Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Baondy: a.: Anaran-karatra filalaovana misy sary tokana eo afovoany (kodiadiam-borona na efa-joro na fo na fon'omby mainty), ka heverina mazàna fa anisan'ny tsara indrindra amin'ny vato. Ahitsio
Baorina: (fr. borne) a.: Tsatobato efa-joro lavalava famaritana ny tany misy tompony ary voasoratra any amin'ny fanjakana: Tany vita baorina. • Tsato-bato misy tarehimarika milaza ny isan'ny kilaometatra mampisaraka toerana na tanàna roa. Ahitsio
Baoritra: (angl. board) a.: Karazana taratasy mahery sady henjana ampiasaina hanaovana fonon-javatra, boaty... - F.-p.: Tsy mitent' fa vola banritra: enti-milaza zavatra efa lany andro ka tsy misy vidiny intsony. Ahitsio
Baoroka: a.: Tapa-tsigara efa nifohana. Ahitsio
Baotinina: a.: Kiraro misy ranjony. Ahitsio
Baoty: (fr. botte) a.: Fonondranjo hoditra atao eo ambonin'ny kiraro mba hiarovana amin'ny ranon'ando na ny tsilo na ny riaka, na ny fotaka, rehefa manavasava any anaty ahitra na rehefa avy ny orana. Ahitsio
Bara: a.: Anaram-poko lehibebe monina amin'ny tany voafaritry ny renirano Zomandao, avaratra, izay mampisaraka azy amin'ny Betsileo; ny ala onenan'ny Tanala, atsinanana; ny ony Onilahy, atsimo andrefana, izay mampisaraka azy amin'ny Antandroy sy ny Mahafaly, art' ny havoana marin-tamp on' Analavelona, andrefana st' avaratra andrefana; tanàn-dehibe: Ihosy, Betroka. Ahitsio
Bara: p. t. (t. t. m.): Tsy fananana na tsy fisiana, mandait) ihany fa tsy maharitra: Baram-bola aho androany. Ahitsio
Bara: Barabara p. t. : Enti-milaza feo misamonina na farimparina tsy mazava loatra eo am-pitenenana. - F,-p.: Bara feo: farimparim-peo. ¶ M. h.: Gadragadra feo. / Bara saina: donto sains. kely saina. Ahitsio
Barabaha: (Btm) a.: Karazan' akondro. Ahitsio
Barabahy: a,: Karazan'akondro vaventy. Ahitsio
Barabara: p.t.: Fampiasa matetika kokoa noho ny hoe Bara: Farina (feo): Barabara feo ianao izany. 1 Tsy ampiampy (saine): Olona barabara saina. Ahitsio
Barabatavo: (Ski) a.: Fofo-malany tahaka ny an'ny mamba. Ahitsio
Baradaka: ft.: Enti-milaza fikorontanam-pitenenana. - t.i.f.: Abaradaka, baradahina,tafabaradaka / mibaradaka,fibaradaka, mpibaradaka/ ibaradahana, fibaradahana. Ahitsio
Baradida: (Br) a.: Tehina vita amin'ny hazo mafy, tsy dia la-va loatra, ataon'ny Baralahy fiadiana ka tsy misaraka aminy raha vao mivoaka ny trano izy na aiza na aiza alehany. Ahitsio
Baradondradony: p. a.: Lava maronjana sy tsara bika mifanao ara-keviny amin'ny toe-batana. Ahitsio
Baraingo: p. toe.: Bila, bingo. - t.i.f.: Abaraingo, voabaraingo J manabaraingo, fanabaraingo / anabaraingoina, fanabaraingaana I mibaraingo, fbaraingo / ibaraingoana, fibaraingoana J mahabarainga. Ahitsio
Baraingo: a.: Mari-pijanonantsoratra (?) misolo ny teboka raha manontany: Iza no tonga teto anikeheo? Ahitsio
Baraka:a a.: Voninahitra: Tsy manaiky aho fa ny barakako mihitsy no nalanao tamin'ny nitenenanao ahy teo imason' ny olona rehetra teo. - F,-p.: Afa-baraka: afa-boninahitra, very haja: Afa-baraka ianareo mianakavy tamin 'ny nafitsoky nt' zanakao. • H. i.: Voafitaka: Afa-baraka aho nitonantonana tany; hay efa nifindra ianareo ka tsy nilaza akory. ? Simba: Afa-baraka ilay laoka vao novidina fa nihosim-bovoka eran'ny tokotany. Ahitsio
Barakay: a.: Baiko-miaramila enti-milaza fandravana laharana. Ahitsio