Manaborera | : | (borera) mt.p. (maborerà): Managorera, mampivaroraka.
Ahitsio |
Manaboretaka | : | (boretaka) mi-. p. (manaboretaha): Mampipetraka hitsotra amin'ny tany.
Ahitsio |
Manaboribory | : | (boribory) mt. p. (manaboriboria): Manao ho boribory tsy misy zoronjorony na motiny kely mihoatra atsy sy eroa.
Ahitsio |
Manaboridana | : | (boridana) mt p. (manaboridàna): Manala ny fitafiana eny an-koditry ny olona iray.
Ahitsio |
Manaboroaka | : | (boroaka) mt. p.: Mandoaka mba hivoaka hatrany ambadika.
Ahitsio |
Manaborosy | : | (borosy) mt.p. (manaborosia): Mamaoka na manadio amin'ny borosy.
Ahitsio |
Manaborotsaka | : | (borotsaka) mt p. (manaborotsaha): Mamela hitambotsotra, hikorotsaka.
Ahitsio |
Manabosesika | : | (sesika) mt.p.: Manome be dia be, manesika, mampiletra, mampanao tranga.
Ahitsio |
Manabosy | : | (abosy) mt.p. (manabosia): Mitaona olona amin'ny fandokadokafana azy.
Ahitsio |
Manabotetaka | : | (botetaka) mt. p. (manabotetaha): Mampipetraka amin'ny tany.
Ahitsio |
Manabotry | : | Mambotry (botry) mt.p. (manabotria, mambo-tria): Man ao izay hampahantra: Hanabotry ny rahalahiny no tetik'io zazalahy io.
Ahitsio |
Manadaboboka | : | (daboboka) mt. p. (m anad a bo bo ha) : Manjera, mamarina.
Ahitsio |
Manadala | : | (adala) mt.p. (manadatà): Mandrebireby, mamitaka: Olona manadala anao fotsiny iny fa aza miaraka amin'iny intsony. • Manelingelina, mahasosotra: Tsy mitsahatra manadala azy amin' ny raharahany ny zafikeliny. • Mahavery loha, mamily saina: Tsy avelany, hono, iny zazalahy iny fa nanadala ny zanany. • Manolikoly olona hahazoana izay tadiavina: Tratra nanadala ny lehiben' ny fokontany izy ka nosazina. - F.-p.: Manadala tena: ma-nimba tena, mamita-tena: manadala tena amin'ny sakaiza ratsiny izy.
Ahitsio |
Manadanadana | : | (danadana) nit p.: Mamoha tanteraka, manokatra manontolo: Iza no nanadanadana ny varavarana toy izao?
Ahitsio |
Manadanga | : | (danga) mt.p. (manadangà): Manondrotra ambony, manao amin'ny toerana ambony ho hita tsara.
Ahitsio |
Manadangana | : | (dangana) mt.p. (manadangàna): Manondrotra avo:Mazàna ny tsy fisian' ny zavatra hovidina no manadangana ny vidim-piainana.
Ahitsio |
Manadaraboka | : | (daraboka) mt p. (manadaraboha): Maniera mafy amin'ny tany.
Ahitsio |
Manadaroboka | : | (daroboka) mt. p. (manadaroboha): Maniera ao anaty rano.
Ahitsio |
Manademba | : | (demba) mt.p. (manadembà): Manalesoka.
Ahitsio |
Manaderadera | : | (dera) mt.p. (manaderaderà): Mampisehoseho zavatra ho hita tsara: Kevoka er? izy manaderadera ny satrony vao nouidina
Ahitsio |