Ahaona | : | (haona), mt. at. (ahaony): Atao izay hifanenany, asaina mifanatrika: Nahaona ny an-kilany sy ny an-daniny teny amin'ny fitsarana. 1 A-kambana, ampiadina, atambatra, avitrana: Ahaony ireo hazo roa ireo.
Ahitsio |
Ahaotra | : | (haotra), mt. fit. (ahaory): Entina mihaotra, na mikiky amin'ny hoho ny faritra mangidihidy amin'ny tena: Kifafa kely no ahaotran'i Nenibe ny lamosiny fa tsy takany.
Ahitsio |
Aharatra | : | (haratra), mt. fit. (aharato) : Entina manaratra: It? hareza it? aharatra ny volombavanao fa maranitra tsara.
Ahitsio |
Aharatsaka | : | (haratsaka), 'nt. fit. (aharatsaho) : Entina manaratsaka, mamarana, manatsaka.
Ahitsio |
Aharihary | : | (harihary), mt. at. (aharihario): Aseho tsara manontolo fa tsy misy miafina: Naharihariny ny marina ha menatra foana ireo nanendrikendrika azy.
Ahitsio |
Aharo | : | (haro), mt. at. (aharoy) Afangaro, atao mikambana: Naharony tamin'ny gisanay ny gisany ka nanahirana ny nanauaka azy. * Ohab.: Vary zato naharon' ny sompitra: enti-milazaolona samy hafa toerana na fonenana nefa nakamban'ny ra maha-mpihavana.
Ahitsio |
Aharoka | : | (haroka), mt. fit. (aharofy): Entina mikaroka, mitady.
Ahitsio |
Aharona | : | (harona), mt. fit. (aharony): Entina mangarona, manatsoboka tanana ao anaty zavatra.
Ahitsio |
Ahasina | : | (hasina) mt. at. (ahasino): Omena hasina, ankatoavina ho masina: Nahasin'ny ambanilanitra tamin'ny uolatsivaky ny mpanjaka fahiny rehefa tonga ny Fandroana.
Ahitsio |
Ahasina | : | (hasina), mt. at. (ahasino): Aolana. ~ Akivilivily, rotsirotsina: Ahasino io zozo io fa voky loatra.
Ahitsio |
ahasiny | : | Jereo [hasina], [manasina], [ahasina] Ahitsio |
Ahasohaso | : | (hasohaso), mt. fit. (ahasohasoy): Entina manasohaso, mandokadoka: Teny mirehidrehitra no nahasohason'ilay mpikabary ny lehiben'ny fokontany,
Ahitsio |
Ahataka | : | (hataka), mt. at. (ahataho): Atao mifanalavitra tsy ampifanakekezina: Tokony hahataka kely ny tongotr'it? latabatra it?. 1 Sarahina, atokana: Nahoana no nahatakareo at? izahay?
Ahitsio |
Ahàtra | : | (hatra), mt. at. (aharo) Atao mipaka amin'ny..., atao mianjera, miantefa amin'ny: Tsy azonao ahatra aminy izany lalàna izany satria olona marary sain izy.
Ahitsio |
Ahatsaka | : | (hatsaka), mt. fit. (ahatsaho): Entina manatsaka, izany hoe: a) mamarana, mikiky zavatra; b) mihady tany avoavo hanaovana lalana.
Ahitsio |
Ahatsika | : | (hatsika), mt. fit. (ahatsiho): Entina manatsika na miantso. ~ Ilazana koa ny basy vaikaina.
Ahitsio |
Ahavingavina | : | (hauingauina), mt, at. (ahavingauino): Atao kitoatoa, atao mosalahy.
Ahitsio |
Ahavitravitra | : | (hauitrauitra), mt. at, (ahauitraviro): Atao kitoatoa, atao mosalahy.
Ahitsio |
Ahay | : | p. mt.: Fara faharatsiny: Raha tsy hamahana io mahantra io ianao, omeo vola kely ahay izy hamidiny mofo.
Ahitsio |
Ahazakazaka | : | (hazakazaka), mt. fit. (ahazakazaho): Entina mihazakazaka, ampiasaina amin'ny hazakazaka.
Ahitsio |