Plevra | : | (fr. plèvre) a.: Fonon' ny havokavoka, izay roa sosona ka ny sosona anatiny miraikitra amin'ny havokavoka ary ny ivelany amin'ny haran-tratra; eo anelanelan' izy roa, misy rano izay manarona ny hetsiky ny fiaina.
Ahitsio |
Pne | : | (fr. pneu) a.: Fingotra mafy vita boribory misy fingotra manify mibontsin-drivotra ao anatiny, fanaovana kodiaran'ny fiarakodia sy ny fiaramanidina.
Ahitsio |
Pnemonia | : | na Amonia, Tevika (fr. pneumonie) a.: Aretina avy amin'ny mikraoby manokana mpamely ny havokavoka: tampoka ny fiaviany, mangatsiaka mafy ny tena ary tsaroana misy maharary mafy ao amin'ny tratra toy ny misy manevitevika; sarotra ny fiainana; misy kohaka fohy ary ny rehoka mivolona harafesina.
Ahitsio |
Po-doha | : | Jer. Poka.
Ahitsio |
Po-tany | : | (poka tany) ft,: Zavamahazo ny tany ama-monina; areti-mifindra.
Ahitsio |
Poa | : | a.: Teny enti-milaza nyfeo heno rehefa mandrehoka.
Ahitsio |
Poa | : | na Poapoa t. p.: Teny voateny raha misy zavatra ratsy maharikoriko, zava-tsy tiana na mahasosotra: Poa! ataoko inona akory iny! 1 Teny voateny raha maharay zava-maloto ny zaza, ka asafna-ariany io voarainy io: Poa! maloto iny fa ario!
Ahitsio |
Poahana | : | (poaka) mt. ih. na pdr. (poahy): Tifirina: Nopoahany basy ny alikany ka maty. 1 Torahana, tsipazana: Aoka hopoahako auto io vorona io. 1 Asiana: Tsy manaiky aho fa nopoahan'ny zokin'ialahy totohondry ny zandriko. 1 Latsahana: Nopoahan'ny mpanao behariva ny paisonay ka najifa. ? Natao amim-pahaizana, am-paharisihana: Nopoahany ny tsianjery ka vaky vava daholo ny olona rehetra nanatrika.
Ahitsio |
Poaka | : | Firefotra (oh: firefotry ny basy, firefotry ny varatra) Ahitsio |
Poaketra | : | na Poketra (angl. pocket) a.: Karazana lasaka kely mazàna vita amin'ny hoditra, fitondran'ny vehivavy an-tanana ka ataony fasiana ny zavajavatra madinika tsy misaraka aminy, toy ny mosara, vola, ans.: NanJary fomban-kaingon'ny vehivavy ankehitriny ny poketra noho ny bikany sy ny hasarobidin' ny zavatra nanaovana azy.
Ahitsio |
Poapoaka | : | a.: Anaran-javamaniry sahala amin'ny bosoa.
Ahitsio |
Poatoizay | : | p. mt.: Miaraka amin'izay, miaraka amin'ny vava.
Ahitsio |
Poety | : | (fr. poète) a.: Mpanao na mpanoratra poezia: Iza no poety ankafizinao indrindra? ? Enti-milaza koa ny olona manao fitenenana feno sarisary ary mampamelovelo: Lasa poety indray i zokilahy izany!
Ahitsio |
Poezia | : | (fr. poésie) a.: Tononkalo: Nahafinaritra izay poezia nataon'Isambilo tamin' ny fetin'ny reny izay. ? Toetran'ny zavatra mampisondrotra fanahy na mampamelovelo ny fo sy ny saina: Tsy misy tsy manembonembona eo anoloan'ny poezian'ny takariva mahatsara vahiny.
Ahitsio |
Pohina | : | (poka) mt. ih. (pohy): Donina: Tandremo fa raha vao pohina kely foana io dia vaky.
Ahitsio |
Poika | : | t. p.: Teny ataon'ny ankizy entiny mandà izay lazaina aminy: Bozy a, indriako, hono, no namaky ity fitaratra ity? Poika! izaho tsy nahalala ny fisian'io fitaratra io akory.
Ahitsio |
Poipoy | : | (Ski) a.: Fikakakan'ny boloky.
Ahitsio |
Poirina | : | (poitra) mt. ih. (poiro): Loarana avy any anaty zavatra mba hiseho: Poiro amin'ny fangady io vato io. * Esorina amin-kery: Poirina ny hidin-trano.
Ahitsio |
Poitra | : | a.: Fisehoana, fitsimohan'ny zavatra ambolena. i t.i.f.: Poirina, apoitra, voapoitra, tafapoitra / mamoitra, famoitra, nranapoitra, fanapoitra j amoirana, famoirana; anapoirana, fana-. poirana / mipoitra, fipoitra, mpipoitra / ipoirana, fipoirana / mahapoitra / poipoitra.
Ahitsio |
Poizina | : | (angl. poison) a.: Zavatra mety hahafaty raha tafiditra ao anatin'ny tena amin'ny alalan'ny fihinanana, fisotroana, sns... - t.i.f.: Poizina, voapoizina 1 manapoizina, fanapoizina, mpanapoizina / anapoizinana, fanapoizinana.
Ahitsio |