Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Maloto: (loto) p.t.: Misy pend-na, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany. / Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan'ny namany. 1 Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio. 1 Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto. ¶ M.h.: Tsy madio, tsy madio tena, solotika, solotidotika, vorery, misoritika, tsilotidotika, somitika, misotisoty, mitavontavona, somerongerona, misav ore taira, vazina, misotitika, mikesonkesona, mifotafota. Maloto, mahamenatra, vetaveta, mahavoafady, mahafaty vorona, tsy fampiseho masoandro, mamoafady. Ahitsio
Malovilovy: (louilovy) p.t: Marisarisa, tsy tsaratsara, tsy metimety: Nahoana tsy tonga ny anadahinao?—Ao ihany izy fa manao malovilovy kely. Ahitsio
Mam: Tovona fanaovana matoantenin'ny mpanao, izay tsy inona fa ny "man-" ihany raha mikambana amin'ny fototeny sasantsasany; toy izao ny fitsipika amin'izany: 1) Rahamikambana amin'ny fototeny manomboka amin' ny f na p ny man, dia miova ho mam ary latsaka ireo ranisoratra ireo: man-fikitra = mamikitra; man-potraka = mamotraka; 2) raha mikambana amin'ny ft manomboka amin'ny b na u ny man, dia miova ho mam, ka ny b mijanona ho b ihany (manbeda = mambeda) na indraindray latsaka (man-babo = mamabo) ary ny v kosa lasa b (man-voly = mamboly) na latsaka (man-velona = mamelona). Ahitsio
Mama: a: Teny enti-milaza ny reny; i Neny. Ahitsio
Mamabo: (baba) mt.p. (marna-boa): Maka ho babo: Tsy nitsahotra namabo ilay mpanjaka nandresy tamin'ny tanàna rehetra nolalovany. / Mandroba, mangalatra: Jiolahy no traira namabo tao Antsaha 1 Maka ho onitsa, manosy:Ny fanjakana no namabo ny fananan'ireo tratra nikomy. Ahitsio
Mamadiditra: (fadiditra) mt.p. (mamadira): Mangorona manodidina: Iza no namadiditra ity tady ity tamin'ny tongodavarangana? 1 Mandadina amy, mifadiditra amy...: Mamadiditra amin'ny hazo ny vahy. Ahitsio
Mamadika: (Btl) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby toy ny tandrok'omby kirongo saingy boribory antonony ny fiolany. Ahitsio
Mamadika: (vadika) mt.p. (mamadiha): Manao zavatra miamboho:Mamadika fitaratra ? Mampiseho ny ila na lafiny iray tsy mbola niseho: Marnadika tsihy. 1 Miova ho mpamely nefa nitokisana:Namadika ny firenena izy. / Mamindra faty ho ao amin'ny fasan-drazan a na mamono lambamena: Lasa namadika any arnbanivohitra izy. Ahitsio
Mamady: (vady) mt.p. (marna-dia): Manome ho namana, ho fameno. Ahitsio
Mamafa: ~(fafa) mt.p. (marnafà): Manala ny loto, manaisotra ny potipoti-javatra amin'ny kifafa: Iza no namafa ny tohatra? 1 Mamaoka: Mamafa vilia Ahitsio
Mamafana: (fafana) nit s. (mamafana) : Mandrara-pofona mantra: Endre ! izany tsiotsiodriuotra namaf ana teo amin'ny ilay saham-boninkazo. Ahitsio
Mamafy: (fafy) mt.p. (marnafaza): Manapariaka voa mba hilevina ao anaty tany ka hitsimohany: Izay namafy uoa tsara dia hioty uoa tsara 1 Manely hatraiza hatraiza: Randria no mamafy izany heui-diso izany. ¶ .h.: Manely, mampiely, manapariaka, manaparitaka, manahaka, mampihahaka. 1 Mandanilany foana, mandany an-tetiny: Mamafy vola amin'ny zavatra tsinontsinona io lehilahy io. Ahitsio
Mamaha: (vaha) mt.p. (mamahà): Manaboraka: Mamaha vona 1 Manala fatorana: Mamaha alika 1 Manatsoaka: Mamaha zaigrafY• 1 Manapaka (fanekena): Iza tamintsika àry no namaha ny fanekena voalohany? Ahitsio
Mamahana: (fahana) mt.p. (mamahana): Mifikitra, mamikitra, misaringotra amin'ny zavatra iray mba tsy hianjera: Saiky nianjera tany an-tevana aho raha tsy namahana tamin'ny uody hazo iray. ¶ M. h.: Mamahatra. / Manao ditra tsy handeha, mitokona: Namahana teo am-baravarana izy ka tsy nandeha raha tsy norahonana ¶ Mh.: Mitokona, mihenahena, mitokozihitra. Ahitsio
Mamahana: (fahana) mt.p. (mamahàna) : Manome hanina, mampihinana: Mbola marnahana ny soavaliny i dada./Mamahana ny zanany ny vorona. 1 Manisy fahana: Marnaham-basy. 1 Manodina ny vimiainan'ny famantaranandro mba hahafahany mandeha maharitra:Mamahana famantaranandro. 1 Mampiditra ny kofehy mitsivalana amin'ny lamba tenomina: Efa namahana ny tenona ve izao i Nenibe? - F.-p.: Mamahan-dalitra: mamitaka. / Mamahan-tsofin-jaza: mampanantena zavatra ankizy, mampangina azy amin'ny fampanantenan-javatra azy. Ahitsio
Mamahatra: (fahatra) mt.p. mamahara): Mamikitra, mitazona mafy amin'nytongotra:Namahatra tamin'ny vato ny tongony, nefa nalama ilay vato ka tsy ampy toy inona nikorisa izy dia nianjera tany an-kady. / Mitokona tsy mety mandroso: Notaritina ilay zaza, nefa namahatra ka hany hery nobataina tao. Ahitsio
Mamahatra: (vahatra) mt s. (mamahara): Mandatsa-paka, mamaka: Ho tahaka ny hazo maniry eny amoron-drano izy: mamahatra any anaty rano. Ahitsio
Mamahirano: (fahirano) mt.p.: Tsy manome rano, manao fahirano. Ahitsio
Mamaho: (faho) mt.p. (mamahoa): Mampifangaro, mangaro: Mamaho rano ny divay. Ahitsio
Mamahoaka: (vahoaka) mt.p.: Mamory olona vitsivitsy mba hiasa ary mamahana azy avy eo. 1 Mametraka ho takatry ny vahoaka, mamplély amin' ny vahoaka: Anisan'ny fototry ny fandrosoana ny mamahoaka ny fampianarana. Ahitsio