Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandoatra: (loatra) a: Fombaentina mandoatra, maka ny ao anatin'ny ... Ahitsio
Fandoavana: (loa) a: Famoahana zavatra efa nohanina amin'ny vava indraY. * H,o.: Fanefana vola: Isaky ny fahafolon'ny volano no fandoouana ny sarampianarana. Ahitsio
Fandodonana: (dodona) a: Fampandehanana haingana, fampanaovana asa eo no ho eo avy hatrany. Ahitsio
Fandohalihana: (lohalika) a: Fijoroan'ny tena eo ambonin' ny ampelandohalika ka miforitra any aoriana ny ranjo anankiroa. Ahitsio
Fandohalika: (lohalika) a.: Fomba entina mandohalika. Ahitsio
Fandohotse: (Ski) a: Rivotra malemilemy avy any avaratra (raha mafy izy dia atao hoe radraty na varapohè), Ahitsio
Fandokafana: (doka) a.: Fanindrahindrana amin'ny fiderana, fandroboana. Ahitsio
Fandokana: Fanadokana (do-ka) o.: Fandoahana na fandavahana vato mba hahazoana manapoaka azy. Ahitsio
Fandoko: (loko) a.: Fomba entina mandoko. ? p.t.: Azo lokoana. Ahitsio
Fandokoana: (loko) a: Fanosoran-doko; fametahana amin'ny dity, lakoly, gilio... Ahitsio
Fandokorohana: (dokoroka)a: Fanehoana endrika manjoretra, na manjokaiky. Ahitsio
Fandomana: (lona) a: Fandrobohana maharitra ao anaty rano. Ahitsio
Fandona: (dona) a: Fomba entina mandona. Ahitsio
Fandonahana: (lonaka) a: Fanasiana zezika ny tany mba hahavokatra tsara. Ahitsio
Fandonahana: (donaka) a.: Fanetrohana. Ahitsio
Fandonaka: (lonaka) a: Fomba entina mandonaka na manisy zezika betsaka mba hampahavokatra. Ahitsio
Fandonana: (dona) a: Fanapehana, fanapohana: Mafy loatra ny fandonany ny uarauarana ka taitra niantsambotra aho. Ahitsio
Fandorana: (dotra) a.: Fampirehetana, fandevonana amin' ny afo: Azo atao tsara ny fandorana ny foko. Ahitsio
Fandosirana: (lositra) a: Fanalavitana haingana mba tsy ho tratra; fivoahana an-tsokosoko; fidifiana. Ahitsio
Fandositra: (iositra) a.: Fomba entina mandositra, milefa, manalavitra haingana mba tsy ho tratra. Ahitsio