Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Maeva: (fit.-p.) p.t.: Tsara tarehy. Ahitsio
Mafafa: (fafa) p. t: Lany, tsy misy na inona na inona mijanona fa nisy naka, nangalatra na nihinana: Nataon' ny mpangalatra nafafa ny zavatra rehetra tao an-tranony. ¶ M.h.: Madio, majifa. Ahitsio
Mafaika: (faika) p.t: Misy fat-ka tsy azo atelina mijanona ao mn-bava: Tsy tiako io voankazo io fa mafaika. - F.-p.: Faikan'olona: anisan'ny fanambanim-bahoaka. ¶ M.h.: Tsaikan'olona, fakon'olona. Ahitsio
Mafaikoditra: a.: Anaran-kazo tons mangidy tokoa. Ahitsio
Mafaikopaka: a.: Jer. Antalihazo. Ahitsio
Mafaitra: (faitra) p.t: Mangidy, mangeroka. ¶ M. h. :Mangidy. - F.-p.: Rora mafaitra: llaY rora mangidingidy ao am-bava amin'ny maraina vao mifoba raha mbola tsy nihontsam-bava./Anamafaitra: ka-raz an 'anana. / Mafaimamy: karazana vahy. Ahitsio
Mafampàna: (fana) p.t.: Somary mafana kely: Mbola misy tazo kely ihany izy fa mbola mafampana Ahitsio
Mafana: (fana) p. t : Tsy mangatsiaka, tsaroana fa sornary mahamay: Efa mafana ny rano. • Mahatonga ny tena hahatsiaro hafanana, madisadisa ohatra ny tenehina: Mafana izany andro izany. • Mita-na hafanana, manome hafanana: Akanjo mafana • h.o. - a) Sady betsaka no mihetsiketsika fatratra: Mafana ny osa at? avaratra at}, izany! ¶ M. h.: Mafotaka, mangotraka. - b) Enti-milaza olona mampiseho fahazotoana, fahavitribitrihana amin'ny asa ataony (matetika anefa ny hoe ma-fana fo no ampiasaina amin' it? hevitra farany itp): Mafana Rangahy iny rehefa miasa. / Mafana fo ianareo ka vita haingana ny asa. - t.i.f.: Mafana, hafanana 1 mafanafana, mafampana. ? F.-p•: Mafana fo: mavitrika sy be herimpo rehefa miasa, manao zavatra. / Mafana tanana: mahavoa raha mamely. / Mafana vay: sady manao amin-kerimpo no mahomby. ¶ Teny iray tarika: Mafana, marimaritra, mangorovitsika, afa-dranompanala, mahalala tondra, matimaty, mahamay, mandevy, mavaivay, mangotraka, mandoro, mivadibadika, mampitsovaka, mahavotsotra. ¶ M,h,: (andro) migaingaina, midaindaina, manevoka. Ahitsio
Mafanafana: (fana) p.t: Mampanahinahy fa misy korontana, tsy mandrimandry: Mafa nafana ny tany izao. Ahitsio
Mafaraka: (faraka) p.t: Mana-na tsiro ratsy mampangagaka ny tenda. i t.if.: Hafaraka. Ahitsio
Màfatra: p. t. sady p.mt.: Mafy. Mafave a : Anaran-javamaniry. Ahitsio
Mafay: (Ski) a.: Karazan-kazo fanao lakana, Ahitsio
Mafeja: na Mafejafeja p.t: Tomady; mafonjafonja, mavitrlbitrika, Ahitsio
Mafiaka: (fiaka) p. t.: Tsy misy tsirony, tsy misy ranondranony, be faikampaikany:Saika may it? hena ital. ka nanjary nafiaka Ahitsio
Mafikely: a,: Anaram-boninkazo. Ahitsio
Mafikitra: (fikitra) p.t: Mitana mafy ny heviny, mikiribibY, mitompo teny fantatra. Ahitsio
Mafilotra: p. t: Matsiro fatratra (enti-milaza sakafo mendimendy tsara): Nafilotra ny laoka androany fa nataon'i neny ketsaketsa ary nasiany tongolo sy uoatabiha Ahitsio
Mafina: Hamafina, Hamafisina (mafy) mt ih. (mafiso, hamafio, hamafiso): Atao mafimafy kokoa, izany hoe afaka hahatohitra tsaratsara kokoa izay herin-javatra mety hihatra aminy na hanan-kery kokoa: Mafiso, hamafiso ny fefiloha. / Nohamafisina ny fihauanana. Ahitsio
Mafintina: (fintina) p.t.: Matombina, fonetana, matanjaka. Ahitsio
Mafiraina: p.t.: Mahantra, miferinaina, fadiranovana, mahantra misamboritra. Ahitsio