Litera a
Atanatana: (tanatana) mt. at. (atanatanao): Atao misokatra tanteraka: Atanatanao ny vavanao;ny varavarana
tohiny
Atandrify: (tandrify) mt. at.(atandrifio): Atao eo anoloana, mifanatrika amin'ny...: Aza atandrify ny trano ny…tohiny
Atandrina: (tandrina) mt, at, (atandremo): Ilazana ny olona alaina hitandrina: Iza no hatandrina ireto mpianatra…tohiny
Atandry: na Atendry (tandry) rat. fit. (atandrao): Entina manandry na manendry, manombotomboka, manendrikendrika.…tohiny
Atangazona: (tangazona) mt fit. (atangazony): Entina manatangazona, mampitana, mampihazona.
tohiny
Atangerina: (tangerina) mt. at. (atangereno): Asangodingodina, atambolimbolina.
tohiny
Atangidingina: (tangidingina) mt. at, (atangidingino): Asaina mihazakazaka am-pidinana.
tohiny
Atangirika: (tangirika) mt. fit. (atangiriho): Entina manatangirika, mandoaka.
tohiny
Atangitrika: (tangitrika) mt. rit, (atangitriho): Atsipy, alentika, aboiboika, afantsitsitra.
tohiny
Atangizina: (tangizina) mt. at. (atangizino): Atao mifanety, mifamoritra.
tohiny
Atangolika: (tangolika) mt. at. (atangoleho): Afadiditra, aolikolika lalina.
tohiny
Atangoloaka: (tangoloaka) mt fit. (atangoloahy): Entina manatangoloaka, mandoaka maninteraka.
tohiny
Atangongo: (tangongo) mt. at. (atangongoy): Vorina betsaka manodidina, toy ny zavatra mipetaka mihitsy.
tohiny
Atangorona: (tangorona) mt at. (atangorony): Vorina manodidina.
tohiny
Atangy: (tangy) mt. at. (atangio): Omena atao tangy na vola omen'ny lehilahy ny vehivavy mety miray aminy, tohiny
