Litera O

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ompaka: a.: Mitovy amin'ny Empaka. Ahitsio
Ompana: (ompa) mt. ih. (ompay, ompao):Ozonina:Nompany tsy habita variraiventy aho. ? Ozonina hifamotitra amin'ny havana akaiky: Nompany amin'ny anadahiny izy. 1 Asiana teny ratsy, alikalikaina, tsizarizaraina: Nompany aho dia lasa izy, tsy lefitro izany fanalikalikana ahy izany. - F.-p.: Ompan-ko faty vao ela uelona: enti-milaza fa tsy mahafaty akory izay ompa fa arakaraka ny anompana ny sasany aza no maha-ela velona azy. 0mpana a.: Fandraiketana mafy; fanerena hiankina aminjavatra. - t.i.f.: Aompana, voaompana, tafaompana / manompana, fanompana, mpanompana / anompanana, fanompanana / miompana, fiompana, mpiompana 1 iompanana, fiompanana 1 mahaompanalompanompana. Ahitsio
Ompiana: (ompy) mt. ih. (ompio): Velomina sy ahina, karakaraina: Omby telo ary gisa folo no ompiany any antsaha. Ahitsio
Ompikely: a.: Ny mpanompo zanaky ny andevon-drazana izay noheverina ho ohatra ny ankizy tao an-trano. Ahitsio
Ompo: (Ski) a.: Hazandrano karazan'ny torovoka. Ahitsio
Ompy: a.: Fikarakarana sy famelomana ny biby ananana. 1 Ny biby amam-borona karakaraina. i Li. f.: Ompiana, voaompy 1 miompy, fiompy, mpiompy / iompiana, fiompiana / mahompy 1 ompiompy. Ahitsio
Ona: a.: (fanafohezana ny hoe olona) Teny araka ny fitenin'ny mponina hatreo antanàna Fianarantsoa mianavaratra ka hatrany Voamba. Ahitsio
Ondambody: (Atm) a,: Ondana atao hipetrahan'ny olona nasaina. - t.i.f.: Ondanana, aondana, voaondana, tafaondana / manondana, fanondana, mpanondana 1 anondanana, fanondanana / miondana, fiondana, mpiondana 1 iondanana, fiondanana 1 mahaondana / ondanondana. - F.-p.: Ondam-bita: fanarabian'ny olona ny be mangy. / Ondam-body: ondan-tseza fipetrahana. I On dam -poana: fonon'ondana tsy misy sesika. / Ondan-dava: ondana boribory lavalava ampanarahina ny sakan'ny farafara. / Ondan'ny maty: ny ondana nialan'ny maty aina izay ariana sy dorana amin'ny harivan'ny andro andevenana. / Foron'ondana: ny sesika amin'ny ondan'ny maty. Ahitsio
Ondanana: (ondana) mt. ih. (ondany): Asiana na omena ondana: Ondany io zaza io fa mikohaka. Ahitsio
Ondevo: a.: Jer. Andevo, i t.i.f.: Miandevo. Ahitsio
Ondrana: a.: Fandehanana na fampandehanana miampita amin'ny lakana na sambo; fandefana entana na zavatra ho eny am-pita. - t.i.f.: Aondrana, voaondrana, tafaondrana 1 manondrana, fanondrana, mpanondrana 1 anondxanana, fanondranana 1 miondrana, fiondrana, mpiondrana I iondxanana , fiondranana 1 mahaondrana 1 ondranondrana. Ahitsio
Ondrana: a.: Fahadonendrina, toetran'ny olona donendrina, taraiky. - t.i.f.: Manondxana, fanondrana, mpanondrana 1 anondranana, fanondranana / ondranondranana 1 ondranondrana. - F.-p.: Mivadika ondrana: tonga amin'ny hadalana. I Manala ondrana: manala ny loza vokatry ny fandikampady mety hanjo ny olona mivady mpihavana akaiky. Ahitsio
Ondranondranana: p.t.: Tsy ampiampy saina, misy kely, adaladala misy fihetsehany: Ranona ve? izay angaha ianao vao nahafaatatra fa ondranondranana izy iny? Ahitsio
Ondrika: a.: Fileferan'ny loha, fijerena ambany, fijokoana. i t.i.f.: Aondrika, voaondrika, tafaondrika 1 manondrika, fanondrika, mpanondrika / anondrehana, fanondrehana 1 miondrika, fiondrika, mpiondrika 1 iondrehana, fiondrehana / mahaondrika 1 ondrikondrika. Ahitsio
Ondrindrano: a.: Anarana orne-na ny angidina eo amin'ny fiofoany faharoa rehefa avy miala amin'ny maha-tsindretra azy, izay fiofoany voalohany raha vao mivoaka ny atody. Ahitsio
Ondrinondrina: p.t.: Mitovy amin'ny Tonendrina. Ahitsio
Ondrovo: (Ski) a.: Tandrimo. Ahitsio
Ondry: a.: Biby fiompy fianakaviam-ben'ny biby mpandinika, rakotra volo matevina ny tenany, izay fantatra amin'ny anarany hoe "volonondry". Ny feon'ny ondry rehefa maneno dia atao hoe mibarareoka. - F.-p.: Ondry mamalika: karaz an' ondry mivadi-tandroka. / Ondrikely kamboty, ondrikely malahelo: ondrikely sady kamboty no mahia novonoina raha nanao fianianana: nozonina sy notsitsihina teo ilay ondrikely ary nangatahina tamin'Andriamanitra mba hianjera amin'izay mivadika amin'ny fianianana ireo ozona ireo. * Ohab.: Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana: aoka tsy hatao tsinontsinona ny olona na zavatra heverina ho kely na madinika, fa mety ho ireny no hahitan-tsoa. J Misorona ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina: enti-milaza fa zava-dratsy, fihomboan'aretjna no mety ho azo raha tsy mahay mivavaka, raha zavatra ratsy no atao sorona. Ahitsio
Onena: p.t.: Mangoraka, malahelo, miombona alahelo amin'ny olona ory na mijaly: Onena an'io mahantra io a-ho hany ka manome vola kely azy isaky ny mandalo eo aminy. / Hetsehim-po: Onena daholo ny olona nandre ny lahateniny. - t.i.f.: Aonena / mahonena Ifahonena. ¶ M.h.: Antra, malahelo, ngoaina, hontsa, toro aty, mangotika aty, manotika ny kibo, mangoraka, mangorapo, mitsetra, mitse-po, mifaditrovana, mamelovelo fo. — Mahonena, mampalahelo, mampangoraka, mahongena, mafiraina, mahory, mahahontsa, mampitsetra, mampangoraka aty, mahavaky fo, mampamelovelo ny fo, mampiondri-panahY. Ahitsio
Onerana: (onitra) mt. ih. (one-ro): Averina, soloana zavatra mitovy amin'ny an'olona nangalarina, na nosfmbana, na nariana: Tsy maintsy ho-' neranao ny bokiko narianao, 1 Soloana vola: Honerako ny ketsanao lanin'ny ondriko. 1 Efaina, soloana: Betsaka ny mpampiasa no tsy mety raha tsy honerana ny andro tsy niasana. / Avotana, averina amin'ny toetrany teo aloha: Tsy maintsy honeranao ny voninahitro nohitsakitsahinao. Ahitsio