Fandetsena | : | (letsy) a.: Fampietrena, fampihenana vidin'entana amidy.
Ahitsio |
Fandetsy | : | (letsy) a.: Fomba entina mandetsy, mampietry, mampihena vidin'entana amidy.l P. t : Azo letsena.
Ahitsio |
Fandevena | : | (levy) a.: Fangotrahana.
Ahitsio |
Fandevenana | : | (levina) a.: Fanitrihana na fanotofana na fanafenana ao anaty tany,enti-milaza ny fomba rehetra arahina rehefa manatitra ny nofon'ny olona iray maty ao am-pasana. (
Ahitsio |
Fandevilevena | : | (leuiieuy) a: Fitezerana sy fandrahonana mafy, fitenenana an-katezerana.
Ahitsio |
Fandevilevy | : | (levilevy) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mangotraka. 1 Fomba entina mandrahona, mitezitra.
Ahitsio |
Fandevina | : | (leuina) a.: Fomba entina mandevina, manitrika na manototra na manafina ao anaty tany.
Ahitsio |
Fandevona | : | (leuona) a.: Fomba entina mandevona, manafoana, manafongana.
Ahitsio |
Fandevonana | : | (levona) a.: Fanafonganana, fanafoanana: Fandeuonana ny firenena ny famelana ny toaka hitobaka eran'ny tany sy ny fanjakana. 1 Fanimbana: Tsy ekeko izao fandevonana ny voninkazoko izao. / Fandringanana, fandripahana: Henemana monja ny fandeuonan'ny tafiky ry zareo ny fahavalony. 1 Fampanjariana ho fofona, etona. ranony...: Hain-8ana ny fandeuonana ny siramamy ao anaty rano. 1 Fampanjariana ho zavatra mahavelona ny tena: Maharitra adiny roa na telo eo ho eo ny fandeuonana ny sakafo hanintsika.
Ahitsio |
Fandevy | : | (levy) a: Fomba na toetran'ny zavatra mandevy, izany hoe mangotraka: Ny fandeuin'ny rano.
Ahitsio |
Fandfrohonana | : | rohona) a.: Firaondraonam-peon-javatra any lavitra.
Ahitsio |
Fandiafasika | : | a.: Karazam-boronkely mahafinaritra izay matetika mandeha tsiroaroa ka manainganainga volombody matetika eny am-pandehanana; eny amin'ny fasika eny amoron-drano no ahitana azy matetika ka izany no nahatonga ny anarany, izay atao koa hoe lavasalaka na triotrlo, salahy, seritse.
Ahitsio |
Fandiavana | : | (dia) a: Fitetezana: Nireharehany ny fandiauany ny faritany enina eto Madagasikara, 1 Fanitsahana: Mahapotraka ny fandiauana ny ahitra lena. 1 Zavatra fametraka eo an-tokonana na eo an-tongo-pandriana mba handiavan'ny tongotra: It9 taretra uao novidina ity atao fandiavana. 1 Tokonana: Raha vao nanitsaka ny fandiauana izy dia potraka.
Ahitsio |
Fandidiana | : | (didy) a: Fanapahana: Inty ny antsy fandidiana mofo. 1 Fandrasana: Fandidian-këna. 1 Fanetezana lamba ho akanjo: Mila fahatzana ny fandidiana akanjo. 1 Fandrasana nofo na fanapahana taova ao amin'ny tenan'ny olombelona mba hapalana aretina: Natao omaly ny fandidiana an-dRakoto. / Fifehezana, fanapahana: Rabe no tompon'ny fandidiana eto amin'ny faritany. 1 Fandaharana: Nantsoiny ny zanany fa hanao ny fandidiana ny fananany izY.
Ahitsio |
Fandifiana | : | (dify) a.: Fanasiana dify.
Ahitsio |
Fandifihana | : | (difika) a: Fanapitihana.
Ahitsio |
Fandiivana | : | (lo) a: Fanaovana izay hahatonga lo.
Ahitsio |
Fandíka | : | a.: Aretina mampivonto ny ankasarotana, izay matetika heverina ho mosavy nataon'olona.
Ahitsio |
Fandikana | : | (dika) a.: Fihoarana avy ambony, fiseranana na fivikinana eo anoloana na eo ambony: Tsy fanao na oviana na ouiana ny fandikana olon-dehibe matory amin'ny tan y. 1 Tsy fanarahan-dalàna: Mahavoasazy ny fandikana ny didy aman-dalàna. 1 Fakan-tahaka: Tsy nanao afa-tsy fandikana ny entimodin'ny namanao ianao. 1 Famadihana amin'ny f?tenim-pirenen-kafa: Sarotra ny fandikana ny hain-teny malagasy amin'ny teny frantsay.
Ahitsio |
Fandikarana | : | a,: Fanaovana zavatra tsy am-pilaharana ka misy voadingana na hadino.
Ahitsio |