Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rehefa: p. mt.: Raha afaka kelikely, rahariva: Ho auy aho, rehefa fa andraso, / ppt. feh.: (fihasimban'ny rahefa) Rehefa mandeha ianao, hidio ny uarauarana. Ahitsio
Rehetana: (rehitra) mt. ih. (reheto): Velomina (afo): Norehetako ny afo fa tsy nirehitra azon'ny terza ny kitay. 1 Asiana: Norehetany tehamaina ilay karilahy fa namitaka azy. Ahitsio
Rehetra: p. mlk.: Tsy misy avakavaka, aby, jiaby: Tonga ny mpianatra rehetra. (Matetika no hamafisin'ny p. mt. daholo, avokoa, ny hevltry ny teny hoe rehetra: Tonga dahoio ny mpianatra rehetra na tonga daholo ny mpianatra (fotsiny). ΒΆ M.h.: Daholo, tsy vaky volo, poporohana, na iza na iza, na zovy na zovy, safobemantsina, manontolo, tsy ankanavaka, tsy misy avakavaka, faobe, tsy mifaka. Ahitsio
Rehitra: a.: Fiveloman'ny afo; fahamaimaizana, hidihidy, fisafoahana tafahoatra. - t.i.f.: Rehetana, arehitra, voarehitra, tafarehitra J mandrehitra, fandrehitra, mpandrehitra J andrehetana, fandrehetana I mirehitra, firehitra, mpkehitra J irehetana, firehetana 1 maharehitra I rehidrehitra,forehitra. Ahitsio
Rehofina: (rehoka) mt. ih. (rehofy): Anipazana rehoka, andrehofana: Nahoana no rehofinao ny zanako? Ahitsio
Rehoka: a.: Zavatra maditidity avoaka avY any an-tenda, indrindra raha marary voan'ny kohaka: Tokony hangonina amin'ny tavy kely ny rehoky ny marary. ~ Ny fitronan' ny omby resy an'ady na ny omby vonoina ka efa voakenda. - t.i.f,: Rehofina, arehoka, voarehoka, tafarehoka J mandrehoka, fandrehoka, mpandrehoka / andrehofana, fandrehofana / mirehoka, fixehoka, mpirehoka / irehofana, firehofana I rehodrehoka. Ahitsio
Rejisitra: (fr. registre) a.: Boky fitanana anarana. Ahitsio
Rekany: Kianteny kely mety hanan-kevitra roa: 1) Manko: Eny rekany! 2) Re: Aiza rekany no halehako tsy hahitany ahy? Ahitsio
Relijiozy: (fr. religieux) a.: Lehilahy na vehivavy manokantena ho an'Andriamanitra, ao anatin'ny Fikambanana iray, mba hanasoa namana, hampianatra... ka manao voady telo: manokan-tena tsy hanambady mandra-pahafaty, tsy mitans vola manokana ho an'ny tena ary manaiky ny lehibe (Fiv. kat). Ahitsio
Remarema: a.: Toetran'ny zavatra sady lehibe no mitaritarika tahaka ny siranandon'omby. ? h.o.: Akanjo malalaka fentina mianjaika. - t.i.f.: Remaremaina, aremarema, tafaxemarema I miremarema, firemarema, mpiremarema / iremaremana, firemaremana / maharemarema. Ahitsio
Remaremaina: (remarema) mt, ih. (remaremao): (akanjo na fitafiana) Halalahina hoentina mianjaika. Ahitsio
Rembana: p.t.: Tsy mitovy fahitsy fa misy avo sy iva, toy ny tandrok'omby ny iray manondro ambony, ny iray manondro ambany na mandroso eo anoloana, somaradimbana (jar. Dimbana). Ahitsio
Rembena: Rembezina (remby) mt. ih. (rembeo, rembezo): Hazaina, angatahina mafy, ambezoina. Ahitsio
Rembona: a.: Alahelo tampoka ary miserana; hanina; embona. 1 &i.: Mandrembona, fandrembona, mpandrembona 1 andrembonana, fandrembonana. Ahitsio
Remby: a.: Biby samborina na enjehina hohanina; haza; zavatra azo amin'ny fihazana: Tsy uizahy ny mitatitra ny rembiny ny vitsika. ? Fihazana, fitadiavana haza: Remby mamy amin'ny uoninkazo no asan'ny tantely. - t.i.f.: Rembena, rembezina, voaremby 1 miremby, firemby, mpiremby I irembena, firembena, irembezana, firembezana I maharemby, a F.-p.: Tantely remby: tantely hitahita foana any an' ala... Ahitsio
Rendra: sy Rendrarendra a.: Zavatra marevaka mahafinaritra; zavatra manodoka: Be rendrarendra manodoka ny fiainana eto an-dreniuohitra. ~ Famirapiratana mahavariana sady maharenoka:Ny rendrarendran'izao tontolo izao. - t.i.f.: Arendrarendra, tafarendra, tafarendrarendra I ml-rendra, firendra, mpirendra; mirendrarendra, firendrarendra, mpirendrarendra I irendrarendrana, firendrarendrana 1 maharendrarendra. Ahitsio
Rendrehana: sy Rendremana (rendrika) p. t.: Renoka kely amin'ny torimaso na dia mbola tsy matory tanteraka aza: Teo amin'ny sivy alina teo ho eo tamin'izay; mbola vao rendrehana fotsiny izahay rehetra. Ahitsio
Rendrena: ft.: Fandehanana mitety toerana etsy sy eroa. ~ t.i.f.: Arendrena, tafarendrena I mirendrena, flrendrena, mpirendrena 1 irendrenana, firendrenana I maharendrena. Ahitsio
Rendrika: p.t.: Latsaka ao anaty rano ary difotra tsy afamipoitra intsony, fefika: Rendrika ny lakana. 1 Reno-ka: Rendriky ny torimaso tzy tamin'izay. ~ Latsaka lalina ao anatin'ny...: Rendriky ny alahelo izy. 1 Raikipitia: Efa rendrika aminy ny fon-janakao. 1 a.: Empo, tsonika: Tsy tsara rendrika ity uolafotsy ity. - t.i.f.: Arendrika, voarendrika, tafarendrika 1 mandrendrika, fandrendrika, mpandrendrika I andrendrehana, fandrendrehana 1 mirendrika, firendrika, mpFrendrika 1 rendrindrendrika 1 maharendrika. - F.-p.: Rendrika uao nahazo amalona: fiteny enti-milaza olona tratran'ny loza mahamay kanjo dia izany no nahazoany soa. 1 Tafita uao rendrika: afaka tamin'ny sarotra vao tojo ny loza lehibe. Ahitsio
Rendrirendry: a.: Zavatramanjelanjelatra ka mahajemby ny maso; fipendrampendran' ny rivotra sy ny hazavana rehefa mafana ny andro; zavatra mamirapiratra sy manonjanonja eny amin'ny rivotra rehefa migaingaina ny hafanana. - t.i.f.: Arendrkendry, voarendrirendry / mandrendrirendry, fandxendrnendry, mpandrendrirendry / mirendrirendry, firendrirendry, mpirendrirendry / irendrirendrena, firendrirendrena / mahaxendrirendry. Ahitsio