Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lelana: (lela) p.t.: Enti-milaza olona mahay vava, mivatsavatsa ery. Ahitsio
Lelany:Jer. [Lela] Ahitsio
Lelavola: a.: Teny enti-milaza vola vy na taratasy azo ampiasaina avy hatrany amin'b zao, fa tsy taratasim-bola mbola tokony hatakalo. Ahitsio
Lelefana: (lelika) mt.ih. (laie-fo): Totorana: Tokony hole-Lefana ity lavaka it? alohan' ny fahavaratra Ahitsio
Lelika: p.t.: Tototra, voasarona: Lelika ny hady. 1 Fano: Leliky ny antsanga inty ny tanimbary. Tsy mahalala ny fahorian'ny sasany intsony izy, fa efa leliky ny harena. - t.i.f.: Lelefana, alelika, voalelika I mandelika, fandelika, mpandelika / andelefana, fandelefana / mahalelfka. Ahitsio
Lelo: a: Tsiranorano maditidity mivoaka avy any an'orona rehefa mitomany na voan'ny sery. - F.-p.: Manisin-delo: mamoaka ny lelo amin'ny fanosehan'ny rivotra azy avy any anaty orona. f Mifo-delo: mitroka ny lelo hiverina any anaty orona, fa tsy manisina azy. / Paka lelo: enti-milaza irony ankizy izay mikirazorazo lava mipaka eo amin'ny molony ny lelony. / Lelomborontsiloza: ilay hoditra mena mikiraviravy eo ambony vavan'ny vorontsiloza * Ohab.: Ahy, hono, izany lelo haisiko!: enti-milazahoe "raha mba izaho no nanankanaovana, asa fotsiny 1" Ahitsio
Lema: p. t.: Mahay sY kinga, mailaka. Ahitsio
Lemahina: (lemaka) mt. ih. (lemaho): Atao lemaka, arenina: Holemahina tsara ny tokotany alohan'ny hanorenana ny trano. Ahitsio
Lemaka: p.t.: Marin-tampon: Tany lemaka. 1 a: Tanymarin-toerana hatrany, zara raha misy ahitana lohasaha, ankandemponana: Ny lemak'i Marovoay. t.i.f.: Lemahina, alemaka, voalemaka/mandemaka, fandemaka, mpandemaka / andemahana, fandemahana / mahalemaka / lemademaka. Tany marina, ankamarenana, ankapetrahana, maharemana, tamponketsa, dembademba, lembalemba, marin-tampon, deboka, komakoma, ankandemponana, lohasaha. Ahitsio
Lemana: (Lena) mt.ih. (lemo): Asiana rano, mandoina: Lemo ny valopy hiditiany tsara. 1 Kotsaina: Lemo (rano) ny lohany raha mafana loatra izy. Ahitsio
Lemba: p.t.: Maty. Ahitsio
Lembalemba: (lemba) a: Tany marin-tampona ambony havoana. i t.Lf.: Milembalemba. Ahitsio
Lembenana: Fiteny miaraka a• min'ny hoe Manaiky: Manaiky lembenana: manaiky no-ho ny tahotra, na henatra, manaikinaiky foana. ¶ M.h.: Manaiky lempona, manaraka ambokony. Ahitsio
Lembolembo: (lembo) a: Loiloy noho ny fofona ratsy ren'ny orona. - t.i.f.: Milembolembo, filembolembo. Ahitsio
Lemena: (lemy) mt. ih. (lemeo): Atao bodaka, mihonankonana: Nolemena tsara aloha ny rihitra. 1 Atao malefaka, mora tsakoina: Lemena anaty rano aloha ny tsaramaso vao handroina. / Lemeo tsara ny hena. / Tonga mihena hery: Nolemen'ny aretina roa vola-na izy. 1 h.o.: Aza mety ho lemen'ny naman-dratsy. / Kapohina, lakasina: No!emen-drainy ny hazo Ilita vao hendry. Ahitsio
Lemo: sy Lemolemo (lemo) a.: Famonjaionjana na fitsapatsap ana zavatra malemilemy. i t.i.f: Lemolemoina, voalemolemo 1 mandemolemo, fandemolemo, mpandemolemo I andemolemoana, fandemolemoana I mahalemolemo. Ahitsio
Lemoka: p.t.: Miditra kely ny molotra ambony: Tsy hitanao ve ilay Rangahy lemoka iny e?. ¶ M.h.: Gema,kepaka. Ahitsio
Lemolemoina: (lemoina) mt. ih. (lemolemoy): Potsipotsehina. Ahitsio
Lemozy: a: Fangatahana mizizo lava tsy mety mijanona raha tsy mahazo; fangatahana somary maneritery sy manelingelina: Manao lemozy er? io Rangahy io rehefa miangavy zavatra. Ahitsio
Lempaina: (lampa) mt. ih. (lempao): Pepoina. Ahitsio