Litera e

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
E: Tarehintsoratra fahefatra ary zanatsoratra na zanapeo faharoa amin'ny abidy malagasy. Ahitsio
E: t.-p. : Entina miantso, ka atao : Eo alohan'ny anaran' ny olona itenenana : E! ry razana ato ambany rangolahy! / Eo aorian'ny anaran' olona antsoina tsy dia hajaina loatra : Ketaka e!. ~ t.-p, : Entina manamafy fa manaiky : Azonao ue izany? Azoko e!. / Eny e! tsy hataoko tsinontsinona ny toroheuitrao! Ahitsio
Ebakebaka: :Jer. Hebakebaka. Ahitsio
Ebana: Ebanebana ft. : Entimilaza fitondrana lamba mirefarefa, na mihofahofa toy ny lamba fihaingoana. - t.i.f.: Ebanebanina / miebana, fiebana, mpiebana / iebanana, fiebanana. Ahitsio
Ebanebanina: (ebanebana) mt. ih. (ebanebano) : Arefarefa, ahofahofa. Ahitsio
Ebo: Eboebo a. sady p.t. : Re-, hareha, rehaka, hakevohana, fisehoana ho mahay na ambony na manankarena noho ny hafa ka manambony tena noho izany; be rehaka, kevoka : Be ebo koa izany raha dlona! / Tsy tiako iny tovolahy iny fa ebo lahy loatra. - t.i.f. : Mieboebo, fieboebo, mpieboebo i ieboeboana, fieboeboana. ΒΆ M.h, : Eboebo, rehareha, edinedina, edikedika, ajokajoka, sehaseha, hakevohana. Be ebo, be beso, be vava, be rehaka, kasikasy, tia dera, tehoderaina, mampilahendrena, tia doka, doradora, lasanko vavany, tsy maty am-bavany, matavy an-delany, akoholahy fahavaratra, miajokajoka, mianjonanjona, mihambohambo, miehakehaka, mibohaka, miangiangy, midohaka, midohadoha, midokadoka, midihindihina, miadonadona, miadokadoka, mihadrahadra, miedinedina, miedikedika, mie taketaka, mideronderona, mirehaka, mirehareha, mibohy, miaingitraingitra, midehadeha, misehaseha, mitehateha, miaingiaingy, misandratsandratra, misavoamboana, mievotrevotra, mitehintehina, miiaiiay. Ahitsio
Ede: Edede ft. : Entina manakora ny olona mampiseho toetra na fihetsika tsy fanao ampahibemaso : Edede! olona tsisy oarany izany marina! - t.i.f. : Ededena, voaedede / manadede, fanadede, mpanadede / anededena, fanededena. Ahitsio
Ededena: (edede) mt.ih. (ededeo) : Akoraina, tebahina : Ededena ny olona tsy valahara. Ahitsio
Edena: (fr. eden) a. : Toerana mahafinaritra izaitsizy honenana; paradisa na paradizy. Ahitsio
Edikedika: a. : Famindra na fihetsika mampiseho fiheveran-tena ho zavatra; fandeha mampiseho fireharehana. i t.i.f. : Miedikedika, fiedikedika, mpiedikedika / iedikedehana, fiedikedehana. Ahitsio
Edinedina: a. : Mitovy amin'ny Edikedika. - t.i.f. : Miedinedina, fiedinedina, mpiedinedina / fiedinedenana, iedinedenana. Ahitsio
Editay: t.p. : Eisy,isy! : Editay ! mandehana any ! Ahitsio
Edre: t.p. : Tenenina raha mahita zava-manaitra tsy nampoizina : Edre! inona re ito nataonao, anaka! Ahitsio
Edrey: t.p. : Enti-milaza alahelo na tahotra : Edrey! mampalahelo izany nahavoa azy izany ! Ahitsio
Efa: mt. s. : Vita, voafarana, tapitra : Efa ny asa vao tonga ianao. 1 Tontosa, lavorary : Efako ny asa nampanaouina ahy ka miadan-tsaina aho. 1 Voaloa : Efa ny trosako izao ka faly aho. ? Mety ho vita : Efako io fa aza manahy ianao. 1 Voaonitra, voaverina : Efany ny halatra nataony ha nolefahan'ny fanjakana ny saziny. 1 p.mt. : Fampiasa eo alohan'ny matoanteny milaza ny ankehitriny na ny lasa na ny ho avy, saingy samy hafa ny heviny amin'izany : Eo alohan'ny milaza ny ankehitriny, ny efa dia milaza fa eo am-panaovana ilay asa : Efa mihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny lasa, milaza fa efa vita tanteraka ilay asa : Efa nihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny ho avy, milaza fa antomotry ny hanao ilay asa ny olona miteny : Efa hihinana izahay. i Lit : Efaina, voaefa f manefa fanefa, mpanefa / ana-fana, fanefana / miefa, fiefa / iefana, fiefana / mahefa / fahefana. Ahitsio
Efadafy: a. : Teny enti-milaza ankapobeny ny sary rehetra misy lafy efatra, toy ny efamira... Ahitsio
Efaina: (efa) mt.ih. (efao) : Vitaina : Asa tsY maintsy hefaiho anio ity. 1 Tanterahina, lavorarina: Tsy maintsy efaina tsara izay atao, fa tsy atao kitoatoa ahory. 1 Vidina, aloa vola : Nefaiko roapolo io. 1 Onerana, averina : Tsy nanaiky aho raha tsy nefainy ny famantaranandroho nariany. 1 Vonoina : Nefainy tamin' ny lefona ilay sambobelona naratra. Ahitsio
Efakefaka: a. : Ny ilany amin' ny kitrom-biby. Ahitsio
Efamira: a. : Velarana misy lafy efatra mitovy ary zoro mahitsy efatra. Ahitsio
Efarina: (efatra) mt.ih. (efaro) : Zaraina efatra : Nefarina ny uoasary. Ahitsio