Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Solompenakoho: a.: Fanomezana avy amin'ny ray amandreny ho an'ny zanany amin'ny Fandroana na amin' ny tonon-taona. Ahitsio
Solon-kofehy: a.: Anarana o-mena ny vola famangiana ny fianakaviana mana-manjo raha mby eo amin'ny famonosan-damba no tonga mamangy. Ahitsio
Solonify: a.: Nify namboarina ka arafitra ho solon'ny tena nify banga na niniana nesorina mihitsy. Ahitsio
Solontena: a.: Olona misolo, izany hoe manao zavatra na manatrika fivoriana amin'ny anaran'olon-kafa: Ny lehiben'ny fampianarana no solontena nalefan'ny Minisitry ny Fanabeazana tany amin'ilay lanonana. Ahitsio
Solontsolona: na Solantsolana a.: Fisosososoana miandranandrana amin-kasahiana tsy misy tahotra. - t.i.f.; Asolontsolona, tafasolontsolona / misolontsolona, na misolantsolana, fisolontsolona, na fisolantsolana, mpisolontsolona, na mpisolantsolana / isolontsolonana, fisolontsolonana. Ahitsio
Solontsolonina: (solontsolona) p. t.: Maloiloy ta handoa. ¶ M.h.: Jer. Misalebolebo. Ahitsio
Solotehina: (solotika) p.t.: Lotoina, fotetahana zava-maloto. Ahitsio
Solotika: p.t.: Maloto mitsaporetika (fiteny indrindra amin'ny tarehy): Solotika erj' ny endrik'ity zanakao fa mba koseho rano kely. ? Misy tsikoko misotetika miaraka amin'ny menaka. 1 t. if: Asolotika, voasolotika / manasolotika, fanasolotika, mpanasolotika / anasolotihana, fanasolotihana / misolotika, fisolotika, mpisolotika / isolotihana, fisolotihana / mahasolotika / solotidotika. Ahitsio
Solovaika: a.: Olona na zavatra asolo hafa hoenti-mamitaka. ? Olona misolo olonkafa izay tsy mety na tsy afaka hanao sonia taratasimpanekena iray. Ahitsio
Solovolo: a: Taovolo avy amin'ny volo namboarina fa tsy tena izy. Ahitsio
Soly: a.: Jar. Sodina. Ahitsio
Somadodoka: p. t.: Maika aoka izany, avy hatrany dia lasa amin-kafaliana noho ny fahamaimaizana. - t.i.f.: Misomadodoka, fisomadodoka ) mahasomadodoka. Ahitsio
Somafatra: p. t.: Fano hatramin'ny molotry ny famarana, feno tanteraka, feno hfmpona;mitovy tantana. ¶ M.h.: Jer. Fano. Ahitsio
Somafosafo: Jer. Somavosavo. Ahitsio
Somaingisaingy: p.t.: Menamenatra, matahotahotra; sanganehana tsy mahita izay ha-tao: Somaingisaingy teo Ibo-lita nahita ny namany rehetra afaka tamin'ny fanadinana. ¶ M.h.: Hangihangy, haingihaingy. Ahitsio
Somàka: p.t.: Misompirana sy mivilambilana, ka tsy mahitsy. I t. if.: Misomaka, fisomaka I somamaka. Ahitsio
Somaka: Saomaka a.: Ny saoka: Ny volon-tsaomaka no a-tao hoe somotra. Ahitsio
Somalantsiatra: p.t.: Mitriatriatra mora vaky. 6 t.i.f.: Misomalantsiatra. Ahitsio
Somalianina: (fr, somalien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Somalia, silany avaratra atsinanan'i Afrika. ? p.t.: Momba an'i Somalia, an'i Somalia na avy any Somalia:Omby sy ondry no antom-piveloman'ny mponina somalianina. Ahitsio
Somambisamby: a.: Ny takariva efa manopy maizina. • p. t.: Tsy tena mazava fa somary maizimaizina, mazava ratsy:- Hazavana somambisamby. - t.i.f.: Misomambisamby, fisomambisamby, Ahitsio