Haihay | : | a: Fahatsiarovana ho voa noho ny toe-javatra tsy nampoizina, noho ny hadisoam-panantenana. - t.i.f.: Mangaihay, fangaihay, mampangaihaY 1 mihalhaY 1 mpibaihay.
Ahitsio |
Haika | : | a: Fanomezam-po mba hiady, fihantsiana. i t.Lf.: Voahaika 1 mihaika, fihaika, mpihaika / ihaikana, fihaikana / haikaika.
Ahitsio |
Haikaika | : | a.: Kiniania, vosobosotra, kivazivazy. t.i.f.: Mihaikaika, fihaikaika.
Ahitsio |
Hain-teny | : | a: Teny an'ohatra voaravaka ohabolana, mampiseho fahaizana sy fahakingana, nampiasain'ny Ntaolo tamin'ny fananarana na nifamalian'ny tanora nanao resapitiavana.
Ahitsio |
Haingana | : | na Faingana p. mt.: Mandritra ny fotoana fohy, malaky: Mihinana haingana. ? Rehefa afaka fotoana fohy, vetivety: Hiverina haingana aho. ? Tsy ela, tsY maharitra, tsy mangataka andro: Valio haingana ny taratasy. ? p.t.: Malaky: Haingam-piteny izy. - t.i.f.: Haingana 1 mahahaingana. ¶ M.h.: Faingana, vetivety, vetivetika, mbetivety, tsielatsiela, tsy ahamana-menaka, tsy hitahita akory, tsy trabady mantsaka, indray mihelina, indray miserana, indray mipi-maso, indray mihelatra, poatoizay, eo no ho eo, miaraka amin'izay, miaraka amin'ny vava, miaraka amin' ny vava miteny.
Ahitsio |
Haingàna | : | (haingana) f. m.: Tongava rehefa afaka vetivety: Haingàna fa sao diso fotoana isika
Ahitsio |
Haingo | : | a.: Zavatra apetaka amin'ny akanjo na entina eny amfn'ny tena mba hahatonga ny tena ho tsara jerena: Mahafinaritra ny haingon'akanjonao. ? Izay rehetra entina handravahana zavatra, ary na dia hatramin' ny ara- tsaina sy ara-panahy aza: Ho haingon' ny tokantranoko no hiuidianako io fanaka io. / Be haingo loatra ny lahateniny. 1 t. L f.: Haingoina, ahaingo, voahaingo 1 mihaingo, f ihaingo, mpihaingo 1 ihaingoana, fihaingoana 1 mahahaingo 1 haingohaingo. - F.-p.: Farahaingo: izay heverina ho tsara Indrindra amin'ny haingo ka anaovana amin'ny fotoana malaza. / Manao haingo ambon), tsikoko: ilazana ireo miraratra ivelany nefa voretra sy maloto any anatiny ka tonga tsy misy hasiny ny tenany sy ny hasoan'ny fitafiana anaovany. / Haingo diso an'Iariuo: entina milaza ny haingo na ny zavatra kanto, izay diso toerana na efa lasa ny fotoana tokony hisehoany. /Haingon'adala: fihaingoana tafahoatra ka tsy mifanentana amin'ny taonan'ny tena na ny toetr'andro.
Ahitsio |
Haingoina | : | (haingo) mt. (haingoy): Asiana haingo; ravahana: Nohaingoiny ny efitranony.
Ahitsio |
Haingy | : | na Haingihaingy p.t.: Menamenatra, mahatsiaro henatra na tahotra, hita ho mangasihasy: Haingihaingy ny anao lahy nony nilazana fa fantatra daholo ny nataony rehetra teo aloha - t.i.f.: Tafahaingy, tafahaingihaingy I mihaingy, mihaingihaingY, fihaingihaingY, mpihaingihaingy 1 mahahaingihaingy.
Ahitsio |
Hainky | : | a.: Jer. Hanky.
Ahitsio |
Haino | : | na Heno ft.: Ren'ny satina: Tsy henoko ny teninao. 6 t. L f, : Hainoina, henoina, ahaino, voahaino, tafahaino 1 mihaino, fihaino, mpihaino 1 ihainoana, fihainoana 1 mahahaino 1 hainohaino.
Ahitsio |
hainy | : | jer. [hay], fantany Ahitsio |
Hairaha | : | a.: Fahaizana mamorona sy mitsikera ny zavakanto.
Ahitsio |
Haisoratra | : | a: Fahaizana mandinika ny soratra, fahalalana momba ny, soratra: Hivoaka atsy ho atsy ny tantaran'ny haisoratra malagas y.
Ahitsio |
Haisy | : | a: Jer. Aisy.
Ahitsio |
Haitao | : | a.: Fahaizana ny lalàna mifehy ny fiasana sy fitaovana mba hamokarana zavatra iray; fahalalana ny fomba enti-manao zavatra iray.
Ahitsio |
Haiteny | : | a.: Fahaizana marnakafaka ny teny sy ny fiteny.
Ahitsio |
Haitianina | : | (fr. haïtien) a: Ny firenena tompon-tany anY amin'ny andilantanin'i Haïti anelanelan'i Amerika avaratra sy atsimo. ?p.t.: Momba an'i Haïti, an'i Hal'ti na avy any Haïti. •
Ahitsio |
Haitrairina | : | (haitraitra) mt, ih. (haitrairo): Atao izay hahatonga hiangentsangentsana, ho sarotiny.
Ahitsio |
Haitraitra | : | a.: Toetra na fihetsika atao noho ny fiangolangolana, fitadiavana hamalifaly, fanaovana ny sitrapon'ny tena, fa tsy noho ny antony iray mafonja akory: Haitraitra ihany no nanaovany izany fa tsy misy antony. t f.: Haitrairina, ahaitraitra, voahaitraitra, mihaitraitra, fihaitraitra, mpihaitraitra / ihaitrairana, fihaitrairana / mahahaitraitra. ¶ M.h.: Aingitraingitra, angotingoty, angesongeso, hantahanta, hanta ratsy, tsingolavaitra, sarin-ditra, angentsangentsana, angolangola, siasia, sitrapo, arana, lalampo, vaibaitra, sotro rano antanam-bazo. - F,-p.: Be haitraitra: be sitrapo, mpanao ny danin'ny kibo. * Ohab.: Haitraitra an'olombelona, fa ny didy an'Andriamanitra: fikasana no an'olombelona fa Andriamanitra no mandidy izay zavatra ho tonga
Ahitsio |