Talelaka | : | p. t.: Mibalelaka ary marivo aty, mivelatra be ny vavany, talesaka: Vilia talelaka. - t.i.f.: Mitalelaka, fitalelaka.
Ahitsio |
Talenta | : | (fr. talent) a.: Fahaizana na fahakingana voa-Janahary: Manana talenta amin'ny mozika izy. - F.-p.: Mandeuin-talenta: tsy mampiseho na tsy mikojakoja ny talenta ananana.
Ahitsio |
Taleva | : | na Talevana a.: Karazam-borona an-drano (Porphyrio smaragnolus).
Ahitsio |
Talio | : | a,: Rivo-mangatsiaka ateraky ny ranomasina amin'ny folakandro.
Ahitsio |
Taloha | : | p.t.: Tranainy: Efa fomba taloha izany. ? ppk.: Teraka talohan-dRakoto Rabe. ? p. mt.: Tamin'ny andro tany aloha ela, fahiny: Taloha, nisy ala teto antampon'it? tanàna ¶ M.h.: Fahiny, fahizay, fahizany, fahagola, fahagolantany, tany ambadik'i Manareza.
Ahitsio |
Talonga | : | p.i.: Telo (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha rehefa mianatra manisa hatramin'ny folo), jar. Ingisa.
Ahitsio |
Tamaboha | : | a.: Tenam-pitaratra. ? Tavoahangy kely. ? Kilalaon'ankizy natao tamin' ny tenam-pitaratra.
Ahitsio |
Tamana | : | p.t.: Zatra:Tama-miresaka amin'ny eo akaikinao ianao rehefa manazava lesona ny mpampianatra. ? Enti-milaza biby ompiana na olona nifindra fonenana ka mipetraka tsara amin'ny misy azy fa tsy mitady hiverina amin'ny niaviany intsony: Efa tamana ireo akoho uao novidina ka mahalala mody ao am-pisoko rehefa hariva. ? Finaritra amin'ny toerana iray: Tamana any ambanivohitra izy. - t.i.f.: Tamanina na tarnanaina, atamana, voatamana, tafatamana / manatamana, fanatamana, mpanatamana / anatamanana, fanatamanana / mahatamana.
Ahitsio |
Tamanana | : | (Btl) a.: Ombivavy miteraka.
Ahitsio |
Tamanana | : | a.: Vantotr'ombivavy lehibe.
Ahitsio |
Tamango | : | a.: Firavaka fitondra amin'ny famoràna (kelikely kokoa noho ny betaly ny tamango).
Ahitsio |
Tamango | : | (Sah) a.: Vatam-paty miendrika lakana.
Ahitsio |
Tamango | : | a.: Vakin-taila na vakin-tafo tanimanga itorahana na anapaohana ny kanety amin'ny loka kanety. - t.i.f.: Tamangoana.
Ahitsio |
Tamangoana | : | (tamango) mt ih. (tamangoy): Asiana amin'ny tamango.
Ahitsio |
Tamanina | : | na Tamanaina (ta-mana) mt. ih. (tamano, tamanaino): Atao tonga tamana.
Ahitsio |
Tambaby | : | a.: Famikirana na fanindriana avy ao an-damosina. - t.i.f.: Mitambaby.
Ahitsio |
Tambako | : | a.: Paraky. - F.-p.: Tambako ratsy: ny sevabe.
Ahitsio |
Tambakombako | : | a.: Karazan' ahitra.
Ahitsio |
Tambalana | : | a.: Tsihy tokan-dela fa tsy mivitrana fametrahan'ny mpivaro-kena ny hena voatetika.
Ahitsio |
Tambalanana | : | a.: Vata kely fitehirizan-drakitra.
Ahitsio |