Variaminanana | : | a.: Vary misy teti-kena sy karazan'anana samihafa (anatsonga, anamamy, voatabiha, tongolo...) handroina miaraka. Intelo miantoana no fahandro ny variaminanana: ny teti-kena aloha, dia ny anana, ary izaY vao ny fotsimbary rehefa mangotraka ireo.
Ahitsio |
Variana | : | p. t.: Vary hevitra: Very ny firavako sarobidy ka variana aho. 1 Lasa eritreritra: Variana aho mijery ireto tanora betsaka, tsy maintsy hitadiauana asa rahampitso, 1 Mifantoka amin'ny zavatra tokana ny sain ka manadino izay tokony hatao, sondriana, revo: Varian-dalao izy ka tsy nahatsiaro sakafo akory. - t.i.f.: Mahavariana, fahavariana, fahavarianana / varivariana.
Ahitsio |
Varibotry | : | a.: Dihim-behivavy iray karazana amin'ny tsipisandry ihany fa miletaka mihabotry somary manjoko ny mpandihy.
Ahitsio |
Varidimiventy | : | a.: Anaram-bola izay latsaka kely noho ny varifitoventy. * Ohab.: Varidimiventy namidy vozon-kena: kely ihany fa misauily any an-katony na Varidimiventy namidy trafonkena: kely ihany fa lasana ambony: ilazana zavatra kely jerena toa tsy inona, nefa nahazoana na nahavitana zava-dehibe.
Ahitsio |
Varifitoventy | : | a.: Anaram-bola mitovy amin'ny variraiventy impito, izany hoe mitovy lanja amin'ny voambary fito, ka ny sandany dia dimy santima amin'ny vola ankehitriny (0,05f).
Ahitsio |
Varijo | : | p. t.: Enti-milaza ny omby fotsy handrina.
Ahitsio |
Varika | : | a.: Karazana gidro kely, ny rambony misoratra mitapatapaka.
Ahitsio |
Varikitia | : | a.: Anaran-kazo madlnika (Clorodendron emirnense).
Ahitsio |
Varimbazaha | : | a.: Karazam-bary famboly indrindra any amin'ny tany mangatslaka (E-oropa, Amerika avaratra...), ahazoana ny lafarina, izay anaovan ny mofo atao hoe mofo dipaina.
Ahitsio |
Varina | : | a.: Fidinana, fianjerana, fitsingidinana, fanonganana, fionganana. i Avarina, voavarina, tafavarina / mamarina, famarina, mpamarina / amarina-na, famarinana / mivarina, fivarina, mpivarina / ivarinana, fivarinana / mahavarina, varimbarina.
Ahitsio |
Varina | : | (vatra) mt, ih. (varo): Zarina: Varo hikarakara tena ireo zaza ireo.
Ahitsio |
Varinesy | : | (angl. uarnish) a.: Zavatra ahosotra ny hazo mba hampalambolambo ary hampamirapiratra azy.
Ahitsio |
Varingarina | : | a.: Iraizotongotra izay manana fototra faribolana.
Ahitsio |
Variona | : | a.: Rivotra avy andrefan'ny amorontsiraka atsinanana; ny avy any atsimo kosa atao hoe anintafara.
Ahitsio |
Variraiventy | : | a: Anaran'ny vakim-bola kely indrindra. mitovy lanja amin'ny voambary anankiray; ny sandany dia iray ampaharoapolo amby fitonjaton'ny ariary.
Ahitsio |
Varirotra | : | p.t.: Enti-milaza ny tarehy na molotra mifendrotra na mifandrirotra noho ny zava-mahazo. - t.i.f.: Mivarirotra, fivarirotra / mahavarirotra / varirodrirotra.
Ahitsio |
Varivarina | : | (varivary) mt. th. (varivario): Asianavarivary.
Ahitsio |
Varivary | : | a: Tsy tena mamo, falifaty noho ny hantamoana, mienjina, jaonjaona. 1 Atriatry, salasalany, tsy kely tsy lehibe (filaza indrindra amin'ny hazandrano).
Ahitsio |
Varivary | : | p.t.: Vakin-kazo lava marotsaka fantsihana amin' ny lohatrano ka ipetrahan' ny tafo: Volotsangana no fanao uarivarin'ny tafo. 1 t, : Varivarina, mamarivary, famarivary, mpamarivary / mahavarivary. * Fiten.: Ianao no vovonana iadian'ny lohany, varivary andrian'ny tafo: enti-milaza olona ipetrahan'adidy amana andraikitra lehibe.
Ahitsio |
Varizohina | : | (varizoka) mt. ih. (uarizohy): Enti-milaza zavatra resahina lavareny, tsisy farany.
Ahitsio |