Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanadembanana: Fanadembana (dembana) a. : Fandemponana, fandesohana. Ahitsio
Fanaderaderana: (dera) a, . Fampisehosehoana zavatra ho hita tsara mba hiavonavonana. Ahitsio
Fanadiana: (tady) a. : Fanaovana tady. Ahitsio
Fanadidiana: (adidy) a. : Fanomezan-tsiny. Ahitsio
Fanadidy: a. : Fomba entina manadidy, manome tsiny. Ahitsio
Fanadina: (adina) a. : Fomba entina manadina : Tsy tiako ny fanadin-dRangahy io fa mandrahona sy mampitahotra izy, ? p.t.: Enti-milaza olona na zavatra azo adinina, azo an ontaniana; fanontany, fanantsafa : Tsy mba fanadina ampahibemaso ny zavatra tahaka izany, l'Y Koto al. ? Zavatra adinina matetika : 1-t? mambo ny maso it? ornanina fa io no fanadin-dRamose. Ahitsio
Fanadinana: (adina) a. : Fanontaniana, fanantsafana : No tsy valianao ny fanadinana ataoko aminao ? ? Fakana am-bavany, famotorana : Naharitra adiny telo ny fanadinan'ny Kaomisera an'ilay mpisoloky. ? Fitsapana fahaizana : Hanomboka anio na fanadinan-dry Fara. - F,-p, : Manala na maka fanadinana. / Afa-panad?nana : nahomby tamin'ny fanadinana nampanaovina. Ahitsio
Fanadino: (hadino) a. : Fomba entina manadino : Atao ahoana no fanadino ny andro nahasambatra taloha F Ahitsio
Fanadinoana: (hadino) a. : Tsy fahatsiarovana ny lasa; finiavana tsy hahatsiaro ny lasa : Matetika ny fanadinoana ihany no fanafodin'ny fanahy na fo naratra. Ahitsio
Fanadiovana: Fandiovana (dio) a. : Asa atao hanadio. Ahitsio
Fanadobibihana: (dobibika) a.: Fanangonana, fampivangogoana, Ahitsio
Fanadodadodana: (dodadoda) a. : Fandanilaniana foana, firobarobana. ? Fampirehetana be, fampiredaredana. Ahitsio
Fanadofahana: (dofaka) a. : Fanetrohana, fampilolorana (setroka...). Ahitsio
Fanadoladolana: (doladola) a. : Fampiraikana, fampironana ny loba miankavia miankavanana. Ahitsio
Fanadomboana: (dombo) a. : Fanaovana ho dombo, fanadontoana. Ahitsio
Fanadongaingena: (dongaingy) a. : Fampitondrana enta-mavesatra izaitsizy ka toa milentika any anaty soroka ny loba. Ahitsio
Fanadontoana: (donto) a. : Fanaovana izay hampaharenina, izay hahadombo, hahadonto ; fanadomboana. Ahitsio
Fanady: (tady) a. : Fomba entina manady, manao tady. ? p. t.: Azo taQilaa: Tsy mba fanady ny kiran'ity zavamaniry ital. Ahitsio
Fanafainganana: (faingana) a. : Fanaovana izay hahavitana (zavatra) haingana. Ahitsio
Fanafana: (afana) a. : Zavatra entina hanalana na hanalavitana ny loza atahorana hahavoa na ny aretina efa mahavoa mihitsy aza : Ny atao hoe fanafody dia tsy inona fa fanafana ny loza mety hateraky ny ody mahery. - F,-p, : Tsy azom-panafana : tsy azo sitranina. * Ohab. : Ny tsiny azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanafana : Enti-milaza fa ny tsiny dia azo alana raha mis-la tsiny ianao, fa ny tody kosa tsy maintsy mihatra satria, noho ny maha-vaiin'ny ratsy natao azy, dia tsy azo sakanana izy, toy ny ako tsy maintsy mamerina ny feo. Ahitsio