Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mampitamby: (tamby) mt.p.: Mampanantena zavatra nefa tsy manome: Aza mampitamby anay amin'izay vola fa manana izahay. ~ Miseho ho tsy ta hanao na hanome zavatra raha angatahina fa toa manantena zavatra vao hanome: Loza koa Rabe iny: mampitamby izy na dia ha-nome aza Ahitsio
Mampitondraka: (tondraka) mt.p.: Mampihinam-bilona, mampiraoka ahitra ny biby any amin'ny volin'olona. Ahitsio
Mampivihivihy: mampihararetra, mampijaly. Ahitsio
Mampody: a: Anaran-kazo. Ahitsio
Mamy: (hamy) p.t.: Mahafina ritra amin'ny lela ny tsirony: Mamy ny tantely. ¶ M.h.: Fy, matsiro, mafilotra. • Tiana, ankafizina fatratra: Mamy ny zanaka. • Mahafinaritra, tsaroan'ny aina: Mamy ny miaina. - F,-p.: Mamy hoditra: tiambahoaka, tian'nympiara-monina (mif. aminy: mangidy hoditra). / Mamy hanina antanana: tia tena fatratra; tsy mba mizara amin'ny hafa izay soa ananany. ¶ M.h.: Fy, matsiro, mafilotra. Ahitsio
Man-: Tovona fanaovana matoantenin'ny mpanao ka toy izao sy toy izao avy ny fiovan'ny ft mikambana aminy: a) Amin'ny ft manomboka amin'ny zanatsoratra sy ny renisoratra d, g, j, dia mikambana tsotra aminy ny man; man-ary, man-etry, man-iry, man- ova, man- clona, man-geja, man-jono; b) amin'ny ft manomboka amin' ny h kosa, dia indraindray 1atsaka ny h: man-hety =ma-ne ty, indraindray miova ho g: man-horona = mangorona; - d) amin'ny ft manomboka amin'ny 1, r, z, dia miova araka ny hita amin'ny lalianpikambanan-teny ireo renisoratra ireo: man-lalo =mandalo; man-roaka = mandroaka; man-zary = manjary.; - e) amin'ny ft manomboka amin'ny m sy n, tsy miova ireo fa ny tovona man no tonga ma: man-mindro = mamindro, man-nenina = manenina; f) amin'ny ft manomboka amin'ny k, s, t, ts, latsaka daholo ireo renisoratra ireo: man-kaikitra = m anaikitra, man-songona =manongona, man-tolotra =manolotra, man-tsongo = manongo; g) farany, amin'ny ft manomboka amin'ny f, p, b, v, miova ho mam ny man (jer. Mam). Ahitsio
Mana: a: Tovona fanaovana matoan tenin'ny mpan ao, izay mikamban a amin'ny ft mpamaritra anarana milaza toetra ka "mahatonga ho" no heviny: Manalava, manamavo. Ahitsio
Mana: a: Sakafo nomen'Andriamanitra ho an'ny zanak' i Israely fony izy tany an' entra. Ahitsio
Manabado: (bado) mt.p.: Manambaka, mâmitaka. Ahitsio
Manabaka: (baka) mt.p. (manabakà): Mampihataka ho toy ny V. Ahitsio
Manabanaka: (banaka) mt.p. (manabanaha): Mamoha. Ahitsio
Manabanga: (banga)mt.p. (manabangà): Manala. Ahitsio
Manabanty: (banty) mt p. (manabantia): Manaratsy, manamavo, maneso, manafoka. Ahitsio
Manabaraingo: (borain go) mt. p.: Manameloka, manabiloka, Ahitsio
Manabarera: (barera) mt.p. (ma-na barerà) : Mampitambotsotra, mampikororosy: Manabarera ny elany ny vorona marary. Ahitsio
Manabataba: (tabataba) mt.p. (manabatabà): Manaitra amin'ny horakoraka na ny kotaba: Andeha mivoaka fa mana bataba ny marary. 1 Manahirana, m anelingelin a: Aza mana bataba ahy fa miasa aho. ~ Manakorontana: Manabataba ny faritany io iehilahy io ka tokony horoahina. Ahitsio
Manabe: (be) mt.p. (manabeaza): Mitaiza, mamelona, manao izay hahalehibe ara-tsaina sy ara-panahy: Manantena aho fa tsy ho nanabe xana-baratra akory aho nanabe anareo. Ahitsio
Manabeda: Jer. Mambeda. Ahitsio
Manabehambehana: (behana) mt.p.: Manasabaka ny sandry na tongotra mba hanakantsakanana ny hafa: Manabehambehana ny sandriny izy rehe fa mande ha. Ahitsio
Manabetsaka: (betsaka) mt.p.: Mampitombo isa zavatra mba hahatonga azy ho be dia be. Ahitsio