Hantsina | : | a.: Haimbo, hamaimbo, fofon-dratsy. I Mantaina 1 hantsinlna F manamantsina, mankamantsina, fanamantaina, mpanamantsina / anamantsinana, fanamantsinana j mahamantsina / mantsimantaina.
Ahitsio |
Hantsina | : | (hantsy) mt. ih. (hantsio): Antsoina, omena fo hiady: Nohantsiny hiady aminy aho.
Ahitsio |
Hantsinina | : | (hantsina) mt. ih. (hantsino): Maimboina: Hantsinin'ity fatim-biby it9 ny manodidina.
Ahitsio |
Hantsy | : | na Hatsy a: Fanomezam-po mba hiady, hifamely amin'ny tena, haika. ii t.i.f.: Hautains, ahantsy, voahantsy I manantsy, fihantsy, mpihantsy / ihantsiana, fihantsiana / mahahantsy 1 hantsihantsy.
Ahitsio |
Hany | : | t.t.: Tokana, irery: Izy no hany zona-dray aman-dreniny. - Hany koa: irery ihany (fanaon'ny mpanoratra eo alohan'ny anarana tiana hofaritana): Hany koa Rakoto no zana-dray aman-dreniny (Rakoto irery ihany no zana-drainY sy reniny). / Hany ka: Teny mpampitohy mampifampiankina, milaza vokatry ny toe-javatra voalaza eo aloha: Tsy nisy rivotra firy tao an-trano hany ka narary ny andohako.
Ahitsio |
Hao | : | a.: Bibikely tsy misy elatra, maintimainty, mivelona amin'ny biby lehibe izay tsentsefiny ny rany ka mahatsiaro ho mangidihidy. A-min'ny olombelona dia ao anatin'ny volon-doha indrindra no mivelona ny hao; atao hoe haofotsy izy raha eran' ny vatana no misy azy.
Ahitsio |
Haodiana | : | (haody) ait. Azo idirana: Haody tompoko ô — Haodiana e!
Ahitsio |
Haody | : | a.: Teny fanonona raha vao hiditra an-tranon'olona hovangiana, ka "azo idirana va?" no heviny, ary dia novaliana taloha hoe "haodiana e!" i t.t.f.: Haodiana.
Ahitsio |
Haody | : | na Haodihaody p.t.: Mahimahina ka mitazantazana lavitra manodidina fa tsy sahy manatona; mahimahina tsy sahy, kaodikaodY. - t.i.f.: MihaodihaodY, fihaodihaody, mpihaodihaody / ihaodihaodlana,fihaodihaodiana / mahahaodihaody.
Ahitsio |
Haofotsy | : | a.: Bibikely tahaka ny hao saingy fotsifotsy mipetaka amin'ny fitafiana, manaikitra ny hoditra.
Ahitsio |
Haoka | : | a.: Fandavahana na fandoahana; fangaronana hahitana ny miafina, ny tsiambaratelo. i t.i./.: Mangaoka, fangaoka, mpangaoka.
Ahitsio |
Haoka | : | Haokaoka a.: Fahamaimaizana, fahadodonana. - t.i.f.: Mihaokaoka.
Ahitsio |
Haolo | : | a: Fiasana fandoahankoditra, fampiasan'ny mpanao kiraro indrindra.
Ahitsio |
Haolo | : | Haolohaolo p.t.: Dia, mirenireny, tsy voatamana hiara-mipetraka amin'ny olona: Amboa, omby haolo. / Mandosindositra olona, kaody: Haolohaolo iny tovolohy iny. (Aza afangaro amin'ny hoe Aolo: tsy misy olona, tsisy mponlna; (Jereo io teny io).
Ahitsio |
Haona | : | ft.: Fifankahitana, fikambanana. - t.i.f.: Ahaona, voahaona, tafahaona I mihaona, fihaona, mpihaona / ihaonana, fihaonana / mahahaona / haonkaona.
Ahitsio |
Haorina | : | Haotraorina (haotra, haotraotro) mt, ih. (haory, haotraory): Kaohina na kiki-sana aminhtY hoho ny hoditra mba ho afaka ny hidihidy: Haoriny foano ny ranjony ka nanjary nisy hazaka. / Haotraory kely aho fa mangidthidy. (Jar. koa Hatraorina).
Ahitsio |
Haosana | : | (osa) a.: Toetran'ny olona osa.
Ahitsio |
Haosy | : | t.-p.: Teny fandroahana ny biby amam-borona sasany.
Ahitsio |
Haotra | : | Haotraotra a.: Fikaohana ny hoditra amin'ny hohon-tanana hanala hidihidy; fitsontsonana (ny biby) tsy hihetsiketsehany. - t.i.f.: Haorina, haotraorina, ahaotra, voahaotra 1 mihaotra, fihaotra, mpihaotra / ihaorana, fihaorana j mahahaotra j haotraotra.
Ahitsio |
Haotraorina | : | (haotra) mt. ih. (haotraory): Kaohina amin' ny hohon-tanana mba hanalana ny hidihidy: Haotraory kely ato amin'ny lamosiko ato.
Ahitsio |