Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tentina: a.: Fanasiana loko zavatra iray hanapentimpentina azy; fihosorana menaka na ranon-javatra amin'ny tarehy; fanatsentsenana hirika na lavaka; fanampiana sy fanalehibeazana ny kely andilana. I t.if,: Tentenana, atentina, voatentina, tinentina J manentina, fanentina, mpanentina / anentenana, fanentenana/mitentina, fitentina, mpitentina / itentenana, fitentenana / mahatentina. Ahitsio
Tentona: Mitovy amin'ny Taintona. Ahitsio
Teny: a.: Feo avoakan'ny vavan'ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy. • Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin'ny hoe: "Io eo Rakoto". • Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain'ny fixe-nana samihafa: Mahay teny anglisy ue ianao? - t.i.f.: Tenenina, ateny, voateny I miteny, fiteny, mpiteny / itenenana, fitenenana J mahateny / teniteny. - F.-p.: Azon-teny: voaraorao amin'ny raharaham-pitsarana na ampangain'olona. / Manao teny maharary: manao fitenenana mandatsa, izay tsaroana manaikitra any anaty any. / Manao teny tsy tsaroana: mandefa teny tsy voahevitra noho ny hatezerana. /Manipy teny: manoro hevitra, manome hevitra, manolo-tsaina. / Mitondra teny tanora: mitati-bolana. /Mararin-teny: ilazana ny olona mora misafoaka sy tezitra raha misy teny mikasika azy. / Mavo teny: tsy henoin-teny ary esoesoina amin'izay lazainy. / Teny am-bava: filazana na fanambaranahafatra atao am-bava ihany fa tsy antsoratra, ohatra. J Teny an' orona: teny mingonongonona somary kentsona. / Teny arakaraka: teny mamerina izay nolazaina nefa misy heviny hafa. J Teniko fe-andriana, teniko fe lehibe: teny mampiseho fahefana tsy azo toherina, tsy iadian-kevitra fa ekena fotsiny amin'izao, / Teny manjohy, na teny mileuina ambanin'ny tany: teny tsiambaratelo mety hampidi-doza ny mpilaza raha mivoaka. / Tenim-bahoaka: hevitra ankasitrahan'ny be sy ny maro. / Tenim-behivauy: ilazana ny teny fanaon' ny olona migorerarera. / Tenim-pandroana: anjara vola amin'ny lany rehefa mamono ombim-pandroana. / Teny mby am-bato: ilazana ny teny voatana tsara, tsy lazaina na amin'iza na amin'iza. / Tenim-bola: fahefana ananan'ny vola, ka raha misy raharaha atao, ara-bola no ibaikoana sy andidiana ny hafa (ankehitriny, dia atao koa hoe totohondry vola). / Teny miera, teny ierana: teny na hevitra aseho hifanarahan'ny mpiombona adidy. / Teny mora: teny mamy sy malefaka atao handaminana raharaha. / Tenin'aina; manao tenin'aina: tanjaka sy hery manampatra ny tanjaka fotsiny, fa tsy mampiasa ny saina eo ampanaovana izay atao. / Tenin'andriana: ilazana ny didin'ny mpanjaka tsy azo la-vina na iadian-kevitra. / Tenin'antitra na tanin' ad ala: teny na resaka miverimberina sy ventesina tsy misy antony. / Teny azon'adala: enti-milaza ny teny averimberin'ny olona tsy ampiampy saina na dia amin'ny toejavatra tsy mifanandrify aminy aza. / Tenin-dahy: teny henjana sarotra ifampiraharahana. / Tenin'ny maty an-drano: tenin'olona mampanantena zavatra be eo amin'ny loza mahazo azy, ne-fa tsy tanterahiny rehefa afa-doza izy. / Tenin-karena: ny harena ananana no entina mibaiko sy mandidy ny hafa. / Teny tsy loa-body: teny tsy lazaina manontolo, fa tapahina eo an-tenatenany ary misy heviny afenina. / Tenin'ny maro: ny hevitry ny betsaka. / Teny tsy Io: ilazana ny teny izay tsy nandalo na niserana fotsiny fa tadidy mandrakariva. / Teny imaso tsy mba kilema: enti-milaza hevitra aseho am-pahatsorana na dia tsy hahafaly ilay ilazana azy aza, sao manjary fanaratsiana na fifosana raha any amin'ny takona. J Teny tsy valiana: baiko tsy maintsy tanterahina. / Teny vaventy: teny misy avons sy fandrahonana. / Teny vita: ilazana fifanarahana efa tanteraka, na didim-pitsarana efa nivoaka. / To teny: ekenteny. J Reniteny: teny misy hevitra ampahafantarina (oh. kapoka). / Zanateny: izay rehetra tsy reniteny, ka mety ho tsirinteny (mi-, -ina, na singan-teny (ka, ny...). / Teny verindroa (jar. verindroa). / Kamban-teny: teny avy amin'ny teny vitsivitsy nakambana (viliantsahona). / Fakan-teny: razam-be niavian'ny teny iray, oh, fahana, avy amin'ny fakan-teny indonezianina "pakan". 1 Fototeny: teny niavian'ny teny iray ara-piforonana, oh. sarahina, avy amin'ny fototeny hoe "saraka". * Ohab.: Mararin-teny ka tia takarina: enti-milaza ny olona mora misafoaka sy tezitra raha vao mahare teny mikasika azy, nefa izy loza raha handeha mamonjy sakafo any amin'olona, ka tsy maintsy ataon'ny olona resaka noho izany. Ahitsio
Teny: p.mt.: Endriky ny p. mt. "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin'ny vola-na ve tamin'ny tanna 1920? Ahitsio
Teo: p. mt.: Endriky ny p. mt. "eo" ilazana ny lasa: Nipetraka teo anilan-drainy izy. Ahitsio
Teolojia: (fr. théologie) a.: Sampam-pahalalana ianarana momba ny fivavahana sy izay mikasika an'Andriamanitra, ny foto-pamplanaran'ny antokom-pinoana samihafa. Ahitsio
Tepany: a.: Sisiny ambony amin'ny pataloa manaraka ny fehikibony. Ahitsio
Tepo: sy Tepotepo a: Paipaika, dondbna matetika moramora, emponempona. - t.i.f.: Tafatepotepo /mitepotepo, fitepotepo, mpitepotepo / itepotepoana, fitepotepoana J mahatepotepo. Ahitsio
Teraka: mt.: Vao nivoaka ny kibon-dreniny ka manomboka miaina eto an-tany: Vao teraka, hono, io zaza io dia nitsiky. ¶ M.h.: Latsaka antany, foy (raha atodim-borona no lazaina). ~ Nandatsaka zaza avy ao an-kibo: Teraka halina Ramatoa Rasoa. 1 h. : Miseho, mitranga: Van teraka io lamaody io, dia nanao akanjo manas pe daholo ny sakam-bavy rehetra. / Teraka ny volana. I t.f.f.: Ateraka / miteraka, fiteraka, mpiteraka / iterahana, fiterahana / mahateraka. ? F.-p.: Tera-bao: ilazana ny vehivavy avy niteraka vao haingana. I Tera-bao filaza: filazan-javatra mampitombo na manitatra izaitsizy. / Tera-bitro: ilazana ny vehivavy miteraka matetika sady kely aizana. / Tera-ketsa: tera-bary kely sy mifanizina. / Tera-kovitra: mipararetra na noho ny hatsiaka na no-ho ny tahotra. / Tera-mena: mivoara mena ny tarehy no-ho ny hatezerana. / Tera-tay: ilazana ireo kanosa sy kabaosy. / Teraka ny volana: ilazana ny fiposahan'ny volana. * Ohab.: Terak'omby fahauaratra: sady lalao no harena: enti-milaza fifanontonanjavatra izay sady mahasoa no mahafinaritra. ~ M.h.: Ary, foy, mahita masoandro, vaky maso, foy elatra, latsaka an-tany. — Vao avy teraka, velombao, tera-bao, mifana. Misy heuitra ifandraisany: nitondra folo volana, mivadi-jaza, mihetsi-jaza, tonga andro, teraka alohan'ny fotoana, tsy ampy andro, tsy tonga volana, afa-jaza, tsy manao takalo kely, vaky manta, manao oty kely. Ahitsio
Terena: (tery) mt. ih. (tereo): Potserina, fihinina: Notereko ny tanany ka nijafajafa izy. ? Atosika sady poretina: Mihisakisaha fa terenareo aho. ? Asaina manao tsy aralia ny sitrapo; vozonana; anaovana an-terisetra: Noterena mihitsy izy uao niaiky ny hadisoany. ? (tohatr'omby) Potserina, fihinina mba hivoahan'ny ronono: Noteren' Isambilo ilay ombivauin-dry zareo atsy avaratra. Tarit p. mt.: Teo no ho eo, indray mipy maso. Tarit p. mt.: Endriky ny p. mt. "er?" fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin'ny tanana: Ter? ambody hazo ter? no nahitan'ny fokonolona ny fatin y. Tarif p. mt.: Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty ter? ny anao bah y. Ahitsio
Terilatsy: a.: Rindrin-trano na-tao tamin'ny volo na zozoro izay nasiana sakany manapaka eny an-tenatenany mba hamatorana sy hampiraisana ny volo na ny zozoro milahatra mitsangana. ~ h.i: Ny trano misy rindrina tahaka izany. Ahitsio
Teronterona: a.: Fipetrahana amin'ny toerana avo, milingilingy; fipetrahana amin' ny toerana mihaja mora tazana; fipetrahana mininginingina amin'ny zavatra avo. - t.i.f.: Miteronterona, fiteronterona, mpiteronterona / iteronteronana, fiteronteronana / mahateronterona. Ahitsio
Tery: p.t.: Tsy malalaka ka toyny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy. 1 Voageja azon'ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny uaiahako amin'ity akanjo ity. ~ Poritra: Terin'ny uahoho ny tanany. 1 h.o.: Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin'ny raharahany ny olona. / Terin'ny uolan'olona izy ka mamono tena miasa. ? a.: Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany. ~ Fanapotserana na famihinana ny tohatr'omby hivoahan'ny ronono: Ataouy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny (Oha b. ), - t.i.f.: Terena, atery, voatery, tinery / manery, fanery, mpanery / anerena, fanera-na / mitery, fitery, mpitery / iterena, fiterena / mahatery / teritery / miteritery. - F.-p.: An-katerena: ilazana toerana na lalana ety, na koa fifanizinana tsy ahafahana mihetsika tsara. / Tery hatoka: famoretana ny hatoka (jar. tery setra). / Tery helika: fomba fitafin'ny vehivavy ny lambany rehefa misaona: tsy asampina eny an-tsoroka ny tendron-damba fa asisika ao ambany helika. / Tery setra: fanaovana an-keriny sy angovy. / Tery tenda: kely ny lalan-kanina ao amin'ny tenda. / Tery tsoka: fanaovana izay hlvoahan'ny tsoka ao anaty taolana. / Tery vay manta: fiteny entimilaza fanerena tsy azo ihodivirana na angatahana andro; fampiasana fomba an-tery setra hahazoana izay lazaina. / Tery votsotra: entitnilaza ny olona adaladala izay mandritra ny ronon'omby tanteraka eo am-piterena. / Tery vozona: fanerena tsy araka ny sitrapo fa an-tery setra. / Tery azon-tery: ilazana fahasahiranana indroa misesy, fahavoazana miampy fahavoazana. / Tery mitovy tery: enti-milaza fanerena mitovy ny ilany sy andaniny, / Vady an-tery: fanambadiana tsy araka ny sitrapo. * Ohab.: Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany: enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. Ahitsio
Tesa: (ante aho alohanao) a.: Fitenin'ny Ntaolo antitrantitra amin'ny zafikeliny, toy ny fitsofan-drano azy ho ela velona. Ahitsio
Tesaka: p.t.: Fisaka sady marivo aty. Ahitsio
Tesontesona: p.t.: Tsy mahalala menatra, tsy valahara, be hambo, be ebo, basivava. - t.i.f.: Tafatesontesona / mitesontesona, fitesontesona, mpitesontesona / itesontesonana, fitesontesonana. Ahitsio
Testamenta: (fr. testament) a.: Teny enti-milaza ny fizaran' ny Baiboly: ny testamenta taloha dia ny fizarana mitan-tara ny talohan'i Kristy ary ny testamenta vaovao, ny taty aorianany. Ahitsio
Teta: a.: Faritra amin'ny tenan' ny olombelona eo anelanelan'ny tendron'ny fe ambony sy ny vaniana, na ny kibo malemy. (Eo amin'ny tata mazàna no mpisy ny atodintariana). Ahitsio
Tetamaso: a.: Ilay tataka kely eo an-joron'ny hodi-maso. Ahitsio
Tete: a.: Rano pitiny kely mianjera mitsitaitaika ka boribory kely ny endriny (tsy fampiasa amin'izao io teny io, fa ny mt. mitete no entina misolo azy): Andraraho fanafody indimy mitete (fa tsy indimy tete) ity rano ity. i t.i.f.: Tetevana, atete, voatete, tafatete / manatete, fanatete, mpanatete / anatetevana, fanatetevana / mitete, fitete / itetevana, fitetevana / mahatete. Ahitsio