Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Liana: p.t.: Maniry mafy (ta handre na hahita na hihinana...); dodona handre, may ta handre vaovao: Liana ny hahita an-drainy i Naiuo. / Efa liana er? izahay, ry nenibe, fa atombohy ny angano. é nef.: Halianana, fahalianana. el Afa-diana: afa-potamin'ny fialaht-boly na tamin' ny fialan-tsasatra ka tsy maniry ny hanohy intsony; tsy manan-javatra irina hojerena na hohanina intsony. I Liana ady: fatra-pitady ady, te hiady foana. / Lian-tsofina: ta handre vaovao izaitsizy, ta handre bebe kokoa satria tsy nahare tsara na tsy afa•po tamin'izay re. I Manao tsy liantsofina: milaza mialoha arnin'olona zavatra vaovao izay mbolaho henony ihany. / Manala liana: manome ny bevohoka izay tiany hohanina. ¶ M.h.: manalaratsiaina. / Miala liana: manampatra mihinana izay tiana hohanina (fiteny arnin'ny bevohoka indrindra). Ahitsio
Liba: (fr. libre) ft: Fanaranampo tanteraka; fitiavana lalao sy fahafinaretana. i t. L f.: Miliba, filiba, mpiliba / ilibane, filibana 1 aliba. Ahitsio
Lietnà: (fr, lieutenant) a,: Manamboninahitra amin'ny foloalindahy an-tanety sY ana habakabaka,ambonin'ny Solletnà ary ambanin'ny Kapiteny, mitovy fahamboniana amin'ny Enseigne de vais-seau kilasy voalohany amin' ny tafika an-dranomasina (jer. Grady). Ahitsio
Lietnà-Kolonely: (fr, lieutenant-colonel) a,: Manamboninahitra amin'ny foloalindahy an-tanety sy ana habakabaka, ambonin'ny Komandà ary ambanin'ny Kolonely; mitovy fahamboniana amin'ny Capitaine de frégate amin'ny tafika an-dranomasina (jer. Grady). Ahitsio
Lihitra: a.: Maimay sy maimaika hanao zavatra noho ny hajejoana: Lihitra ery izy handeha handihy any amin' ny namany. ¶ M.h.: Lingitra. • Kely loha, maivan-doha. • t f f.: Milihitra, filihitra, mpilihitra 1 ilihirana, filihirana 1 mahalihitra 1 lihidihitra. ¶ M.h.: Liana, litika (solitika), liaka, lefaka, maola, pendina, dedaka, tefotra, seriny, sedika, roboka, adala, mihaitraitra, mimaty (mimatimaty), minitinitika, mihoalahoala, matin-kanin-kely, matim-pitia toa lalitra. Ahitsio
Lilatra: a.: Soritra tavela, lalatra. Ahitsio
Lilia: (angl, lily): Jar. Lise,. Lilo ft. : Niavian'ny hoe Maiilo. Ahitsio
Liloha: (Btl) a.: Omby vositra fa mitarehin'ombalahy. Ahitsio
Lilotra: a : Fidirana any anatin' ny masonkoditra. 1 f : Tafalilotra 1 mililotra, fililotra / lilodilotra. Ahitsio
Lily: (Br) na Baka (Mer) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry, kanefa misompirana. Ahitsio
Lily: (Ski) a.: Fomba: Lilin-drazana. Ahitsio
Lima: (Ski) a: Vilia hazo lava-lava fanesorana rano ao anaty lakana. Ahitsio
Limby: (fr. limbes) a: (araka ny finoana katolika) Toerana nisy ny olo-marina maty talohan'ny namohan'i Jesoa-Kristy ny lanitra; toerana misy ny zaza tsy manan-tsiny maty tsy vita batemy. Ahitsio
Limonady: (fr, limonade) a.: Zavapisotro tsy misy alkaola izay amboarina avy amin'ny voasarimaktrana ka asiana rano sy siramamy ary indraindray gazy, izay mampisy tapoakan-drivotra mahatsara ny tsirony sy mahamanimanitra azy. Ahitsio
Linga: (Ski) a.: Hazo lava mitsatoka eo amin'ny tendron' ny botry roa eo an-kavian'ny lakana haningorana ny tady fanenjanana ny lay. Ahitsio
Lingilingy: (lingy) a: Teronterona; toetran'izay eo amin' ny toerana avo er? an-ten- drony. - t.i.f.: Milingilingy, filingiingy, mpilingilingY 1 ilingilingiana, filingilingiana 1 mahalingitingy. Ahitsio
Lingitra: p.t.: Lihitra, maimay hanao zavatra noho ny hajejaana. - t.i.f.: Milingitra, filingitra, mpilingitra 1 ilingirana, filingirana na filingitana 1 mahalingitra / lingidingitra / halingirana, halingitana. Ahitsio
Lio: (fit.-p.)a.: Ra. Ahitsio
Liona: (fr. lion) a: Biby lehibe sy matanjaka ary masiaka. Ahitsio
Lisa: (Ski) a.: Toto. 1 t i. f.: Mandisa. Ahitsio