Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandotso: (lotso) a.: Fomban' ny nono mandotso, izany hoe tonga betsaka. ' Ahitsio
Fandotsoana: (lotso) a: Fisian' ny nono betsaka tonga amin' ny nonon'ny vehivavy vao tera-bao. ? Izay rehetra omena ny vehivavy vao tera-bao mba hampandeha be ny nonony. Ahitsio
Fandova: (lova) a.: Fomba entina mandova. 1 p.t.: Azo lovana. Ahitsio
Fandovana: (lova) a.: Fahazoana na fandraisana harena na fananana navelan'ny ray aman-dreny. Ahitsio
Fandoza: (loza) a: Toetran'ny zavatra sampontsampona tonga. Ahitsio
Fandozana: (Icaza) a: Fiterahan-doza; fandriana amin'olona tsy azo vadina, fifoterana. Ahitsio
Fandozoka: (lozoka) a.: Fomba entina mandozoka, na mametaka lozoka (vatan-kakazo misy loaka maromaro izay ampidirana hazo boribory miteivalana mba hisakanana ny omby tsy hivoaka). Ahitsio
Fandozorana: (lozotra) a.: Fanaovana rataY nahandro; fanaovana izay hampitarozaka raharaha iray. Ahitsio
Fandozotra: (lozotra) a.: Fomba entina mandozotra na manao ratsy nahandro. Ahitsio
Fandra: (Ski) a.: Karazan-kazo tahatahaka ny rofia. Ahitsio
Fandrabahana: (rabaka) a: Fanatsofohana, fampidirana, fandentehana. Ahitsio
Fandrabaka: a: Fomba entina mandrabaka, manatsofoka, mampiditra, mandentika. Ahitsio
Fandrabao: (Ski) a.: Tohontantely vao nofandrahana amin'ny hazo vontaka. Ahitsio
Fandrabavy: a.: Fandraka lehibe na mivelabelatra ny lelany. Ahitsio
Fandradahy: a,: Fandraka kely na etietY ny lelany. Ahitsio
Fandrafetana: (rafitra) a: Fanamboarana zavatra amin'ny hazo: Fandrafetana latabatra. 1 Fanorenana: Fandrafetana trano, 1 Fanaovana, famoronana: Fandrafetana samba. 1 Fandaharana: Havanana amin'ny fandrafetana iohateny ianao. Ahitsio
Fandrafitra: (rafitra) a.: Fomba entina mandrafitra. Ahitsio
Fandrahana: (fandraka) mt.ih. (fandraho): Loahana, asiana ambaviny: Fandraho ity hazo ital. 1 H.o.: a) Resena lahatra, anaovana po-tandroka: Nofandrahako ny anao lahy ka resy lahatra; b) Hafainganina, ampandrosoina (raharaha): Nofandrahan'i Dada ny adindry Rakoto ka vita tsara. Ahitsio
Fandrahana: (rahana) a: Fomba entina mandrahana, mampangotraka. Ahitsio
Fandrahana: (Btm) maravo. Ahitsio