Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Talelaka: p. t.: Mibalelaka ary marivo aty, mivelatra be ny vavany, talesaka: Vilia talelaka. - t.i.f.: Mitalelaka, fitalelaka. Ahitsio
Talenta: (fr. talent) a.: Fahaizana na fahakingana voa-Janahary: Manana talenta amin'ny mozika izy. - F.-p.: Mandeuin-talenta: tsy mampiseho na tsy mikojakoja ny talenta ananana. Ahitsio
Taleva: na Talevana a.: Karazam-borona an-drano (Porphyrio smaragnolus). Ahitsio
Talio: a,: Rivo-mangatsiaka ateraky ny ranomasina amin'ny folakandro. Ahitsio
Taloha: p.t.: Tranainy: Efa fomba taloha izany. ? ppk.: Teraka talohan-dRakoto Rabe. ? p. mt.: Tamin'ny andro tany aloha ela, fahiny: Taloha, nisy ala teto antampon'it? tanàna ¶ M.h.: Fahiny, fahizay, fahizany, fahagola, fahagolantany, tany ambadik'i Manareza. Ahitsio
Talonga: p.i.: Telo (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha rehefa mianatra manisa hatramin'ny folo), jar. Ingisa. Ahitsio
Tamaboha: a.: Tenam-pitaratra. ? Tavoahangy kely. ? Kilalaon'ankizy natao tamin' ny tenam-pitaratra. Ahitsio
Tamana: p.t.: Zatra:Tama-miresaka amin'ny eo akaikinao ianao rehefa manazava lesona ny mpampianatra. ? Enti-milaza biby ompiana na olona nifindra fonenana ka mipetraka tsara amin'ny misy azy fa tsy mitady hiverina amin'ny niaviany intsony: Efa tamana ireo akoho uao novidina ka mahalala mody ao am-pisoko rehefa hariva. ? Finaritra amin'ny toerana iray: Tamana any ambanivohitra izy. - t.i.f.: Tamanina na tarnanaina, atamana, voatamana, tafatamana / manatamana, fanatamana, mpanatamana / anatamanana, fanatamanana / mahatamana. Ahitsio
Tamanana: (Btl) a.: Ombivavy miteraka. Ahitsio
Tamanana: a.: Vantotr'ombivavy lehibe. Ahitsio
Tamango: a.: Firavaka fitondra amin'ny famoràna (kelikely kokoa noho ny betaly ny tamango). Ahitsio
Tamango: (Sah) a.: Vatam-paty miendrika lakana. Ahitsio
Tamango: a.: Vakin-taila na vakin-tafo tanimanga itorahana na anapaohana ny kanety amin'ny loka kanety. - t.i.f.: Tamangoana. Ahitsio
Tamangoana: (tamango) mt ih. (tamangoy): Asiana amin'ny tamango. Ahitsio
Tamanina: na Tamanaina (ta-mana) mt. ih. (tamano, tamanaino): Atao tonga tamana. Ahitsio
Tambaby: a.: Famikirana na fanindriana avy ao an-damosina. - t.i.f.: Mitambaby. Ahitsio
Tambako: a.: Paraky. - F.-p.: Tambako ratsy: ny sevabe. Ahitsio
Tambakombako: a.: Karazan' ahitra. Ahitsio
Tambalana: a.: Tsihy tokan-dela fa tsy mivitrana fametrahan'ny mpivaro-kena ny hena voatetika. Ahitsio
Tambalanana: a.: Vata kely fitehirizan-drakitra. Ahitsio