Hazotoana | : | na Fahazotoana (zoto) a.: Toetran'ny olona mazoto; harisihana, faharisihana: Arakaraka ny fahazotoanao amin'ny asa no itomboan'ny karamanao.
Ahitsio |
Hazovato | : | a.: Karazam-bato sokay nova ara-toetra simika sy fizika, tsy dia mafy loatra fa misy tsoriany mahafinaritra ny tavany rehefa voalambolambo tsara, anaovana solon-taila amin'ny ngorodona na ny rindrina; marbra.
Ahitsio |
He | : | t.-p,: Enti-milaza fiantsoana na fampisehoan-javatra: He! avia hijery ity zaua-mahazendana ity!
Ahitsio |
Hebaka | : | ft.: Tsy misy na inona na inona ao anatiny. - t.i.f.: Mangebaka I mange-, bakebaka.
Ahitsio |
Hebakebaka | : | a: Elanelana. - F,-p.: Ana hebakebany: a~ nelanelany.
Ahitsio |
Hebena | : | Hebihebena (heby) mt. ih. (hebeo): Sakanana eny am-pandehanana, salovanina.
Ahitsio |
Hebikebika | : | a.: Fihetsiketsehana na fivezivezena mankatsy mankaroa tsy mahapetraka fa feno ahiahy. - t.i.f.: Mihebikebika, fihebikebika, mpihebikebika 1 ihebikebehana, fihebikebehana.
Ahitsio |
Hebintrebina | : | a.: Fipararetra, fihetsiketsiky ny rano tsofin' ny rivotra; fitsipelapelatry ny hazavana. 1 t, t f.: Ahebintrebina 1 mihebintrebina, fihebintrebina, mpihebintrebina / ihebintrebenana, fihebintrebenana.
Ahitsio |
Hebrio | : | (fr. hébreu) a.: Anarana nentin'ny firenena Jody tany am-boalohany, avy amin'ny razam-ben'i Abrahama natao hoe Haber.
Ahitsio |
Heby | : | Hebiheby a.: Fanetsiketsehana zavatra hisalovana ny fijery na ny lalan'ny hafa; fisakantsakanana amin'ny fivezivezena avy an-kavia na an-kavanana. - t.i.f.: Hebena, hebihebena, aheby, ahebiheby, voahebiheby, tafahebiheby 1 manebiheby, fanebiheby 1 anebihebena, fanebihebena 1 mihebiheby, fihebiheby, mpihebihebY 1 fihebihebena, ihebena, fihebena I mahahebiheby.
Ahitsio |
Hedrahedra | : | a.: Hetsiketsika, hevingevina. i Manedrahedra, fanedrahedra, mpanedrahedra 1 anedrahedrana, fanedrahedrana 1 mihedrahedra, fihedrahedra, mpihedrahedra 1 ihedrahedrana, fihedrahedrana 1 mahahedrahedra.
Ahitsio |
Hefahefa | : | a.: Fihetsiketsehanjavatra tsofin'ny rivotra, fihofahofana. i' t.i.f;: Ahefahefa, hefahefaina, voahefahefa, tafahefahefa 1 manefahefa, fanefahefa, mpanefahefa 1 anefahefana, fanefahefana 1 mihefahefa, fihefahefa, mpihefahefa 1 ihefahefana, fihefahefana I mahahefahefa.
Ahitsio |
Hefahefaina | : | (hefahefa) mt. ih, (hefahefao): Hetsiketsehina, hofahofana.
Ahitsio |
Hefakefahina | : | (hefakefaka) mt. ih. (hefakefaho): Alana, na endahana, amin'ny ilany iray.
Ahitsio |
Hefakefaka | : | Hefakefany a.: I-lany iray amin'ny kitrom-biby. • Zavatra mikiraviravy, sady mihetsiketsika, nefa misy mitana azy tsy hiala. 1 Hefakefahina, ahefakefaka, voahefakefaka 1 mihefakefaka, fihefakefaka, mpihefakefaka 1 ihefakefahana, fihefakefahana.
Ahitsio |
Hefarana | : | (efatra) p.mt.: Mandritra ny efatra andro: Nijanona hefarana teto izy dia la-sa, • a.: Halavam-potoana efatra andro: Nandritra ny hefarana no naharetan'ny fa-nad inanay,
Ahitsio |
Hefikefehina | : | (hefikefika) mt. ih, (hefikefeho): Hetsiketsehina, hozongozonina.
Ahitsio |
Hefikefika | : | a.: Hovitrovitry ny loha, hifikifika, hetsiketsika, hozongozona. - t.i.f.: Hefikefehina, ahefikefika, voahefikefika, tafahefikefika 1 manefikefika, f anefikefika, mpanefikefika 1 anefikefehana, fanefikefehana 1 mihefikefika, fihefikefika, mpihefikefika 1 ihefikefehana, fihefikefehana 1 mahahefikefika.
Ahitsio |
Hefohefo | : | a.: Fananan-karena betsaka. i Manefohefo, fanefohefo, mpanefohefo 1 anefohefoana, fanefohefoana.
Ahitsio |
Hehaka | : | ft.: Hasemporana, sanehaka. - t.i.f.: Mihehaka, fihehaka, mpihehaka 1 hehakehaka 1 manehakehaka.
Ahitsio |