Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Malandy: Malandilandy p.t.: Malambolambo sy malemilemy toy ny lamba vilory. / Enti-milaza ny omby fotsy tokam-bolo. h Ahitsio
Malanga: (langa) p. t.: Jejo, jefrotra (mitovy amin'ny langa). Ahitsio
Malaso: (fit.-p.): a: Anarana iantsoan'ny any atsimo ny dahalo. Ahitsio
Malaza: (laza) p.t.: Fantatr' ol o-na betsaka hatraiza hatraiza: Olo-malaza eto amin'ny faritanyingahyRabehevitra (Fiteny amin'ny tsara na amin' ny ratsy ny hoe "malaza", saingy raha tenenina momba ny ratsy izy, dia ampianany p.t. hoe ratsy: Malaxa ratsy itq toerana eto Manakambahiny it?). - F.-p.: Malaza raviny: tsy a• rakaraka ny anarany ny laza• ny. * Ohab.: Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona: (mitavy amin'ny "malaza ravina"). ¶ M.h.: Be voninahitra, manan-daza, manehoeho, mandeha laza, manetriketrika, iray toa zato, tsy leo laza. Ahitsio
Malazo: (lazo) p.t.: Mains, matroka, tsy manana ny fihiratany intsony: Nalazo ilay voninkazo fa tsy nasianao rano ny vazy. - F.-p.: Malazo molotra: enti-milaza olona voan'ny hakiviana noho ny fahadisoampanantenana. Ahitsio
Malefaka: (lefaka) p.t: Mora alefitra, mora milefitra: Malefaka ery ny tanan-jazakely. • Malemilemy: Feo malefaka • Malemy paika: Malefaka tsy mba miriadriatra Rangahy iny. Tsy misy heriny firy: Zavapisotro malefaka Ahitsio
Malefolefo: (lefolefo) p.t: Milejolejo toy ny tapaka, na tsy hahazaka: Malefolefo ny bararata Ahitsio
Malemilahy: a: Anaran-kazo, izay atao koahoe Maroavolona. Ahitsio
Malemiloha: a: Trondron-dranomamy vao nampidirina teto, mitovitovy amin'ny tilapia; matsiro fatratra ny nofony. Ahitsio
Malemy: (lemy) p.t: Malefaka, malambolambo: Malemy ny hoditry n9 zaza ? Mora aforitra, tsy henjana, mora tapaka: Vola malemy. / Malemy ity rantsan-kazo ity. 1 Mora tsakoina, boda, bodaka, mihonankonana: Tsara masaka ny hena ka malemy. / Savoka malemy. ? Kely ai-na, tsy matanjaka, mihozohozo, mangozohozo: Mbelà fa malemy loatra tonca ka tsy hahavita io asa io. • Tsy afa-manohitra fa manaraka ambokony, morainy loatra, rainazy:Malemy loatra aminjanany io Ramatoa io. • F.-p.: Malemy an-dranombary: ent-milaza lehibe morainy na rainazy loatra eo amin'ny fitondrana. / Malemy fanahy: olona morabe, tsy masiaka,mampiseho fi tiavana./Malemy maozatra: Miseho ho malefaka nefamadity, atao koa hoe malemy tsy azo. / Malemy paika: olona maka mora, malefa-pihetsika. J Fanaka malemy: entimilaza ny vehivavy. ¶ M.h: Bada (bodaka), modaka, motraka, lotaka, mondaka (nondaka), bore taka, mihonankonana. Male m y. malemilemy, mavozo (mavozovozo ), marary ovana, tsy matanjaka, garera, tsy mahazo nofo, malezolezo, marafoka, tsingozahoza, marezoka, marazoka, mangoz oh ozo, konetaka, vavivavy, kely ai-na, kely ambaitra, somararetra. Ahitsio
Malezolezo: (lezolezo) p.t.: Sady lava no manify. Ahitsio
Malia: (lia) p.t.: Mora tapaka na vaky: Volotara malia. ¶ Ahitsio
Malia: Marefo, makiana. ? F.-p.: Malia voua: haingampamaly, maila-bava. Malikiliky (likiliky) p.t: Sosotra, sorisorena, tofoka, bobo-ka. Ahitsio
Malila: (iilo) p.t.: Dombo; leo, boboka, tsy tia intsony. Malina (lino) p. t: Mitsinjo ny ho avy ka misoroka ny loza na fahavoazana mety hihatra: Lehilahy malina Rakoto ka mitondra elo izy isaky ny ny mivoaka raha fahavaratra 1 Mitandrina fatratra: Aokaho malina amin'ny teny sy ny ataonao ianao. i t.if.: Malimalina / hamalina, fahamalina / hamalinana, fahamalinana, * Ohab.: Ramalina aza mifehy hazo tokana: hazo tokana tsy fifehy, fa mitsinjo ny ho avy Ramalina ka feheziny ilay hazo anankiray satria mbola mety hahita hazo hafa indray koa izy. Ahitsio
malina:Mitsinjo ny ho avy ka misoroka ny loza na fahavoazana mety hihatra: Lehilahy malina Rakoto ka mitondra elo izy isaky ny ny mivoaka raha fahavaratra Mitandrina fatratra: Aoka ho malina amin' ny teny sy ny ataonao ianao. Ahitsio
Malo: p. t: Saro-tahotra na saro-kenatra, voatanan'ny henamaso na ny tahotra. - t.i.f: Mimalo, fimalo, mpimalo / imaloana, fimaloana / mampimalo / malomalo / hamalo. Ahitsio
Maloiloy: (loiloy) p.t: Ta handoa, maivivy, misalebolebo. 1 h.o.: Tsy tia: Maloiloimpihavanana Maivivy. Ahitsio
Maloka: (aloka) p.t.: Misy aloka, tsy azon'ny hainandro: Eto mipetraka fa eto no maloka. 1 Manjombona, be rahona: Maloka ny andro. Ahitsio
Malonilony: (lonilony) p. t.: Ma-nana endrika tsy faly ka miketrona be ihany ny tarehy, halavaina ny molotra, toa masiaka ny fijery. Ahitsio
Malony: Jar. Lony. Ahitsio