Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hotsohotso: p.t.: Mpandaingalainga sy fetsifetsy sady tsy menatra akory hisoloky. Ahitsio
Hotsohotso: a.: Aretin'ny famavanin-taolana, rohana. 1 tif: Mangotsohotso. Ahitsio
Hotsoka: sy Hotsokotsoka a: Fanaintainana anaty taolana sarotra tondroina hoe atsy na axoa. - t.i.f: Man gotso ka, mangotsokotsoka, fangotsoka, fangotsokotsoka 1 angotsohana, fangotsohana, fangotsokotsohana. Ahitsio
hotsokena:toton-kena nasiana karazana tsiro samihafa ary nasesika anaty tsinain-kena, mba ho laoka mafilotra (saosisy). Ahitsio
Hovihovy: na Hovohovo a: Ka-raz ana akoram-biby amin'ny ranomamy. Ahitsio
Hovihovy: a.: Fangovitana, fipararetana kely tsy dia mafy. i Li. f : Mangovihovy na mihovihovy, fangovihovy 1 angovihoviana, fangovihoviana. Ahitsio
Hovitra: a.: Fipararetana noho ny fanaviana na ny hatsiaka na ny tahotra. 1 t,i. f : Mangovitra, fangovitra, mpangovitra / angovitana, fangovitana / mangovingovitra. Ahitsio
Hovotra: sy Hovotrovotra a: Fihontsonkontsonana na fiezine zen ana mafy. - t.i.f: Hovotrovotina, voahovotrovotra, tafahovotrovotra / manovotrovotra, fanovotrovotra, mpanovotrovotra 1 anovotrovotana, fanovotrovotana 1 mihovotrovotra, fihovotrovotra, mpihovotrovotra 1 ihovotrovotana, fihovotrovotana 1 mahahovotrovotra. Ahitsio
Hovotrovotina: (houotrovotra) mt. ih. (houotrouoty): Hozongozonina, hontsinkontsinina. Ahitsio
Hoy: mt.p.: Miteny: Hoy Ra-koto tamin'ny zanany... I t.if: Mihoy. Ahitsio
Hozana: fer. Hontsana. - t.i.f.: Mihozana. Ahitsio
Hozangozana: a: Faharerahana, fahatrotrahana. i Li. f: Mihozangozana, fihozangozana. Ahitsio
Hozatina: (hozatra) p.t.: Entimilaza hena be hozatra: He-na hozatina izany amidindRangahy ity izany! Ahitsio
Hozatra: a: Teny nentin'ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin'ny tenan'ny olombelona na ny biby: 1) Karaza-nofo mitsiratsixaka toa tady kely izay mitambatra am-p?hezany amin'ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Miuonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin'ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (oh. ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin'ny kiho). 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin'ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangouitra ohatra io. 1 t.f f : Hozatina, hozatrozatra / mahozatra na maozatra. ? F-p.: Be hozatra: hita mivanditra tsara ny hozany. / Hoza-be: ireo•hozatra manarona ny taolana amin'ny famavany. J Hoza-po: ny lalandra mitondra ny ra avy ao smin'ny fo mankamin'ny te-na manontolo. / Hoza-dra: ny lalan-dra mamerina ny ra any amin'ny fo rehefa avy mamelona ny tena manontolo. / Hozany: ny zava-kendrena, ny antony. / Mitsangan-kozatra, uelon-kozatra: hita miseho eo amin'ny hoditra ny hozatra izay toy ny mivanditra. / Tsy hita izay tena hozany: tsy hita izay tena fotony, antony, zavakendrena. / Aretin-kozatra: aretina mandemy ny hozatra. / Hoza-drauina: entina milaza ny kiran'ny ravina toy ny anana, ets... / Ma-mono hozatra: enti-milaza ny olona torana ka mihinjitrinjitra toy ny efa miala ai-na. / Miuonki'n-kozatrâ: re mivonkina ny hozatra ka mibontana amin'ny faritra iray, ary dia tsy mihetsika mihitsy amin'izany fa mihizihizy fotsiny eo. * Ohab.: Ny teny toy ny hena ka raha roritina tonga hozatra: tsy tsara raha ny rasa-ka na ny ady hevitra no halavaina loatra fa mety hanjary fanditra na ady mihitsy aza. Ahitsio
Hozihozy: : mitovy amin'ny Honjihonjy. Ahitsio
Hozona: Hozongozona a: Hetsiketsika, hevingevina. - t.i.f : Hozongozonina, ahozongozona, voahozongozona J manozongozona, fanozongozona, mpanozongozona 1 anozongozonana, fanozongozonana 1 mihozongozona, fihozongozona, mpihozongozona 1 ihozongozonana, fihozongozonana J mahahozongozona. Ahitsio
Hozongozonina: (hozongozona) mt. ih. (hozongozony): Hetsehina mafy ary imbetsaka: Nohozongozonin'ny ankizy ny hazo ka raraka ny uoankazo. • h.o.: Hontsonina, ketrahina: Tsy azon'inona na inona hozongozonina ny finoany. Ahitsio