Tsilemita | : | a.: Anaran-kafa ilazana ny "amboakelin-drano".
Ahitsio |
Tsileondoza | : | a.: Karazam-bakana niambozonan'ny olona fahiny na nataony tamin'ny tanany na ny tongony mba hiaro azy amin'ny loza.
Ahitsio |
Tsililalila | : | a.: Doladola, tolatola eny am-pandehanana na eo am-pipetrahana. - t.i.f,: Mitsililalila, fitsililalila.
Ahitsio |
Tsilo | : | a. Fanazavana. - t.i.f.: Tsilovina, atsilo, voatsilo / mitsilo, fitsilo, mpitsi-10 / itsilovana, fitsilovana / mahatsilo / fanilo / matsilo.
Ahitsio |
Tsilo | : | a.: Zavamaniry misy toy ny fanjaitra maso maranitra manindrona eny amin'ny vatany: Mamy tokoa ny voantsilo rehefa masaka tsara. • Ireo zava-maranitra manindrona amin'ilay zavamaniry mihitsy: Alao kely, fa misy tsilo tafiditra ato amin'ny hohoko ato. - t.i.f.: Tsiloina, atsilo, voatsilo / manilo, fanilo, mpanilo ) aniloana, faniloana I tsilotsilo, manilotsilo / mitsilotsilo.
Ahitsio |
Tsiloina | : | (tsilo) mt. ih. (tsiloy): Asiana tsilo: Tsiloy ity lalankely ity mba tsy handehanan'ny mpangalatra. • Apetaka amin'ny tsilo: Notsiloiny tamin'ny rindrina ilay sary. • p, t.: Misy tsilony: Biby tsiloina ny sokina.
Ahitsio |
Tsiloliloly | : | a.: Fivalanana mitsiranorano maditidity ohatra ny rehoka. - t.i.f.: Mitsiloliloly, fitsilollloly,
Ahitsio |
Tsilopilopy | : | a.: Fipipiza-maso; fip endramp en dran -kazavana der. Lopilopy). - t.i.f.: Mitsilopilopy.
Ahitsio |
Tsilotidotika | : | p. t.: Maloto.i t.i,f•: Mitsilotidotika, fitsilotidotika.
Ahitsio |
Tsilovina | : | (tsilo) mt. ih. (tsilouy): Hazavaina, omena hazavana: Tsilouy ireo ankizy ireo fa ratsy ny lalana.
Ahitsio |
Tsimahalatsaka | : | a.: Anarana hafa ilazana ny tsimperifery.
Ahitsio |
Tsimahatafitena | : | a.: Anarana ilazana ny tsindrahaka raha mbola kely.
Ahitsio |
Tsimaho | : | a.: Anarana karazangidro iray.
Ahitsio |
Tsimaitompangady | : | a.: Karazan-javamaniry azo akana loko angana (Indigo fera thymoides).
Ahitsio |
Tsimamindrahehitra | : | a.: Bibikely fahita ambany tsihy. 1 Anarana ilazan'ny olona koa ny mamba noho izy tsy afaka mamindra ny nifiny amin' ny remby hafa rehefa manaikitra remby iray.
Ahitsio |
Tsimandingana | : | a.: Anarana ilazana ny zipotapa-behivavy tery kely ny ambany.
Ahitsio |
Tsimandoa | : | na Tsimandao a,: Iraka mpitondra ny taratasim-panjakana tany ivelany fahizay.
Ahitsio |
Tsimandravina | : | a.: Zavamaniry tsy an-dravina toy ny vahinkary.
Ahitsio |
Tsimaroavaratra | : | a.: Lamba lasoa mainty.
Ahitsio |
Tsimatahoposa | : | (Ski) a.: Bara-rata ladinina mifanizina atao rindrin-trano.
Ahitsio |