Volovaliha | : | a.: Karazana volo fanaovana valfha.
Ahitsio |
Volovato | : | a.: Karazana volo.
Ahitsio |
Volovolo | : | a.: Havana akaiky (io teny io dia ampiasaina miaraka amin'nY "Tay"): Tsy taovana tsy volovolo: Tsy havana tsy inon-tsy !no-na. Vomanga a,: ZavamanirY mandady. fihinana ny raviny sy ny vodiny. Maro karazana ny vomanga dia ny: Vo mangafalad iangisa: karazam-bomanga izay miendrika faladian-gisa ny raviny; vomangahoda: vomanga kely ladina; vomanga masombika: misy kinifinifiny ny raviny; vomangambato: sarisarimbomanga; vomangamena, vomangamenaty, vomangaringitra, vomangasidina.
Ahitsio |
Voly | : | p. t.: Dontodonto tsy mahare raha tohinina;ankonankona noho ny hasasarana mafy na noho ny fiforetana ela tsy mihetsika; ngoly: Voly ny tongotro izany. ô t.Lf.: Mahavoly I volivoly / mamolivoly, famolivoly, mpamolivoly / amolivoliana, famolivoliana.
Ahitsio |
Voly | : | a.: Famafazana voan-javamaniry na fanatsatohana tahon-lavamaniry amin'ny tany mba haniry: Anisan'ny mora hatao ny voly mangahazo. ~ Ireo zavamaniry afafy na atsatoka: Tandremo sao dia voahitsakao ireto volin'olona ireto! - t.i.f.: Volena, ambolèna, voavoly 1 mamboly, famboly, mpamboly 1 ambolena, fambolena / mifamboly 1 mahavoly.
Ahitsio |
vomanga | : | zavamaniry fihinambody sy ravina, mbizo no iantsoana azy amin'ny faritr'i Fianarantsoa
Misy karazany maro ny vomanga toy ny vomanga sihanaka, vomanga navetô fotsy sy vaventy, vomanga voatavo miloko mavo, ...
ravimbomanga, ravimbizo: ravin'ny vomanga izay fampiasa fanaovana rony na atao laoka
ohabolana: Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany, entina ilazana ireo olona voan'ny heviny. Ahitsio |
Vombo | : | na Vombona na Vovona a,: Ny volon'ny biby ao an-katoka izay hita mitsangana rehefa taitra izy na tezitya. 1 Ny rixan-damosin'ny hazandrano. - F,-p,: Manangam-bombo, manangam-bombona na manangam-bovona: tezitra na ta hampitahotra ka mitsangana ny volo ao an-katoka.
Ahitsio |
Vombory | : | na Tsaramaha (Btl) a.: Randram-bolo betsileo atao mivona boribory endrika.
Ahitsio |
Vona | : | a: Tonon-kofehy na tady, afatotra amin'ny tenany: Asio vona ny zoro mosaranao mba hahatsiarouanao ny hafatra. - t.i.f.: Avons, voavonal mam8na, fambna, mpamdns •l amonana, famonana 1 mivona, fivona 1 ivonana, fivonana 1 mahavona 1 vombona. - F.-p.: Vom-bolo: ny fototry ny volo nobangoina. / Vom-pisaka: fomba fibango volo. / Von'ah{tra: ahitra na-siffla fototra mibokoboko. I Von-kofehy: kofehy misy tonony mifatotra. / Von-kotrana: fomba fambango vo-Io. / Von-tady: tady misy tonony na nasiana fototra mibokoboko, fantatra indrindra tamin'ny andro taloha teo amin'ny dinam-pokonolona. (Tao an-tranon' ny ben'ny tanàna, dia nisY tady navbna mba ho fampahatsiahivana sy ho antoky ny fahatanterahan'ny dina ka teo no nanome toky ny fokonolona: "Tsy miova vontady amin'ny dina nifanaovana izahay"). / Von- teny: fahafahana amin'ny teny nataon'ny Razana.
Ahitsio |
Vondrahina | : | (vondraka) mt. th, (vondrdho): Hatavezina, afahy: Vondrahy tsara io kisoa io fa hovonoina amin'ny fety.
Ahitsio |
Vondraka | : | p.t.: Matavy, be menaka. - t.i.f.: Vondrahina, voavondraka, vinondraka 1 mamondraka, famondraka, mpamondrakal amondrahana, faniondrahana 1 mivondraka, fivondraka, mpivondraka 1 ivondrahana, fivondrahana 1 mahavondraka 1 vondrabondraka.
Ahitsio |
Vondrakandohany | : | (Tsm) a,: Karazam-boatavo izay endasina toy ny voanjo ny voanY.
Ahitsio |
Vondromay | : | (Tsm) a.: Omby mavo misy pentina mena na maintimainty eny amin'ny lohany, hatony, vozony.
Ahitsio |
Vondrona | : | a.: Zavamaniry fandrary ho tsihy na harona ary ahazoana lavenona mamimamy toa sira (sira vondrona). ? Fitambaran-javatra mikambana ho antontany iray na ho amboara iray. • Fitambaram-piangonana na firaisam-pokontany vitsivitsy iray fileovana (ity faharoa dia matetika atao hoe fivondronana). 6 Avondrona, voavondrona / mivondrona, fivondrona, mpivondrona / ivondronana, fivondronana I vondrombondrona.
Ahitsio |
Vonenina | : | a.: Karazan-javamaniry fanao fanafody (Vinca Rosea).
Ahitsio |
Vongadina | : | (vongady) mt. ih. (vongadio): Vidfna mitambatra: Novongadin-dRanaivo daholo ny taratasy rehetra tao amin'ilay mpivaro-boky.
Ahitsio |
Vongady | : | a.: Vongana iray manontolo mitsinkasina ho azy er?. 1 t.Lf.: Vongadina, avongady, voavongady, tafavongady / mamongady, famongady, mpamongady / amongadiana, famongadiana / mivongady, fivongady, mpivongady 1 ivongadiana, fivongadiana / mahavongady / vongadingady.
Ahitsio |
Vongaingy | : | sy Vongaingika a.: Fiforetana eo ambany entamavesatra. - t.i.f.: Avongaingy, tafavongaingy 1 manavongaingy / mivongaingy, fivongaingy, mpivongaingy / ivongaingena, fivongaingena, fivongaingehana / mahavongaingy / vongaingingaingy.
Ahitsio |
Vongaka | : | a.: Mitovy amin'ny Vongika.
Ahitsio |
Vongana | : | a.: Didy na tsorianjavatra mivaingana iray manontolo: Vongan-kena. - t.i.f.: Vonganina, avongana, voavongana / marnongana, famongana, mpamongana / amonganana, famonganana / mivongana, fivongana, mpivongana 1 ivonganana, fivonganana / mahavongana / vongambongana.
Ahitsio |