Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ravoravo: a.: Tany fotsy fandalorana, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe taniravo. Ahitsio
Ravoravoina: (ravoravo) rot. ih. Raz (rayoramoy): Falifalina; dokafana. Ahitsio
Ray: sy Rairay a.: Kasika: Zozo tia rairay. 1 Fakana zavatra amin'ny tanana. • Fampidirana olona ao an-trano. - t.i.f.: Raisina, aray, voaray / mandray, fandray, mpandray / andraisana, fandraisana / maharay / rairay 1 mandrairay, fandrairay, mpandrairay 1 andrairaisana, fandrairaisana. Ahitsio
Ray: a.: Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: I Rainilita no rain'Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin'ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny raY tampo amin'ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny). ? F.-p.: Ray aman-dreny: ny ray sy ny reny niteraka. • h. i.: enti-milaza ireo mpiton- - dra na ara-nofo na ara-panahy. J Ray nanangana: lehilahy niseho teo anatrehan'ny fokonolona sy ny fanjakana ho nanjanaka zaza iray izay ho afaka handova azy. J Ray mpitaiza: ray tsy niteraka fa niantoka ny famelomana. / Tsy manan-dray: enti-milaza ny zaza tsy fantatra ny ray niteraka azy. ¶ M.h.: zazasary, zaza tsisy ray, zanadranitra, zanaka an'elakelatrano. / Rain-janaka: enti-milaza vady tsy ara-dalàna na sakaiza fotsiny niterahana zaza. / Rain-jaza: enti-milaza a) ny lehilahy manao hasoavana ny zazalahy iray (ka nanangana azy mihitsy tamin' ny andro taloha); b) ny rain' ny zazavavy ampakarina. ¶ M. h.: Aba, baba, ikaky, lany voamena zato, lany sikajy arivo, kiady sy voninahitra, haja sy voninahitra, an-dry iankinana, vato nandiavana. Ahitsio
Ray: na Ry: Tenim-piontanana fanao eo alohan'ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray uahoaka. Ahitsio
Ray: Fanononana haingana ny Iray. Ahitsio
Razana: a.: Ny ray aman-dreny niaviana fahagola: Tany nitsembohan'ny razana itony ka tsy havelako ho lava volo. ? h.i.: Ny faty: Mandritra ny telo na efatra andro ijanonan'ny razana ao an-tanàna, indrindra amin'ny alina, dia manjaka ny tabataba, ny osika, ny dihy, ny tsikirepoka. - t.i.f.: Faharazana. - F.-p.: Lasan-ko razana: ilazana ireo efa maty nodfmandry. / Ko-drazana: enti-milaza ireo fomba isan-karazany navelan'ny razana tsy maintsy arahin'ny taranaka mandimby — indraindray koa, ny vola na zavatra omena ny mpamadi-drazana. / Manando-drazana: olona misoloky ho avy amin'ny firazanana ambony kokoa noho izay niaviany. / Mitahia fa lasanko razana: teny tenenina ataon'ny olona miresaka ka manonona ny anaran'olona efa maty amin'ny andro alina. J Sao-drazana: ny omby vonoina ka zaraina amin'ny olona amin'ny famadihana — atao koa hoe sao-drazana ny vola omen'ny olona ny mpamadika. I Zana-drazana: ireo taranaky ny olona avadika, na ireo solofony sisa eo amin'ny vohitra nisy ireo razam-be. * Ohab.: Lambo soso-nifY; nentim-paharazana: enti-milaza ny zanaka na taranaka manahaka ireo ray aman-dreniny eo amin'ny toetra na fomba nolovana taminy. /Ra-ha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga: nino fatratra ny fitahian'ny razana ny Ntaolo ka nesoiny ireo noheveriny fa tsy miraharaha.ny hitahy ny taranany velona. Ahitsio
Razandry: a.: Teny iantsoana amim-panajana sy amim-pitiavana ny zandrin'ny tena. Ahitsio
Razoka: na Razodrazoka ft.: Fahosaosana. - t.i.f.: Marazoka / faharazodrazoka. Ahitsio
Razoky: a.: Teny iantsoana amim-panajana sy amim-pitiavan ny zokin'ny tena. Ahitsio
Razorazo: a.: Rozaroza, raviravy, toetran'ny zavatra anankiray lava mikiraviravy; haosana. - t.i.f.: Arazorazo, voarazo- razo, tafarazorazo J mandrazorazo, fandrazorazo, mpandrazorazo I andrazorazoana, fandrazorazoana I mirazorazo, firazorazo, mpirazorazo I irazorazoana, firazorazoana / maharazorazo I mikirazorazo. Ahitsio
Re: sy Reny mt. ih. it.: Heno: Renao ve izany uorona mihira izany? t• Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto. 1 Tsapan'ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa uoan'ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin'ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy. ~ Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako! - t.i.f.: Mandre, fandre, mpandre / andrenesana, fandrenesana I mampandre / mifampandre / mahare / rare / faharenesana, fandrenesana. - F.-p.: Tsy re dona, tsy re kotroka, tsy re poka: tsy re velively, na kely akory aza. / Re siosio: enti-milaza zavatra heno amin'ny resaka tsy azo itompoana loatra, fa karazan'ny honohono. f Tsy re maty, tsy re velona: ilazana olona lasan-davitra ka tsy fantatra velively ny momba azy. f Tsy re tsaika: tsy heno izay nandalovany, na ny nahatongavany sy nialany. * Ohab.: Mitsako tsy re ka uoa uao "dony aho, ranaotra": entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. Ahitsio
Re: Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin'ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho e! Ahitsio
Re: a.: Ny feo faharoamanarakaraka ny do amin'ny ambaratongam-peo fito amin'ny gama. Ahitsio
Rea: (Ski) a.: Rivotra mifafy hita amin'ny tarehin'ny rano. Ahitsio
Rebaka: p. t.: Noana, lanaka, tsy maharay tena noho ny harerahana. - t.i.f.: Arebaka / mandrebaka, mpandrebaka I andrebahana, fandrebahana I maharebaka J rebadrebaka. Ahitsio
Rebaka: ft.: Fihaingoana, fixaratana amin'ny akanjo malalaka mikobankobana sy mirefarefa. Ahitsio
Rebareba: a.: Akanjo na fitafiana lava be sy mitaritarika. i t.i.f.: Arebareba, voarebareba, tafarebareba / mirebareba, firebareba, mpirebareba / irebarebana, firebarebana / maharebareba. Ahitsio
Rebika: a.: Dihy faly misy tsinjaka. - t.i.f•: Tafarebika / mirebika, firebika, mpirebika / irebehana, firebehana I maharebika / rebidrebika. - F,-p,: Mitotorebika: mandihy manipy sandry malefadefaka fa ny tongotra kosa mitoto, izay manao toy ny mively langorony, mitana ba, manamafy ny lamako. / Manao rebik 'ondry: (fihasimban'ny hoe ribik'ondry): mirohotra manao izay efa be mpanao. Ahitsio
Rebirebena: Arebireby (rebireby) mt. ih. (rebirebeo, arebirebeo): Tarihina mba hivilivily lalana fa tsy handeha amin'ny tokony ho izy: Aza rebirebena amin'ny tantara uala maty aho fa aoka aloha hiasa. 1 Adalaina, kolikolena, fitahina, amin'ny hevitra manodoka: Norebireben' ilay touolahy tamin'ny fitiauana ny zanany vavy ka tsy nahavita fianarana. Ahitsio