Henterina | : | (hantitra) mt. ih. (hentero): Tapahina tarangana: Henterina ny tady. ?Vitaina tanteraka: Hohen terina ny raharaha uao misaraka isika.
Ahitsio |
Hentitra | : | Tapaka tsy misy romoromo mitazona azy intsony; enti-milaza teny hanambarana fahatapahan-kevitra tsy miova intsony: Tapa-ho ataovy hentitra tsara ny resaka. - t.i.f.: Henterina, ahentitra, voahentitra / manentitra, fanentitra, mpanentitra I anenterana, fanenterana / mahahentitra / hentitrentftra.
Ahitsio |
Hentohento | : | a.: Sentosento, tolokoloko, fahalelovana am-po (noho ny tsy maintsy anaovana asa an-tery). - t.i.f.: Hentohentoina, tafahentohento / manentohento, fanentohento, mpanentohento / anentohentoana, fanentohentoana / mihentohento, fihentohento, mpihentohento / ihentohentoana, fihentohentoana.
Ahitsio |
Hentohentoina | : | (hentohento) mt. ih. (hentohentoy): Isentosentoana. • Tom banana la-fo loatra.
Ahitsio |
Hentona | : | p.t.: Avo (raha zavatra), lafo loatra (raha vidinjavatra).
Ahitsio |
Hentona | : | p. t.: Mangidy sira; lafo izaitsizy. i Li. f.: Mangentona.
Ahitsio |
Hentona | : | a: Hazo fisaka mifantsika amin'ny andry telo tamin'ny trano teo aloha eo akaikin'ny tendrony mba hanakambanana sy hanatambinana azy. - F.-p.: Any an-kentona: A-vo dia avo. * Ohab.: Aza atao mangidy tsy andramana toy ny hentona. (Jar. Andramana).
Ahitsio |
Hentsina | : | p.t.: Voatohana tsy afadnivoaka ka mihandrona fa tsentsina; enti-milaza ny orona tsy avy miaina fa tampin'ny sexy. - t.i.f.: Mihentsina / mahahentsina.
Ahitsio |
Hentsona | : | Jer. Kentsona
Ahitsio |
Heny | : | p.mt.: Mitovy amin'ilay efa eo, na isa na habe: Enina kilao io kisoa io tamin'ny novidiko, ary izao izy telopolo kilao, izany hoe lasa indimy heny ny lanjany. * F.-p.: Intelo heny: intelo ohatra ny habe na ny isa teo aloha. / Avo folo heny: impolo ohatra ny teo aloha. I Zato heny na inJato heny: injato ohatra ny teo aloha.
Ahitsio |
Heny | : | p.t.: Sahaza, mifanentana, tandrify, mifanandrify. ? h,o.: Mahazo mivady fa tsy mpihavana akaiky: Olon-tsy heny aminao Rasoa ka tsy azonao alaina ho vady. * F.-p.:0lon-tsy heny: olompady.
Ahitsio |
Heoka | : | Keokeoka ft.: Fofona na tsiro mamely ny tenda. i t.i.f.: Mangeoka, mangeokeoka, fangeokeoka.
Ahitsio |
Herahera | : | (t.tr.) a: Hazangazana.
Ahitsio |
Herahera | : | ft.: Fangatahana andro lava. - t.i.f.: Heraheraina, aherahera, voaherahera, tafaherahera I manerahera, fanerahera, mpanerahera l aneraherana, faneraherana / mahaherahera.
Ahitsio |
Heraheraina | : | (herahera) mt.ih. (heraherao): Ampiandrasina ela (enti-milaza trosa na vola tsy maintsy aloa).
Ahitsio |
Heraka | : | p. t.: Fano daholo, rakotra: Heraky ny aretina ny tanàna.
Ahitsio |
Herana | : | a: Karazan'ahitra vaventy sy mivela-dravina, miara-maniry amin'ny zozoro eny anaty rano na eny an-keniheny, ary fanaovana tsihy sy harona na fanafoana trano (Cyperus latifolius).
Ahitsio |
Herandambo | : | a: Karazan-kerana (Cyperus).
Ahitsio |
Herehina | : | (herika) mt. ih. (hereho): Todihina jerena any ivoho: Hereho ny lasa mba handinihana izay hatao amin' ny ho avy. • Atao, isahiranana: Be herehina loatra Rakoto ka hadinony ny hafatrao.
Ahitsio |
Heretika | : | (fr. hérétique) a. sy p. t.: Teny entin'ny katolika milaza ny olona mandà ny teny finoana ampianarin'ny Eglizy.
Ahitsio |