Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sakamandimby: a.: Hazo lehibe mitondra ny rairain-drihana. Ahitsio
Sakambina: a.: Fiaraha-mamindra amin'ny olona iray ka ny sandrin-tanana alefa avy any an-dam osina eo amin'ny valahana ka samy mamihina toy izany ny vatan'ny an-daniny avy. - t.i.f. : Sakambinina, asakambina, voasakambina, tafasakambina 1 manakambina, sy manasakambina, fanakamb?na sy fanasakambina, mpanakambina, mpanasakamb?na 1 anakambinana, fanakambinana, anasakambinana, fanasakambinana 1 misakambina, fisakambina, mpisakambina 1 mifampisakambina 1 isakambinana, fisakambinana / mahasakambina l sakambinkambina. Ahitsio
Sakambinina: (sakambina) mt. ih. (sakambino): Hodidinina ny sandrin-tanar}a avy any an-damosina ny valahan'ny olona iarahana. ? h. o. : Arovana, tahina: Sakambino izy amin'ny diany, Andriamanitra ô! Ahitsio
Sakambositra: na Andranary (Btl) a.: Teny ilazana ny omby rehefa miofo fanindroany ny tandrony. Ahitsio
Sakana: a.: Fefy, gadra: Tokony hasiana sakana eto tsy hidiran'ny alika. ? Sampona, tambana: Ho tonga aho rahampitso raha tsy misy sakana. - t.i.f.: Sakanana, asakana, voasakana, tafasakana / manakana, fanakana, mpanakana 1 anakanana, fanakanana 1 manasakana, fanasakana, mpanasakana 1 anasakanana, fanasakanana / misakana, fisakana, mpisakana / isakanana, fisakanana 1 mahasakana / sakantsakana. - F.-p.: Sakam-barauarana: tsivalan-kazo anamafisana ny hidim-baravarana. / Sakandrambo: ilay hoditra amin' ny lamboridin-tsoavaly eo amin'ny feny. / Sakan-tratrany: ilay hoditra amin'ny lamboridin-tsoavaly eo amin' ny tratrany. Ahitsio
Sakanana: (sakana) mt. ih. (sakano): Fefena: Nosakanan' ny tompony uato be ny fidirana ao anaty sahany. ? Tohanana tsy avela handeha, tsy avela hiditra: Nosakanan' ny polisy tsy hiditra ny ankizy latsaky ny telo ambin' ny folo tanna. ? Rarana: Nosakanan-drainy ny fanambadian'i Soa ka tsy raikitra. ? Tohanana, atao izay tsy haharaikitra: Nosakanan'i zoky ilay tranonay eny Ambohimanarina saika hamidy. ? Ajanona: Nosakanany teny an-dalana aho mba hilazany izany uaouao izany. Ahitsio
Sakanomby: na Mamitolahy (Btl) a.: Ilazana ny ombikely rehefa sahabo ho voatondro iray ny halavan'ny tandrony. Ahitsio
Sakarivo: a.: Anaran-kafa ilazana ny sakamalao. Ahitsio
Sakatavilotra: na Sakatavilona a.: Zavamaniry sahala amin' ny dingadingana, izay mangidy er? ny raviny ary fanao fana fo dy. Ahitsio
Sakay: a.: Zavamaniry misy voany fihinana fa masiaka dia masiaka. Karazan-tsakay: sakainala: sakay dia fahita any an'ala; sakaibe: karazan-tsakay lehibe; sakay fantsinakoho: karazany sady lava no vaventy ohatra ny fantsinakoholahy; sakay fonakoho: karazany boribory mavomavo vonivony; sakaipilo: ilay karazany fahita hatraiza hatraiza; sakay tsy lanina dimy bah y: sakay lehibe ohatra ny ankibe masiaka dia masiaka. - F.-p.: Sakay hely rano: sakay masiaka noho ny hakelin'ny rano naharo taminy. ? h.o.: Olona sarotra ifanarahana, lozabe. / SakaY sy maso: enti-milaza olona roa mifanohitra toy ny fahavalo. / Mena ohatra ny sakay: entimilaza ny tarehy miboramena noho ny hatezerana, tahotra, henatra. / Mitohy sakay: very hevitra noho ny alahelo na ny nenina ka lasa adala. * Ohab.: Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana: raha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. / Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany: na inona na inona hasarotan-javatra eo amin'ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. Ahitsio
Sakefaka: a.: Elanelan-javatra roa. ? Ny ao anaty kitrony amin'ny tongotr'omby. - F.-p.: Antsakefaka: halavan-drefy hatreo amin'ny tendron'ny fanondro ka hatreo amin'ny lempona anelanelan'ny fanondro sy ny ankibe (voatondro efatra). Ahitsio
Sakelehina: (sakelika) mt. ih. (sak leho): Entina ao ambany hlika: Inona iny sakelehinao iny? Ahitsio
Sakelidalana: a.: Lalan-kely mivily amin'ny lalam-be. Ahitsio
Sakelidrafara: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Sakelidrano: a.: Sampan-drano madinika mivarina any andrenirano. Ahitsio
Sakelika: a.: Tsirin-javamaniry miseho amin'ny tahony, na solofon-javamaniry eo ampotony toy ny fomban'ny saonjo na ny akondro: Tandremo sao tapaka ny sakeliky ny foto-bonindraozy. ¶ M.h.: Tsiry, tsimoka, taro-ka, — solo fo, zanaka. ? h.i.: Havana akaiky, namana, fanampiny: Sakelik'andriana. - t.i.f.: Sakelehina asakelika, voasakelika / manakelika, fanakelika, mpanakelika / misakelika , fisakelika, mpisakelika / isakelehana, fisakelehana / mahasakelika / sakelikelika. - F.-p.: Iray sakelika: zavatra azo entina indray mitondra ao ambany helika. / Sakelik'andriana: fianakaviana iray akaiky amin'ny Andriamanjaka. / Sakeli-dalana: lalan-kely miala amin'ny arabe Inhibe. l Sakeli-drano: sarnpana na lahin-drano miray amin'ny ony na renirano. / Sakelik 'anana, sakeli-boatavo, sakeli-paraky, sakeli-pary: sampans madinika fa tsY tena ny vatany lehibe amin' ny anana, voatavo, paraky, ary fary. Ahitsio
Sakelika: a.: Ny rindrin-kazo amin'ny trano kotona. - F.-p.: Sakeli-mihoa-Joro: enti-milaza izay rehetra mihoatra ny tsy tokony hihoarany (ny zoro amin'ny trano kotona dia ny hazo atao amin'ny zoron-trano efatra, ka raha ny rindrina indray no mihoatra ireo zoro ireo dia hafahafa). Ahitsio
Sakelika: a.: Havana, mpanam-PY akaiky. - F.-p.: Sakelik'andriana: havana akaikin'ny andriana. Ahitsio
Sakeliny: a.: Tsirin-javamaniry miainga avy amin'ny tahony. Ahitsio
Saketraka: Mitovy amin'ny Soketraka. Ahitsio