Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sandarosy: a.: Karazan-dity avy amin'ny hazo. Ahitsio
Sandavany: a.: Ny lavany. * F.-p.: Sandavan-danitra:ny halehiben'ny habakabaka. * h.o.: Teny famalivaliana lava tsisy farany. Ahitsio
Sandohana: (sandoka) mt. ih. (sandohy): Angalarina an-kafetsena, ihamboana ho an' ny tena nefa an'olona: Loza izany raha haratsian'izay olona fa nosandohany ny boky uao nouidiko omalin'iny. Ahitsio
Sandoka: a.: Zavatra na olona tsy izy nefa lazaina ho tena izy, hosoka; soloky hamitahana: Sonia sandoka. ? Famitahana olona amin'ny fampisehoana zavatra na olona tsy izy, nefa lazaina ho te-na izy: Nihambo ho zanadRampanana izy ka sandoka ihany no nahazoany ny trano loua etsy auara-bohitra. - t.i.f.: Sandohana, asandoka, voasandoka, sinandoka / manandoka, fanandoka, mpanandoka / anandohana, fanandohana / misandoka, fisandoka, mpisandoka / isandohana, fisandohana / mahasandoka / sandotsandoka. Ahitsio
Sandra: p.mt.: Tsitointoina, tointoina tsy nampoizina: Sandra nahita ny zandrinao aho anikeheo, ~ mt.: Mifanena tsy nampoizina: Sandra an-drainao tany an-tsena a-ho, ¶ M.h.: Tojo, sehatra, tohatra. - t.i.f.: Sendrasendra / sendrasendraina, asendrasendra / voasendrasendra, sinendrasendra / manendrasendra, fanendrasendra, mpanendrasendra J anendrasendrana, fanendrasendrana J misendrasendra, fisendrasendra, mpisendrasendra J isendrasendra-1 na, fisendrasendrana 1 mahasendrasendra. Ahitsio
Sandrahaka: ft.: Sampana, rantsana maro be. - t.i.f : Asandrahaka, tafasandrahaka / manandrahaka, fanandrahaka, mpanandrahaka / anandrahana, fanandrahana / misandrahaka, fisandrahaka, mpisandrahaka / mahasandrahaka / sandrahandrahaka. Ahitsio
Sandrahidy: a.: Hombo na tsimatra na fantsika andrafetana ny rafitra hazo amin'ny tafontrano. Ahitsio
Sandrana: (Atb) a.: Teny entimilaza fady tsy azo atao mihitsy mihitsy fa raha mandika azy hiharan'ny fahafatesana irahin'ny razana amin' ny tena. Ahitsio
Sandrana: a.: Zavatra na hanina nanafaran'ny Razana tsy ho azo atao na hohanina. Ahitsio
Sandratra: a.: Akatra; fiakarana ho eo amin'ny toerana ambony na avo; fisondrotra amin'ny voninahitra. - t.i.f : Asandratra, voasandratra, tafasandratra / manasandratra, fanasandratra, mpanasandratra / na manandratra, fanandratra, mpanandratra / anandratana, fanandratana / misandratra, fisandratra / isandratana, fisandratana / mahasandratra / sandratsandratra. Ahitsio
Sandriana: (sandry) p. t.: Be sandry, matanjaka. Ahitsio
Sandrify: a.: Zavamaniry rarin' ny vehivavy hatao harona eo amin'ny fotoana anaovana hasoavana ny zaza. ? Haronkely fitondran'ny mpianatra ny zavajavany kely momba ny fianarana. Ahitsio
Sandry: a.: Rantsam-batana hatreo amin'ny foto-tsoroka ka hatramin'ny hato-tanana. i t.i.f.: Sandriana. - F.-p.: Herin-tsandry: tanjaky ny sandry; tanjaka; izay azo tamin'ny asa. / Mampiseho herin-tsandry: mampiseho tanjaka entina mirehareha. / Manenjan-tsandry: mihaika, mihantsy olona hiady. / Manipy sandry: manakipilipily sandry mafy rehefa mandeha. / Mitsipy sandry: mitovy amin'ny manipy sandry. / Mitsipy sandry diavolana: miasa, misasatra tsy misy olona afaka hamaly bontana ny tena. / Sandrin-tanana: ny faritry ny sandry hatreo amin'ny kiho ka hatramin'ny hato-tanana. Ahitsio
Sanehaka: a.: Fisefosefoana sy fahasemporana, toy izay mahazo ny olona matavy miaka-piakarana. - t.i.f. : Misanehaka, fisanehaka, mpisanehaka. Ahitsio
Sanga: a.: Volon-doha mivondrona kely eo ambonin'ny tampin-kandrina, na volondoha somary lavalava kokoa noho ny sisa rehetra eo afovoany tsara eo ambony tampin-kandrina. ? Volo na nofo mivondrona eo an-tampondohan'ny biby sasany: Lava sanga ny akoholahin'i Naivo. • t,i.f.: Sangana, voasanga / misanga, fisanga, mpisanga / isangana, fisangana. - F,-p,: Ambany ny sangany: enti-milaza olona menatra izaitsizy. / Sanga an-katoka: volo lava avala hitarotaroka any an-katoka. / Sanga-Nanahary: volo maniry eo an-tampon-dohan'ny zaza hatrany an-kibon-dreniny. / Sangan-tampona: ilay volo navela ho lava noho ny namany ao an-tampon-doha. / Sanga-mangata-dranouola na sanga mitsinjo ranovola: ilazana ilay sanga eo anoloana izay randranina hikirazorazo. / Mandray sanga: ilazana ny olona resy lahatra teo amin'ny adihevitra nifanaovana, ka misafo loha sisa no ataony fa tsy mahateny ints ony . Ahitsio
Sangaingy: a.: Tangongo, fifanongoavana hiavosa eo amin' ny toerana anankiray. - t.i.f.: Misangaingy, fisangaingy, mpisangaingy / isangengena, fisangengena / mahasangaingy. Ahitsio
Sangana: (sanga) p. t.: Enti-milaza olona amelana sanga lavalava eo an-tampin-kandriny. Ahitsio
Sanganehana: p. t.: Sahiran-kevitra, tsy mahita izay hatao fa misalasala be ihany; feno fisalasalana. - t.i.f. : Mahasanganehana, fahasanganehana. ¶ M. h. : Sakodiavatra. Ahitsio
Sangarotra: a.: Fitadiavana izay hamikirana, mitovy amin'ny Sarangotra. Ahitsio
Sangasanga: a.: Enti-milaza zavatra izay ny lohany na tandrony no tazana er? lavitra. i t.i.f : Asangasanga/ manangasanga, fanangasanga/ anangasangana, fanangasangana 1 misangasanga. Ahitsio