Litera A

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Asimba: (simba) mt. fit. (as im b ao) : Entina manimba. tohiny
Asinda: (sinda) mt. at. (asindao): Ahataka, alana: Asindao ny alahelo. tohiny
Asingana: (singana) mt. at. (asingano): Izay anampy mba haha-isa tsy ankasa ny isa iray. tohiny
Asingotra: (singotra) mt. fit. (asingory): Enti-milaza ny tadivavarana hisamborana omby: It? no tady mafy asingotra…tohiny
Asintaka: (sintaka) mt. at. (m sintaho): Sarahina amin'ny vadiny (vehivavy): Nahoana no nasintakao Rasoa? tohiny
Asintona: (sintona) mt. fit. (a. sintony): Entina misintona, mitarika: Tady asintona ireo entana latsaka any anaty…tohiny
Asiontsiona: (siontsiona) mt, at. (asiontsiony): Asaina mivezivezy ats? sy ar'y. tohiny
Asisa: (sisa) mt, at, (asisao): A-melana sisa, asiana sisa: Asisao ho an-jandrinao ny varinao, anaka, fa tsy…tohiny
Asisika: (sisika) mt. ot. (asisiho): Enti-milaza zavatra ampidirina andetra: Nasisiny tao am-paosy ilay akoho…tohiny
Asisina: (sisina) mt. at. (asisino): Atao sisina. tohiny
Asisy: (aisy) mt. fit, (asisio): Entina misisy na marsala nY mivohibohitra amin'ny hazo fisaka. tohiny
Asitraka: (sitraka) mt. at.: A-tao mba hamalifaliana. tohiny
Asitrana: (sitrana) mis fit. (asitrano): Entina manasitrana. tohiny
Asitrika: (sitrika) mt. at, (asitriho): Alentika, atsoboka: Nasitriny tany anaty rano ilay alika, nefa tafapoitra…tohiny
Asivana: (sivana) mt, fit. (asivano): Entina manasivana, manintsana. tohiny
Asoaka: (soaka) mt. at. (asoahy): Asolo. tohiny
Asobilabilaka: (sobilabilaka) mt, at.: Atao misobilabilaka na mivilivily mankatsy mankaroa. tohiny
Asobilaka: (sobilaka) mt. at. (asobilaho): Atao tailana, atao mivilana. tohiny
Asobilatra: (sobilatra) mt. at. (asobilaro): Atao didy misompirana: Nahoana no nasobilatrao toy izao it? didy hena…tohiny
Asodika: (sodika) mt. fit. (asodiho); Entina misodika, manala (herodronono, roatra). tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151