Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mokonazy: a.: Voan'ny hazo atao hoe lamoty, maniry any amorontsiraka andrefana, izay ohatra ny voam-boandelaka ny habeny, amidy betsaka fa maro mpitia aty afovoan-tany amin'ny fotoana fahavokarany (avrily-mey). Ahitsio
Mokondoha: a.: Faritra mivohitra any ivoho amin'ny Io-ha. Ahitsio
Mokondry: a.: Totohondry kely. Ahitsio
Mokotra: a.: Sahala amin'ny Mokitra. ; mifantoka tsara amin'ny Zavatra atao ka tsy vorebirebin- javatra aby ivelany ( kotaba, fisian'ny olona ro akainy) ohatra: mokotra revon'ny asa Ilay mpisokitra. Ahitsio
Moky: a.: Tsato-kazo alevina mafy any anaty tany hamatorana ny omby maditra. Ahitsio
Môla: (fit.-p.) p.t.: Adala. Ahitsio
Molahidy: a.: Anaran-daharantsikidy anankiray. Ahitsio
Molalena: (molaly) p.t.: Maintin'ny molaly: Efa molalena er? izany ualindrihana izany, Ahitsio
Molaly: a.: Zavatra maintimainty mikiramborambo eny amin'ny valindrihana sy ny rindrin'ny trano anaovana a-fo izay avy amin'ny setroka mitangorona eny mandavantaona. - t.i.f.: Molalena. - F.-p.: Maintimolaly: tranainy. / Mangidy molaly: be sira, mangidy sira. / Manintsa-molaly: enti-milaza ny fitadiavan-javatra eran'ny trano. l Raiki-molaly: tonga misy molaly. / Trosa main timolaly: trosa nalain'ny iray amin'ny mpivady talohan'ny fanambadiana ka tsy ananan' ny ankilany andraikitra. Ahitsio
Molangena: p.t.: Noana, lampàna, mosarena, reraka. Ahitsio
Mole: na Ramole (fr. mulet) a.: Biby tahaka ny soavaly nefs manana ny bikabikan' ny ampondra (ny mole na Ramole dia zanaky ny ampondralahy sy ny soavalivavy ). Ahitsio
Molemba: a.: Lamba menamena lava nentina teo anoloan' ny mpanjaka ho famantarana ny fandalovany. Ahitsio
Molily: (Btl) p.t.: Enti-milaza ny tandrok'omby solilahina mba hitsirian'ny ilany kokoa. Ahitsio
Mololo: a.: Tahom-bary avy nojinjaina sy novelesina: Sady atao hanin'omby no lafika atoriany ny mololo. - F.-p.: Afo-mololo; miroborobo toa afo-mololo: ma-fana fo mirehidrehitra vetivety fa rehefa avy eo latsaka indray ao anatin'ny fangatsiahana. Ahitsio
Molotra: a.: Ireo nofo matevina ambony sy ambany amin' ny vava mandrakotra ny nify: Aza manao toy ny molotra; tezitra vao mifanatona. (ohab.) ? h.i.: Sisina: molobilany. - t.i.f.: Mimolotra, fimolotra. - F.-p.: Mampitovy molotra: mampandroso ny molotra roa toy ny olona midongy. Ahitsio
Momba: (omba) mt. s. (mombà): Manaraka, mihazo: Nomba ir? lohasaha ambany atsimo ir? izy. ? Miaraka, mandeha miaraka, manotrona: Int? ny lambamena homba ny maty. / Nisy lehilahy telo nomba azy. 1 Miandany, manampy: Moa momba ny tarik'i Rainisongomby ue ianao? ? Mikasika: Miresaka momba ny fanampiana ireo tra-boina ny fokonolona. Ahitsio
Momba: ppk.: Ny amin'ny, mikasika ny...: Niresaka momba ny fitsapana hevibahoaka izahay. Ahitsio
Momba: p.t.: Tsy miteraka: Taloha nalain'ny fanjakana ny fananan'ny olona momba (ny biby raha tsy miteraka, tsy mba atao hoe momba fa bada). Ahitsio
Mompera: (fr. mon père) a.: Anarana fiantsoana ny pretra, ray am-panahy, mpitondra fivavahana amin'ny Eglizy katolika, raha miteny aminy na miteny azy: Eny, Mompera. /Tonga teto Mompera anikeheo. Ahitsio
Mona: na Monamona p.t.: Dongadonga sady botrabotra; entina milaza indrindra ireo zaza sy biby mbola kely ka matavy sy dongadonga. i t.i.f.: Monamonany 1 monany. Ahitsio