Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hasondrianana: Fahasondrianana (sondriana) a.: Havarianana, harenohana. Ahitsio
Hasy: (fit.-p) a,: Landihazo gasy. Ahitsio
Hatafa: Hatafana a.: Karazankazo (Terminalia badamia). Ahitsio
Hatahina: (hataka) mt. ih. (hataho): Asaina mihataka, atao mihataka: Hataho kely io zaza io sao pitihin'ny vato eo. ~ Sarahina: Tsy maintsy hatahina ny biby tsy mbola marary. Ahitsio
Hatahorana: Fahatahorana (tahotra) a.: Tahotra tsaroan' ny tena: Loza ny hatahorako tamin'ilay horohoron-tany halina iny. Ahitsio
Hataina: (taina) mt.ih. (hatao): Ampirehetina hatao kitay: Raha bozaka kely io no hatainao, tsy hahamasa-bary ianao. Ahitsio
Hatairana: na Fahatairana (taitra) a.: Fihetseham-po mahita na mandre zavatra tampoka tsy nampoizina: Mifoha amim-pahatairana. ~ Fivadiham-po: Tsy hita holazaina ny fahatairako nahita ilay ombalahy be tandroka roa metatra teo anoloako. Ahitsio
Hataka: a.: Fiangaviana hahazoana zavatra iray avy amin' olona:'Izao no hataka ataoko aminao. 1 Vavaka sy faniriana hahatanteraka izay i-laina: Henoy ny hatakay, Andriamanitra ô! ~ Zavatra nangatahina: Hataka ity ka tsy azoko amena anao indray. - t.i.f.: Angatahina, voahataka / mangataka, fangataka, mpangataka 1 angatahana, fangatahana / fangatahina / mahahataka / hatakataka. • F.-p.: Hatak'adala: fomba fangataka manao lemozy no miverimberina. / Hataka andro: fiangaviana fanemorana ho amin'ny andro hafa. / Hata-maso: faniriana mba hojerena. J Hata-piso: hataka tsy misy fiatoana sy miverhnberina hatrany. Ahitsio
Hataka: a.: Fisarahana na fanalavitana; fialana tsy hanakaiky; fitokantokanana tsy miaraka amin'ny hafa. - t.i.f.: Hatahina, ahataka, tafahataka / mihataka, fihataka, mpihataka / ihatahana, fihatahana / mahahataka / hatakataka. Ahitsio
Hatalanjonana: Fahatalanjonana (talanjona) a: Hagagana sy fahavarianana. Ahitsio
Hatanjahana: na Fahatanjahana (tanjaka) a.: Toetra ananan' ny olona matanjaka;manana herim-batana (mitovy amin' ny hoe "taniaka" ihany): Mbola ao anatin'ny taonan' nY fahatanjahana ianao izao, ka mahaiza manararaotra izany amin 'ny casa. Ahitsio
Hatanjahina: (tanjaka) mt. ih. (hatanjaho): Atao tonga manan-kery kokoa, mahery fo kokoa: Tokony hohatanjahinao amin'ny fanafody ity zaza ity fa saozanina. • Hamafisina kokoa: Nohatanjahiko tamin'ny anja-by tray iehibe ny sakamandimbin'ny tranoko. Ahitsio
Hatanorana: Fahatanorana (tanora) a: Ny fizaran'ny fiainan'ny olombelona, na ny biby koa aza, eo amin'ny fotoana isandratany ary ivelaran'ny sainy sy ny toe-batany: Matanjaka sy mahery fo ny fahatanorana, saingy tsy ampy fandanjalanjana / Ny fahatanoran'ny andro, ny misandratra andro. Ahitsio
Hatavezina: (tavy) mt. ih. (hatavezo): Atao tonga matavy, afahy: Hatavezo ireto kisoa ireto ambara-piveriko. ~ H. o.: Ampitomboina ny filaza azy, itarina anaovana laza masaka: Nohataveziny er? ny fitantarana ny ady baolina. Ahitsio
Hatavy: Hatavezana (tauy) a.: Toetran'ny olona na biby matavy, botrefona; habotrefona: Tsy afa-mandeha intsony ity vorona ity noho ny hatavezany. Ahitsio
Hateloana: (telo) p.mt.: Mandritra ny telo andro: Niasa hateloana izy dia niala. ? a.: Halavam-potoana tala andro: Nony afaka hateloana taorian'ny nahafatesany, dia nitsangana tamin'ny maty i Kristy. Ahitsio
Hatenda: (tenda) p.mt.: Hatreo amin'ny tenda ny halaliny na ny haavony. a F.-p.: Kobaka am-bava volana hatenda: teny fampanantenana be fotsiny fa tsy tanterahina. Ahitsio
Hatenina: (hatina) p.t.: Rakotry ny hatina, fana hatina. Ahitsio
Hatetika: (tetika) a.: Ny fitrangan-javatra matetika, misesy. Ahitsio
Hatevenina: na Hatevezina (te-vina) mt, ih, (hateveno, hatevezo): Atao matevintevina kokoa: Hateveno ny lalotra fa manify loatra izy izany. ? Atao matetika kokoa, mifanety kokoa, asiana sosona: Tsy nohateveninareo ny ketsa ka jereo fa keiy ny vary azo. ~ Ampitomboina hasina: Hatevezo, rankizy, ny anaran-drainareo. Ahitsio