Mivalongana | : | (valy) mt. s.: Mivongana, mivaingana. • Miantonta.
Ahitsio |
Mivaly | : | (valy) mt. s.: Misy valiny: Mbola tsy nivaly ihany ny taratasy nalefako tany amtn'ny Minisitry ny Fampianarana. 4 Misy setriny: Mahareta fa mbola hivaly ihany izao fihafianao izao indray andro any! 4 Hita ao ambadika: Manify ny taratasy ka mivaly ao ambadika ny soratra.
Ahitsio |
Mivanàka | : | (vanàka) mt. s. (mivanakà): Mijery toy ny adala, ny vava mitanatana. • Gaga sady taitra tampoka ka mitanatana fotsiny ny vava.
Ahitsio |
Mivanavana | : | (vanavana) mt. s.: Misokatra mitanatana be mihitsy.
Ahitsio |
Mivandambandana | : | (vandana) p. t. : Mipentimpentina, vangavanga.
Ahitsio |
Mivanditra | : | (vanditra) mt. s.: Misy mivohitra mitsoriaka lavalava: Nivanditra tamin'ny kapoka nafitsokao azy ny ranjon'ny zanako.
Ahitsio |
Mivandraka | : | (vandraka) mt. s. (mivandràha): Mijery amin' ny maso midiridiry sady misokatra be.
Ahitsio |
Mivandravandra | : | (vandrauandra) mt. s. (mivandravandrà): Mijery amin'ny maso midiridiry feno hatezerana: Niuandrauandra er? izy nijery ahy niteny azy. 4 h.o.: Miharihary, miseho tsara: Mivandravandra izao ny ratsy nataonao.
Ahitsio |
Mivandry | : | (vandry) mt. p. (mivandria): Mitily, miandry izay hahavoazan'ny vela-pan' drika napetraka.
Ahitsio |
Mivandy | : | (vandy) mt. s.: Miahotrahotra alohan'ny hanao zavatra.
Ahitsio |
Mivanga | : | (vanga) mt. p.: Mivarotra.
Ahitsio |
Mivangivangy | : | (vangy) mt. s.: Mampiseho vangy, mampiseho nify.
Ahitsio |
Mivangongo | : | (vangongo) mt. s. (mivangongba): Mitangorona miavoavo amin'ny toerana iray: Jereo ireto tantely miuangongo manodidina ny mpanjakany.
Ahitsio |
Mivanika | : | (vanika) mt. s. (mivanikà): Miseho (nify). 4 Marnpiseho nify fa voa ka hany hery ny nify no haseho toa mihomehy foana: Tratra ny anao lahy ka hany heriny nivanika fotsiny. 4 Mampiseho nify noho ny hatezerana. 4 Reraka mafy dia mafy: Nivanika izy niditra ny trano fa lampan'ny hanoanana sy main'ny hetaheta, hono.
Ahitsio |
Mivanivany | : | (vanivany) mt. s. (mivanivania): Mihomehy na mitsiky somary maneso kely.
Ahitsio |
Mivantana | : | (vantana) mt. p. (mivantàna): Mandeha mahitsy avy hatrany: Mivantàna ao amin-dRakoto rehefa tonga any Toamasina ianao. 4 Mandeha tsy misy mitana: Nivantana tany an-tani-mananasy ny bisikiletako ka naratra ny tongotra aman-tanako. 4 Miteny tsy misy fitsimbitsimbinana rehefa milaza zavatra na dia ilaina aza izany (matetika ny teny verindroa "mivantambantana" no ampiasaina amin'ity hevitra ity): Mivantambantana koa Rangahy iny rehefa miteny.
Ahitsio |
Mivaona | : | (vaona) mt. s.: Tsy mandeha mahitsy: Mivaona ity hazo fisaka ity izany. 4 Mandeha any amin'ny tsy izy: Mivaona izany resatsika izan y.
Ahitsio |
Mivarahontsana | : | (varahontsana) mt. s.: Malemilemy toy ny olona reraka dia reraka noho ny hakiviana na ny tahotra.
Ahitsio |
Mivaraka | : | (varaka) mt. s.: Mitriatra, mitsefaka.
Ahitsio |
Mivarakahaka | : | (varaka) mt s.:Miely, mihahaka.
Ahitsio |