Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanabatabana: (tabataba) a. : Fanairana amin' ny horakoraka na kotaba; fanelingelenana; fanakorontanana. Ahitsio
Fanabe: (be) a. : Fomba entina manabe, izany hoe manolokolo toetra tsara ao amin' ny zaza mba hahatonga azY ho lehibe, ho olom-banona : Fanabe mamohehatra ny manala ny :axa eo ankohonan-dray aman-dreniny mba hanefitefena ny toetra amam-panahiny, Ahitsio
Fanabeazana: (be) a. : Fanolokoloana ny zaza mba hanomezana azy toetra tsara ka hahatonga azy ho lehibe, ho olom-banona Zava-tsarotra, ary manomboka indrindra eo amin' ny fianakaviana, ny fana beazana ny zaza. Ahitsio
Fanabehambehanana: (behambehana) a. : Fanasabakana (ny sandry na ny tongotra) mba hanakantsakanana ny hafa. Ahitsio
Fanabiriohana:(birioka) a. : Familiana any amin' ny tsy tokony ho izy. Ahitsio
Fanabisiohana:(bisioka) a. : Familiana (zavatra) mba hihataka. Ahitsio
Fanaboaboana:(aboabo) a. : Fanavoavoana, fananoanoana. ? Fifaliana, firavoravoan' ny miaramila na manamboninahitra avy nandresy. Ahitsio
Fanaboboboboana: (bobobobo) a. : Fanitrihana ao anaty rano; fampanenoana anjombona atao mibobobobo. Ahitsio
Fanabobohana: (boboka) a. : Famontosan-drano, fampisotroana tafahoatra, fanaovana izay hahaleo. Ahitsio
Fanabodana: (boda) a. : Fanaovana izay hahaboda, hahalemy. Ahitsio
Fanabodehana: (bodika) a. : Fampisafotofotoana, fanodinkodinan-kevitra amin' ny teny atao. Ahitsio
Fanabodoana: (bodo) a. : Fakana ka fitanana vadin' olona. Ahitsio
Fanabohafana: (bohaka) a.: Fanabontsinana ho ngeza. Ahitsio
Fanabokana: (boka) a. : Fanaratsiana, fanambaniana, fanamavoana : Loza ny fanabokan'ny mpialona ny zavatsoa eny aminao. Ahitsio
Fanabokirana: (bokitra) a.: Fanaovana izay hampivohitra. Ahitsio
Fanabolilana: (bolila) a. : Fampibolisarana, fampilefana, fampiporitsahana. Ahitsio
Fanaboniana: (abony) a. : Fanolikolena, famitahana olona amin'ny teny mamy na tambitamby; fanabosiana, fanabontsinana, famangopangohana. Ahitsio
Fanabonohana: (bonoka) a. : Fanaronan-damba olona ao am-pandriana mba hafana. Ahitsio
Fanabonoka: (bonoka) a. :Fomba entina manabonoka, manaron-damba olona ao ampandriana mba hafana. Ahitsio
Fanabontanana: (bontana) a. Fanaovana ny taovolo bontana. Ahitsio