Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Pisto: (fr. piston) a.: Zavamaneno. Ahitsio
Piteke: (Ski) a.: Fintsa. Ahitsio
Pitihina: (pitika) mt. ih. (pitiho): Enti-milaza olona na zavatra izay voan'ny rano mifantsitsitra: Pitihin'ny ranr eo ianao fa mihataha. Ahitsio
Pitika: na Pitsika a.: Zavatra miendaka na miala amin'ny ,zavatra iray: Piti-bomba. 1 Fialana tampoka ary toa mitsambikina. - t.i.f.: Pitihina, pitsihina; apitika, apitsika; voapitika, voapitsika; pinitika; tafapitika, tafapitsika ( manapitika, manapitsika, fanapitika, fanapitsika, mpanapitika, mpanapitsika / anapitihana, fanapitihana, anapitsihana, fanapitsihana ) mipitika, mipitsika, fipitika, fipitsika, mpipitika, mpipitsika i ipitihana, fipitihana, ipitsihana, fipitsihana / mahapitika, mahapitsika ) pitipitika ) manapitika, manapitsika J mamitipitika / mipitipitika. Pitika (anarana): fintsa, akondro nohamainina (fiteny fampiasa amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara) Ahitsio
Pitikilangy: a.: Zavamaneno mitovitovy amin'ny Jejilava sy ny Amponga tany; toy izao no fanaovana azy: mandavaka sahabo ho roan-jehy, tokony ho antonona ny totohondry ny vava lavaka, fa lehibe kosa ny ao anatiny dia asiana rakotra tain'omby maina na hodi-kazo maina ny lavaka; misy tsato-kazo tokony ho antsasa-metatra eo anilany, ary amin'ny tahon-kazo iny no misy ny tadiny izay miditra eo afovoan'ny rakotra ka ny tongotra no manindry ilay sarondavaka; pehina amin'ny tsora-kazo kely iny tadiny iny rehefa mihenjana ary mahavita feo avo na iva araka ny fanenjanana ilay tady izay afolaky ny tanana havia. Ahitsio
Pitipoa: (fr. petit-pois) a.: Karazan-tsaramaso fa boribory sy madinika. Ahitsio
Pitra: t. p. (t.t.m.): Eisy! isy! Ahitsio
Pitrapitra: a.: Fijery mangaihay na malahelohelo. - t.i.f.: Apitrapitra, tafapitrapitra / mipitrapitra, fipftrapitra, mpipitrapitra i ipftrapitrana, fipitrapitrana / mahapitrapitra. Ahitsio
Pitripitrihina: (pitripitrika) mt. ih. (pitripitriho): Endasina. Ahitsio
Pitripitrika: a.: Feo heno amin' ny menaka rotsahana zavatra endasina. - t.i.f.: Pitripitrihina, apitripitrika, tafapitripitrika / manapitripitrika, fanapitripitrika, mpanapitripitrika / anapitripitrihana, fanapitripitrihana / mipitripitrika, fipitripitrika, mpipitripitrika / ipitripitrihana, fipitripitrihana i mahapitripitrika. Ahitsio
Pitsiny: (angl. pitch) a.: Ny haavo na ny haivam-peo amin' ny taira. Ahitsio
Pitsiny: a.: Sasiny na filatro amin'ny fitendrena zavamaneno; fihetsika na fiangolangolana alohan'ny hamakiana teny na hiventesana hira: Hira ve ity ka ilana pitsiny? b: pitsipitsiny: n'y antsipirihan'ny Zavatra iray. mifanohitra amin'ny ANKAPOBENY Ahitsio
Pitsofaoro: (angl. pitchfork or tuning fork) a.: Fitaovana atao fakana feo rehefa mihira. Ahitsio
Pitsohina: (pitsoka) mt. ih. (pitsohy): (taolana) Esorina amin'ny toerany, • (varavarana) Vohana an-terisetra tsy misy fanalahidy: Pitsohy ity varavarana ity fa very ny fanalahidy. Ahitsio
Pitsoka: a.: Fifandisoan-taolana. 1 Folaka: Pitsoka ny tongony havia. i Fahasimbana fanalahidy. - t.i.f.: Pitsohina, apitsoka, voapitsoka / manapitsoka, fanapitsoka, mpanapitsoka / anapitsohana, fanapitsohana / mipitsoka, fipitsoka, mpipitsoka / ipitsohana, fipitsohana / pitsopitsoka / mipitsopitsoka. Ahitsio
Pizina: (py) mt. ih. (pizo): A-naovana baiko amin'ny maso: Nopiziko maso izy vao nangina fa saika mbola hiteniteny be tao. - F.-p.:Tsy nopizin-tory:tsy nahita tory. * Ohab.: Axa pizina ny teny fa manana elatra, ka raha pizina manidina: enti-milaza ny tsy tokony hanaitairana ny teny ataon'ny olona, fa raha taitra eo, dia very ny fitohizan'ny teny. Ahitsio
Plaky: (fr. plaque) a.: Takelaby misy filazana. • Takelapitaratra rakotra zavatra na-tao ho mora handray hazavana, fampiasa amin'ny fakan-tsary fotografia. Ahitsio
Planety: (fr. planète) a.: Ireo vongana goavana — anisan' izany ny tany — entin'ny herin'ny masoandro manodidina azy ary mandray hazavana avy aminy: Misy sivy ny planety fantatra hatramin' izao. Ahitsio
Planina: (fr. Plan) a.: Tetika efa maty paika entina manatanteraka soritr'asa iray na ma-ro mandritra ny fotoana voafetra mialoha; teti-pivoarana. Ahitsio
Plastika: (fr. plastique) a.: Zavatra amboarina amin'ny fomba simika, izay manify sy tantera-pahazavana nefa mafy, anaovana harona na fitoeran-javatra na karazandamba koa aza. Ahitsio