Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Boridana: a. : Fandosirana sy fitsoahana tampoka (taloha, ary amin'ny foko sasany ankehitriny). ? Tsy fitafiana, tsy fiakanjoana (ankehitriny). - t.i.f.: Aboridana / manaboridana, fanaboridana, mpanaboridana / anaboridanana, fanaboridanana 1 miboridana, fiboridana, mpiboridana / iboridanana, fiboridanana I mahaboridana 1 boridandridana. Ahitsio
Borigedry: (angl. brigade) a : Antoko-miaramila tamnn'ny tafika malagasY fahiny, Ahitsio
Boriky: (fr. bourrique) a. : Am-pondra. • H.i. : Olona donendrina, tsy mahalala na inona na inona fa bado velona : Ilay boriky vavy ital. Ahitsio
Boririke: (Ski) a : Bibikely misy Poizina. Ahitsio
Boritika: Boritsika p.t. : Mitovy hevitra amin'ny Bolitika. Ahitsio
Borizano: (fr. bourgeois) a.: A-narana niantsoana taloha ny olona sivilina tsy miaramila; ankehitriny, ny mpitondra posy sy filanjana ary ny mpitaona entana no lazaina amin'io teny io. Ahitsio
Boroahana: (boroaka) mt.ih. (boroaho na boroahy) : Loahana tanteraka hatrany ambadika ; loahana an-daniny roa : Boroahy io hazo fisake io. Ahitsio
Boroaka: p. t. : Loaka tanteraka hatrany ambadika, gorobaka. - t.i.f.: Boroahana, aboroaka 1 voaboroaka, tafaboroaka 1 manaboroaka, fanaboroaka, mpanaboroaka / anaboroahana, fanaboroahana I miboroaka, fihoroaka / iboroahana, fiboroahana / mahaboroaka / boroadroaka. Ahitsio
Borobaka: p. t.: Jer. Boroaka. Ahitsio
Boroboaka: a : Karazan'akondro, mania somary mirirana ny hodiny, ary ny voany, la-va vaventy, mamy maisamaisatra kely. Ahitsio
Boroboana: a.: Karazana mangahazo malemy ary tsara aoka izany raha atao sola-dena. Ahitsio
Borobonjy: (Ski) a. : Nofy mampiteniteny sy mampandehandeha ny olona. Ahitsio
Borobosy: p.t. : Enti-milaza ny olona vaventy ranjanana sady matavy botrefona. Ahitsio
Borôna: a. : Karazan-kazo madinika nolazain'ny Ntaolo ho mahaboka raha atao kitay, nefa nataony fanafody amin' ny ferifery sy nanasitranany ny fivontosana mahavoa ny biby ompiana. Ahitsio
Borona: p.t. : Lany fananana tamin'nY loka na sitra-po ; tsy manana na inona na inona intsony : Borona tamin' ny loka Rabe ka mitakiky vava foana ankehitriny. Ahitsio
Bororo: (Ski) a. : Fanidin'nY vorona raha vao miainga amin'ny tany. Ahitsio
Bororoaka: a.: Fandriakan-drano betsaka indray mirodana. i t.i.f. : Abororoaka, tafabororoaka 1 mibororoaka, fibororoaka, mpibororoaka ) ibororoahana, fibororoahana I mahabororoaka. Ahitsio
Borosina: (borosy) mt.ih. (borosio) : Faohana na alana loto amin'ny borosy : Borosio kely ny kiraroko, ry Koto a ! Ahitsio
Borosy: (fr. brosse) a : Volombiby vita fiasana mba hamaohana zavatra na ho fanalana loto toy ny kifafa, na ho fanosoran-doko. - t.i.f. : Borosina, aborosY, voaborosy 1 manaborosy,fanaborosy, mpanaborosy 1 anaborosiana, fanaborosiana / miborosY,fiborosy, mpiborosy / mahaborosy. Ahitsio
Borotsaka: a : Fitambotsorana hiala eo amin'ny toerana ka midina ; fikorotsahana midi-na, fianjerana na fikodiavana moramora. - t.i.f.: Aborotsaka, voaborotsaka, tafaborotsaka 1 manaborotsaka, fanaborotsaka, mpanaborotsaka 1 anaborotsahana, fanaborotsahana I miborotsaka, fiborotsaka, mpiborotsaka / iborotsahana, fiborotsahana 1 mahaborotsaka / borotsadrotsaka. Ahitsio