Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanatontohitra: (tontohitra)a: Fomba entina manatontohitra, manohy asa tsy an-kijanona hatrany, manampy (a-sa, zavatra) hatrany. Ahitsio
Fanatontosa: (tontosa) a . Fomba entina manatontosa, manatanteraka. Ahitsio
Fanatontosana: (tontosa) a. Famitana tanteraka, fanatanterahana. Ahitsio
Fanatopatopa: (topatopa) a. : Fomba entina manatopatopa, mampihetsiketsika, mampihilangilana. Ahitsio
Fanatopatopana: (topatopa) a: Fampihetsiketsehana, fampihilangilanana. Ahitsio
Fanatorevahana: (torevaka) a. : Fampiandrasana, fampidonanahana foana eo. Ahitsio
Fanatorevaka: (torevaka) a : Fomba entina manatorevaka, mampidonanaka foana. Ahitsio
Fanatorisihana: (torisika) a Famporisihana (alika) hiady na hanaikitra olona. Ahitsio
Fanatorisika: (torisika) a. : Fomba entina manatorisika, mamporisika (alika) hiady na hanaikitra olona. Ahitsio
Fanatorosiana: (torosy) a Fampitoviana hatevina amin' ny torosy, fampiasana torosy. Ahitsio
Fanatorosy: (torosy) a. : Fomba entina manatorosy, mainpiasa torosy, mampitovy (hatevina) amin'ny torosy. Ahitsio
Fanatorovohana:(torouoka) a: Fampipetrahana hitorovoka. Ahitsio
Fanatorovoka: (torovoka) a : Fomba entina manatorovoka, mampipetraka miarinarina tsars. Ahitsio
Fanatotongana: (totongana) a: Fomba entina manatotongana, manohoka, mampihilana. .P.t. : Azo atotongana. Ahitsio
Fanatotonganana: (totongana) a : Fampihilanana, fanohofana; fihoarana, fisongonana. Ahitsio
Fanatovevena: (tovevy) a : Fanatongilanana. Ahitsio
Fanatovevy: (tovevy) a : Fomba entina manatongilana. ~ p.t.: Azo atovevy, atongilana. Ahitsio
Fanatrabahana: (trabaka) a Fanatrobahana, fandentehana zava-maranitra lalina ao anaty nofo, fanindronana higorobaka. Ahitsio
Fanatrabaka: (trabaka) a : Fomba entina manatrabaka, manatrobaka, mandentika zava-maranitra lalina ao anaty nof o. Ahitsio
Fanatrafana: (trafana) a : Fomba entina manatrafana, mainpitroatra, mampitrifana. Ahitsio