Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manakezaka: (kezaka) mt p.: Mampanify: Manao izay hanakezaka ny tenany mafy izy fa tsy tiany, hono, ny matavy. Ahitsio
Manakiaka: (kiaka) mt.p. (manakiaha): Mandrangotra, manenda-koditra. ~ Manoritra kely amin-javatra. Ahitsio
Manakiana: (kiana) mt.p.: Ma-nome tsiny: Tsy ilaozan'olona hanakiana ny zavatra ataonao fa aza kiuy. Ahitsio
Manakibo: (kibo) mt.p. kiboa): Manitikitika Ahitsio
Manakifika: (kifika) mt.p. (manakifiha): Manilika, manifika. Ahitsio
Manakiho: (kiho) mt. p.: Mandona amin'ny kiho, marnely amin'ny kiho. Ahitsio
Manakiky: (kiky) mt.p. (manakikisa): Mihinana, mikepoka ny fananan'ny sasany. Ahitsio
Manakila: (kilo) mt.p.: Mandoro, mitono. Ahitsio
Manakimpy: (kimpy) mt.p. (manakimpia): Manakombona ny hodimaso ka manjary tsy mahita ny maso: Manakimpy ny masony havia izy. Ahitsio
Manakipaka: (kipaka) mt.p. (manakipaha): Manala, manesotra, manendaka: Handalotra angaha ry zareo atsy avaratra fa nanakipaka ny tsihy tao aminy vao maraina. 1 h.o.: Manary: Tsy tsara ny manakipaka ny havana mahantra Ahitsio
Manakipika: (kipika) mt.p. (manakipiha): Manesotrazavatra hiala ka ailika; manala min' ny fan akifrhana; manipy. Ahitsio
Manakipily: (kipily) mt.p. (manakipiliza): Mitoraka zavatra, manipy zavatra any ivelany. Ahitsio
Manakira: (kira) mt.p. (manakirà): Maka na manala kiranjavatra. Ahitsio
Manakiramborambo: (kiramborambo) mt.p. (manakiramboramboa): Mamela hikirazorazo. Ahitsio
Manakiraro: (kiraro) mt.p. (manakiraroa): Manisy kiraro tongotr'olona iras. Ahitsio
Manakiraviravy: (kiraviravy) mt p. (manakiraviraveza): Mampihantona zavatra ka mampirazorazo azy tsy hitehika amin'ny tany. Ahitsio
Manakirazorazo: (kirazorazo) mt p. (manakirazorazoa): Manantona mihevaheva tsy mitehi-tany. Ahitsio
Manakiririoka: (kiririoka) nit p. (manakiririoha): Mikiakiaka eo an-tsofin'ny sasany, mitsoka tsotsoka. Ahitsio
Manakisaka: (kisaka) mt.p. (manakisaha): Mamindra toerana ka tsy bataina fa atosika akorisa; manosika ho eo an-tsisintsisiny, mampihataka. Ahitsio
Manakisolosolo: (kisolosolo) nit p. (manakisolosoloa): Manao izay hahavo ila ny tany iray, hampisolampilampy azy. Ahitsio