielo" no fampiasa kokoa noho ny "manelo"): Ianao no aoka hanelo azy fa feno zauatra ny tanako. Ahitsio
Manelohelo: (helohelo) mt. p.: Manaloka amin'ny fiserantseranana avy eo ambony 10-ha. Ahitsio
Manelonelo: (helohelo) mt. s.: Mila harary andoha: Manelonelo aho izany. Ahitsio
Manelontselona: (selontselona) mt. p. (manelontselôna): Mampandalo zavatra eo anoloan'olona, manerasera; manetsiketsika zavatra eo ambony afo. Ahitsio
Manely: (ely) mt. p. (maneleza): Manaparitaka amin'ny toerana iray: Antsoy i Koto hanely ny vary amin'ny tsihy. 1 Manao izay hahalalan' ny olona, manaparitaka: Manely tsaho. ¶ M.h.: Mampiely. - F.-p.: Manely tsaho: mampiely honohono tsy voamarina. * Ohab.: Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra: enti-milaza olona faly mandanilany foana ny noharin' ny sasany. Ahitsio
Manembahemba: (hembahemba) mt. p. (manembahembà): Manetsiketsika hikopaka, manempahempa, manofahofa. Ahitsio
Manembana: (sembana) mt. p.: Manakana, manampontsampona. Ahitsio
Manembantsembana: (sambana) mt, p. (manembantsembàna): Manakantsakana, manampontsampona. Ahitsio
Manemboka: (emboka) mt. p. (manemboha): ManisY emboka: Manemboka ny otely. Ahitsio
Manembona: (embona) mt. p.: Mahatsiaro ka malahelo, manina: Manembona ny any aminay aho izany! ¶ M. h: Manina, mandrembona, mahatsiahy, mahatsiaro, mahatsiaro ny lavitra, la-sa ambiroa, lasa vinany, lasa eritreritra, lasarn-borona, mangorotsoka, manimanina, vitsika momba kitay. Ahitsio
Manemitra: (temitra) mt. p. (manemera): Manisy temitra. ? Mamefy: Olona tsy latsaka ny dimampolo no nanemitra ny arabe.. - F.-p.: Manemitra ivelany: mandany vola amin'olona any ivelan'ny tokantrano na ny ankohonana. j Manemitra mpangalatra: manao fefy manodidina mpangalatra iray mba tsy hahafahany mandositra. / Manemitra ny arabe: manao temitry ny arabe, izany hoe mirentirenty eny amin'ny sisin'ny arabe. Ahitsio
Manemo: (hemo) mt. s.: Mitakemotra, mivadika amin'ny teny natao, mivoantailahy. Ahitsio
Manemotra: (hemotra) mt. p. (manemora): Manalavitra ny andro: Misaotra azy ihanY fa nanemotra ny fandoavako vola izy. ? Manafohy: Iza indray no nanemotra ity akanjonao, Ramasaka? • Mitana tsy hivoaka: Manemo-dronono, hono, ny ombivauin-dry zareo ato avaratra. Ahitsio
Manempaka: (empaka) mt. p. (manempaha): Manenda-koditra, manovaka: Ny angady no nanempaka ny tanako. Ahitsio
Manempo: (empo) mt. p. (manempoa): Manao izay hampitsonika: Manempoa sauoka handiooantsika ngorodona Ahitsio
Manempotra: (sempotra) mt. p. (manempora): Mahatonga ho tsy avy miaina noho ny tsy fisian'ny rivotra, na ny hafanana, na ny fibosesiky ny rivotra be loatra: Vonoy izao afon-kitay lena izao fa manempotra. ? Mandentika ao anaty fahasahiranana: Mbola manempotra mafy ny fanjakana izao ny fampijoroana ny fokonolona. Ahitsio
Manenahena: (henahena) mt. p. (manenahenà): Mitana, mandà tsy hanome. Ahitsio
Manenakena: (kenakena): Mitovy amin'ny Mikenakena. Ahitsio
Manenatena: (tenatena) mt. p.: Mamely zavatra na olona na mandray na manapaka eo afovoa, eo antenatena. ' Manenda, Manakenda (kenda) mt p. (manendà, manakendà): Manery biby na olona amin'ny vozony: Nisy nanenda, nanakenda ny akoholahin-janako. Ahitsio
Manendaka: (endaka) mt p. (manendaha): Manala ny hoditra, na ny sarona, na ny fono, izay rehetra mipetaka na miréikitra: Tsy menatra akory izy nanenda-damba an'io zaza kamboty io mba hanafiany ny zanany. Ahitsio