Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Avivitra: (vivitra) mt, fit. (auiuito): Entina mamivitra, mandroritra olona na zavatra amin'ny sofiny. Ahitsio
Avivitra: p.mt.: Antomotra, antsisiny kely, amorony. Ahitsio
Avizaviza: (vizaviza) mt. fit. (avizavizao): Entina mamizaviza, maniratsira, manebaka: Teny mata toy izany no nauizauizany ahy. Ahitsio
Avo: Avoavo p. t.: Ambony toerana: Avo boira ir? boky ir? ka tsy takatra 1 Lava: A-vo iray dia kokoa noho izaho izy. 1 Misondrotra ambcny, manerinerina: Tendrombohitra avo Ankaratra. 1 H.o,: Ambony, tsara, soa: Andriamanitra no ilay avo indrindra i t, i,f.: Avoavoina r manavoavo, fanavoavo, mpanavoavo i anavoavoana, fanavoavoana f miavoavo, fiavoavo, mpiavo• avo f iavoavoana, fiavoavoana f miavo f haavo, havoana. ? Avo dia: lava, manan-tongotra mitsipaikompaikona. f Feo avo: feo mahatakatra ambony. / Avo razana: ambony firazanana. ,t Fiten.: Avo ny lanitra ka tsy takatro: enti-milaza ny hafaliana lehibe ho azo raha tahiny ka tanteraka izay irina. Ahitsio
Avoaka: (uoaka) mt. at. (avoahy): Roahina: Avoàhy any io alika io. 1 Asaina hiala ny trano: Nauoaka ny mpiasa fa hasiana D.D.T. ao an-trano. 1 Esorina avy ao anaty: Nauoaka daholo ny zavatra rehetra tao anaty vatany. • Lazaina: Nanohina ny fon'ny olona ny teny navoakan'ny vavany. 1 Lazaina am-pahibemaso: Misy didy vao navoakan'ny fanjakano vao haingana momba ny halatra omby. / Aposaka: Aooahy tsara eto anoloan'ny fitsarana izay zavatra fantatrareo. 1 Aseho voalohany ho hitan' ny olona: It? no boky faharoapolo navoakako. Ahitsio
Avoanjo: (voanjo) mt. at. (avoanjày): Enti-milaza ireo olona amponenina amin'ny toerana iray hanamainty molaly ny tany, na ireo miaramila apetraka hiandry tany ao. Ahitsio
Avoavoina: (aooavo) mt. ih.: A-sondrotra, ankalazaina, de-raina. Ahitsio
Avohitra: (vohitra) mt. at. (avohiro): Abontsina. 1 h.o.: Atao mivohitra, misongadina (azo lazaina ho teny nampiasaina vao haingana amin' io hevitra io, fa ny mahazatra kokoa dia ny hoe asongadina, anterina). Ahitsio
Avoivoy: (voivoy) mt. at. (avoivoizo): Avezivezy, averimberina. Ahitsio
Avokaiky: (ookaiky) mt. at. (avokaikeo): Aforitra ho tonga fohy kely. Ahitsio
Avokavoka: der. Havokavoka). Ahitsio
Avoko: a.: Voninkazo dia maniry eny an-tanety, mandadina, mavokely ny voniny ary ny vodiny sahala amin'ny vomanga fotsy, sady fihinana koa. Ny avoko dia sarin'olona tsotsotra na manetry te-na. Ahitsio
Avokoa: (avy hoa), p. nit,: Rehetra tsy an-kanavaka (Tsara homarihina fa mifandray mandrakariva amin'ny teny lazaina ny hoe avokoa: Nihinana paiso avokoa ny mpianatra (Ny mpianatra rehetra no nihinana); Nohanin'ny mpianatra avokoa ny paiso (ny paiso rehetra no nohaniny). ¶ M. h.: daholo. Ahitsio
Avokoka: (vokoka) mt. at. (avokbhy): Atao tonga vokoka. Ahitsio
Avokombilahy: a: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra (Eriosema procumbens), Ahitsio
Avoky: (voky) mt. fit. (avokiso): Entina mamoky. Ahitsio
Avolimbolina: (volimbolina) mt at. (avolimboleo): Atao mitambolina. Ahitsio
Avolo: (volo) mt. fit. (avoldsy): Entina mamolo, manala ny volo amin'ny tena. Ahitsio
Avoloha: p. t.: Teny enti-rnilaza fahafenoana raha marnatra zavatra ka mitafotafo miavosa be ilay zavatra. Ahitsio
Avona: a.: Akalam-bay, votoatiny. Ahitsio